]
Les quotidiens du 23 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

Alohan’ny fanazavana mikasika io voambolana io dia arahabaina ianareo rehetra tsy ankanavaka tratra ity Alahadin’ny Pentekôsta 19 May 2024 ity !

Ny Pentekôsta na Pentekôty dia fety kristiana ahatsiarovana sy ankalazana ny nidinan'ny FANAHY MASINA tamin'ny Apôstôly tamin'ny faha-50 andro aorian'ny nitsanganan'i Jesosy na Jesoa tamin'ny maty. Amin'ny Alahady fahafito aorian'ny Paska no anatanterahana azy. Io fety io no mamarana ny fetin' ny Paska.

Alatsinainy aorian’io kosa dia natokan’ny fianakaviana hitsangatsanganana ivelan’ny tokan-trano.

Rehefa izay ny teny fanolorana dia hiditra amin’ny fanazana izany hoe « FANAHY » izany isika. Mahaliana tokoa ka misaotra sahady ireo izay liam-pahalalana ka hamaky hatramin’ny farany. Ary aza adino fa ny Fahalalana no voaloham-pahendrena.

Jeannot Ramambazafy

Ny fanahy, araka ny karazam-pinoana sy fivavahana maro, dia zavatra manan-tsitrapo sy manana fahatsiarovan-tena nefa tsy azo tsapain-tanana, izay mety ho hitan'ny maso indraindray, ka heverina fa manana hery tsy araka ny mahazatra, sady mety hampianjady ny hery sy ny fahefany amin'ny tontolo tsapa.

Fanahy, ohatra, ny fanahin'ny olona maty, ny demony, Andriamanitra, ny matoatoa, ny anjely, sns. Maro ny taranja sy sehatra andinihana sy iresahana ny fanahy, ka isan'izany ny fivavahana, ny teôlôjia, ny finoana, ny angano, ny fedrà, ny fomban-drazana, ary ny fanaovana mazia.

 

NY KARAZANA FANAHY

* Ny fanahin' ny olombelona na fanahin'ny vatana

Ny fanahin'ny vatana dia fanahy fototry ny fahavelomana tsy azo tsapain-tanana, izay manetsika ny vatan'ny zavamananaina sy mahatonga azy hanana saina.

* Ny matoatoa na angatra

Ny angatra dia ny fanahin'ny olona maty izay miala aminy ka mandehandeha sy miseho amin'ny velona.

* Andriamanitra

Andriamanitra dia fanahy inoana fa manana hery mihoatra ny an'ny natiora ka atao hoe masina sady matetika anehoan'ny olombelona fanajana sy fatahorana manokana sady anaovany fanompoana ara-pivavahana.

* Ny anjely

Ny anjely dia fanahy any an-danitra, izay irahin'Andriamanitra ho mpanelanelana azy sy ny olona ety ambonin'ny tany sady ho mpampita ny hafatra momba ny sitrapon'Andriamanitra amin' ny olona.

* Ny demony

Ny demony dia fanahy manana hery ratsy mahatonga ny fahaverezan'ny olombelona entiny hanao ny ratsy.

 

NY FANAHY EO AMIN’NY KOLONTSAINA MALAGASY

Ny fanahy, araka ny kolontsaina malagasy, dia zavatra ao amin'ny olombelona izay entiny manahy ny amin'ny tenany, mampahatsiaro tena azy, mampiavaka ny olona amin'ny biby. Ny hoe manahy dia midika hoe "manana eritreritra be momba ny zavatra iray sy tsy mety mitony saina noho izany".

Ny fanahin'ny vatana, izay atao fotsiny amin'ny teny malagasy mahazatra hoe fanahy ihany koa, dia fototry ny fahavelomana tsy azo tsapain-tanana, izay manetsika ny vatan' ny zavamananaina(olombelona, biby, zava-maniry, sns, arakaraka ny fampianarana sy ny finoana) sy mahatonga azy hanana saina.

Maro dia maro ny fanehoana ara-tandindona na am-panoharana ny fanahy, maro toraka izany koa ny zavatra inoana momba azy. Ahitana izany rehetra izany ny ankabeazan'ny sivilizasiôna araka ny hita amin'ny fiheverana ara-pivavahana, ara-pilôzôfia, ara-psikôlôjia, na araka ny angano sy ny fahalam-bahoaka.

