]
Les quotidiens du 02 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

Sary lehibe kokoa eto

N’iza n’iza tonga eto amin’ity tany fandalovana ity dia natera-behivavy daholo. Na ireny resaka « in vitro » ireny aza, dia tsirin’ainam-behivavy nampidirana ao amina vehivavy hitondra azy mandritra’ny sivy volana eo ho eo (« mère porteuse »). Izany ny lalànan’ny Natiora. Ny sisa ambiny rehetra dia rendrarendran-draolombelona mihevi-tena ho andriamanitra kely latsaka an-tany. Tsy misy masolo ary hahasolo izany Reny izany na ny IA (« Intelligence artificielle ») andrandraina io aza.

Toa ireo ankamaroan’ny olombelona velona nahatratra ny omaly Alahady 26 May 2024, andro nankalazana ny Fetin’ny Reny (misy maherin’ny 8 miliara ny olombelona maneran-tany), dia manana na nanana Reny daholo. Anisany aho. Ary ho antsika tsirairay dia olona tsy manam-paharoa ny Renin-tsika tsirairay. Fa firy moa no mba nanaraka ireo anatra izay tsy maintsy nataony ? Ka ny voalohany dia : « Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo » izay ao amin’ny Baiboly (Efesiana 4 :26). Ny fatahorana an’Andriamanitra no lesona voalohany azonay zanany rehetra.

Io sarin’ny mamanay io dia manana ny lanjany be mihitsy aminay zanany, ary amiko manokana, ary mampiseho ny mahatsara fanahy an’ny mamanay ny fitsikiny. Inona ny antony ?

Tamin’ny taona 1967 io sary io no nalaina teny Ambohidratrimo teny. Izany hoe 57 taona lasa izay raha ity taona 2024 ity no raisina. 2024-1967=57.

Tamin’ny 07 Aogositra 1920 io mananay io no teraka ary tamin’ny 17 May 1977 izy no nandao ity tany fandalovana ity. Izany hoe teo amin’ny faha-57 taonany satria 1977-1920=57.

Azo atao fa tsy tratra antitra izy. Satria ny zafikeliny voalohany, Mumu, izay monina any ivelany, dia 57 taona amin’izao taona 2024 izao. Mino aho fa fantatry ny mamanay izany, nahatonga azy naka sary foana isaky ny tonga io datin’andro nahaterahany io, nanomboka ny faha 45 taonany.

Izaho, Jeannot Ramambazafy, dia 70 taona amin’ity taona 2024 ity. Fa tsaroako daholo ny anatra sy ny fananàrana azoko avy tany aminy, ary voatahiriko ao an-tsaiko sy ampiariko andavanandro hatramin’izao ny toetrany nolovaiko dia ny fitiavana ny hafa (« Altruisme »).

Eo anivon’ny fianakaviana dia mbola misy ireo vavolombelona (ara-bakiteny tokoa), no mahatadidy an’i Mama Jeanne. Raha misy olona tsy mba nanana izany fahavalo izany dia io mamany io no any an-dohan-dalaharana. Eny, na rehefa maty moa vao Ra-malala daholo, afa-tsy any amin-dry zareo kreôla (« créoles ») ...

« Sage-femme » tao Befelatanana no asan’ny mamanay ary nanambady ny rainay Dokotera. Ny dikany ? Mikarakara sy mamonjy ny karazan’olona rehetra tsy ankanavaka no lahasan’izy mivady. Tsy nampianarina hanavakavaka mihitsy izahay zanak’izy mivady, na fiaviana, na finoana, na farim-piainana aza. Nanokatra ny « Frison Coiffure » izy izay teo Ambatonilita Isoraka. Rava tsy misy intsony ny trano nisy izany amin’izao vaninandro izao. Ny taona 2019, nisy olona izay nifankahita tamiko, tao Paris, ary anisan’ny niasa tao amin’io toerana fanaovam-bolon’ny mamanay io. Tadidiny tsara na ny mamanay na izaho.

Fady aminay izany manambany, manilika, manaratsy ny hafa izany. Alavirina tanteraka ny fiavonavonana, tsy mitondra mankaiza, ary samy ratsy na ny manambony na manambany tena. Torak’izany koa izany hoe miditra antoko politika izany. Fady aminay. Manampy ny azo ampiana sy miaro izay tokony arovana no antom-piainan’ny mamanay. Raha hoy ny papanay (1919-2003) : « Tsy voatery manao politika no hafahana mampandroso ny firenena », hoy kosa ny mamanay : « Manary daholo izao rehetra izao eto amban’ny masoandro, fa ny fianarana tsy manary izany mihitsy ary ny soa atao levenam-bola ».

Ireo no isan’ny lova navelany taminay sy tamiko manokana fa tsy fanozonana taranaka toa ny fanaon’ny sasany eto amin’ny Facebook eto velively. Mandany ny andro kely sisa hiainana amin’ny fanaratsiana, fankahalana sy fampiadina olona, ary miantso loza mihitsy aza.

Adinon’izy ireo fa indray mi-pimaso dia veloma mandrakizay ity tany fandalovana ity. Olona iray ve no tsy tiana dia mahavita mamorona ny tsy misy mihitsy no atao anton-draharaha ? « Ny nenina any aoriana foana no mandatsa », hoy Maman izay, 104 taona raha mbola velona teo. Ny feon-kira tena nankafiziny ? « Petite Fleur » an-dry Claude Luter sy Sydney Joseph Bechet mpitsoka « clarinette », noforonina ny taona 1952.

Ireto ny tonon’izany hiran’ny mamanay izany ary marina fa toa io « voninakazo kely » io izy : tsy mety maty ao an-tsaina sy ao am-po mandrakizay.


PETITE FLEUR

J'ai caché
Mieux que partout ailleurs
Au jardin de mon cœur
Une petite fleur
Cette fleur
Plus jolie qu'un bouquet
Elle garde en secret
Tous mes rêves d'enfant
L'amour de mes parents
Et tous ces clairs matins
Faits d'heureux souvenirs lointains

Quand la vie
Par moment me trahit
Tu restes mon bonheur
Petite fleur

Sur mes vingt ans
Je m'arrête un moment
Pour respirer
Ce parfum que j'ai tant aimé
Dans mon cœur
Tu fleuriras toujours
Au grand jardin d'amour

Petite fleur

Prends ce présent
Que j'ai toujours gardé
Même à vingt ans
Je ne l'avais jamais donné
N'aies pas peur
Cueillie au fond d'un cœur
Une petite fleur
Jamais ne meurt

Paroles originales en français : Fernand Bonifay et Mario Bua

Chanté par Mouloudji

Mis à jour ( Lundi, 27 Mai 2024 18:03 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...