 

AMBIROA

Ny ambiroa, araka ny finoan-drazana malagasy, dia singa ara-panahy izay inoan'ny Ntaolo malagasy fa maharitra aorian'ny fahafatesana. Mety hialan'ny ambiroany vetivety ny olona iray ka hanjary ho verivery hevitra na verivery tadidy. Miverina ao amin'ny olombelona ihany ny ambiroa rehefa avy niala tao. Ny tsy fiverenan'ny ambiroa dia miteraka fahafatesana. Azo atao araka izany ny manala ambiroa na mampody ambiroa ny olona iray.

 

AVELO

Ny avelo, araka ny finoan-drazana malagasy, dia karazana fanahy ambanimbany tsy dia maharitra ela Ioatra aorian'ny fahafatesana, izay azo heverina ho fototry ny hery mahavelona fotsiny ny olombelona na ny biby.

 

ANGATRA na LOLO

Ny angatra dia fanahin'ny olona na biby maty, izay misehoseho manodidina ny tontolon'ny velona. Fisehoan'ny fanahin'ny olona maty -na biby koa aza- izay mihelohelo manodidina ny velona, ary mety ho hitan'ny velona mihitsy aza, indrindra amin' ny tarehin'ny afo, ny angatra.

 

OHABOLANA MOMBAN’NY FANAHY

Ireto avy ny ohabolana mahakasika ny fanahy voaangona hatreto :

- Aleo kely fanahy sitrak'olona, toy izay be fanahy maty foana.

- Aleo ny andriana lozabe toy izay andriana malemy fanahy.

- Aleo ratsy tarehy ka tsara fanahy, toy izay tsara tarehy ka ratsy fanahy.

- Ao ny be fanahy maty foana; ao ny kely fanahy sitrak’olona; ao ny tsy tiana, fa manana; ao ny hala, fa malahelo.

- Ary vatana fa tsy ary fanahy.

- Aza mikoba-drano marivo, ka mahavery fanahy ny tsikovoka.

- Aza misatry fanahy am-pandosirana, fa ny tena ihany no ho trany.

- Boka nandray tanana: ny fanahy misy ihany, fa ny tanan-kandray no tsy misy.

- Ny fanahy no maha olona.

- Fanompoan'ankotralahy, ka ny marary manao izay ho vitany, ary ny tsara fanahy mamono masoandro.

- Fotsifotsy fanahy toa takatra ka ny tain-kary avy no anaovan-trano.

- Fo tsy voalefitra, mitondra nenina, fanahy tsy voatsindry, mitondra loza.

- Ny malemy fanahy tratra am-parany.

- Manao fanahin-tsokina: raha mahazo zavatra dia mivonkina.

- Mitoto vary diavolana, ka maka fanahy ny akoho.

- Ny hery tsy mahaleo ny fanahy.

- Ny mpanjaka lozabe, mahatahotra; malemy fanahy, mahamenatra.

- Ny tarehy ratsy no tsy azo ovana, fa ny fanahy ratsy azo ovana.

- Ny zaza fito tsy mahafehy trano: fa ny fanahy fito no mahafehy trano.

- Sadikan’ny fanahy ny tena: ny manao azy ihany no hodidininy.

- Sobika rindra notampenan-kerana: ny azy fanahy iniany.

- Valala voatango, ka very fanahy mbola velona.

- Voalavo mandositra andro: mahin'ny fanahy ratsy natao halina.

- Voalavo mihazakazaka alina: tsy ny lalana no mahamaika, fa ny fanahy ratsy atao andro lava no mahamaody.

Misaotra indrindra anareo tonga aty amin’ny farany.

 

Ity misy tononkalo nosoratan’i Ahy, atolotro anareo :

F A N A H Y

Fantro fa ho velona fona enao

Ary tsy hotapitra ny lalanao

Any akotra tsy misy mahita

Izay itoeran'olo maro niampita

 

Lazain’ny maro koa hoe fa tsy miverina intsony ianao ry fanahy.

Ny antokin'ny tsy iverenanao dia efa taratra ahiahy !

Fanahy any anaty

Ravan’ny fahafatesana mifafy

 

Herim-panahy any ankotra

Ny lanjam-panahy misandotra

Tsy hita itsony

Fa otrany rava hatramin'ny voany

Manganohano tsy afaka miseho

Rehefa lasa ny fanahy...

AHY

05/07/2009

Mis à jour ( Dimanche, 19 Mai 2024 10:43 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024