]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

Araka io afisy hitanareo eo ambony io dia ny sangan’asan’i Therack no anisan’ny ho hirain’ireo mpihira kalaza manana ny maha-izy ary ireo. Raha fantatra izany anarana Therack izany, vitsy dia vitsy no mahalala ny tantarany satria vitsy ihany koa ireo mpahay Tantara mba nanaraka ny fiainany. Tsy omen-tsiny. Ataoko vain-dohan-draharaha eto ary ny mampahafantatra an’i Therack izay iray fiaviana amiko raha avy any amin’ny raiko.

Tena sarotra dia sarotra tokoa no fikaroana momban’i Therack. Fa, araka ny lazaiko ombieny ombieny : rehefa mitady dia mahita ary matoa tsy hita dia satria tsy mitady.

Ny fotoana nandalovan’i Therack tety an-tany aloha dia tena manjavozavo. Ny fianakaviana ihany no tena mety hahalala, ka hanitsy sy hanampy ny voasoratro, amin’io fampisehoana amin’ny 27 Oktobra 2024 io. Ataoko fa fomba izany.

Raha voalaza fa teraka teo anelanelan’ny taona 1870 izy 1930, izany hoe teo anelanelan’ny taon-jato faha-19 sy faha-20, dia tsy fantatra ny tena andro nandaozany ity tany fandalovany ity. Ramamonjisoa Teraka no tena anarany marina sy feno. Zanaky ny Andriana Jean Baptiste Ramiaramanana sy Elisabeth Razanamasy izy.

Tsy dia fantatra loatra ny fotoana namoronany hira sy tonon-kalo ka nisalorany ny anarana hoe THERACK. Fa nanambady an’i Geneviève Rasendrasoa ary niteraka fito vavy roa lahy izy mivady. Dia : Odette Rasoavololona, Irma Ramamonjisoa, Perline Ramasiarimanana, Véronique Ramamonjisoa, Angéline Ramamonjisoa, Aimée Ramamonjisoa, Hubert sy Aurélien Ramamonjisoa.


Raha ny mpiray tam-po amin’i Therack indray dia : Joseph Ramanakamonjy, Félix Ranaivo, Rabezezika, Emmanuel Rakotomena ary Rasoazanamasy Ramiaramanana. Amin’ireo rahalahiny ireo dia i Joseph Ramanakamonjy (1897-1984) no mba fantatry ny Malagasy.

Mpanao hoso-doko namorona ny hoe « art mimétique » i Joseph Ramanakamonjy. Izany hoe fangalana tahaka ny fiainana andavanandro hita maso ankapobeny ao anatina tontolo natioraly no ataony hoso-doko.


Nanahirana no nitady ny sarin’i Therack ary tsy nahita mihitsy aho fa dia io amin’ny afisy io izany izy. Tsy fantatra tamin’ny taona firy izy io no nalaina, fa raha ny fitafy aloha dia tamin’ny taona jato faha-19 nahatongavan’ny vazaha : palitao « croisé » misy « pochette » ; manao fehitenda, somizo misy « boutons de manchette » ; pataloha velon-drirana, kiraro mainty mangirana be.

Raha ny sanganasan’i Therack indray dia mino aho fa fantatrareo, ireto, fa misy hafa : « Izaho anie ravorona », « Ny eo akaikinao sombinaiko », « Vorompotsy »

Raha raisina ny hoe « ny teny mandalo fa ny soratra mitoetra », dia ireo atolotro anareo ny tonon-kiran’ny asan’i Therack. Dia ho gaga ianareo satria efa renareo ireo hira telo ireo, tany ho any…


IZAHO ANIE RAVORONA

Izaho anie ravorona, te-hiaraka aminao
hikopakopak’ elatra, hihira sy hilalao
raha tsy eo anilanao, dia tonga manirery

izaho anie ravorona, tomany samirery.
ny hirahiram-poko, dia toy ny voninkazo
angolangola ihany, toa rano an-tanam-bazo

kanefa anie ny foko, misento lavitra any
ny ventsoventsom-pahoriana, sao mba reny ihany.


NY ETO AKAIKINAO SOMBINIAINA

ndrematoa o, izany foko lasanao
tsy miova, tsy mivadika anie aho, sombinaiko
fa fitia varo-maty matokia
ny miova sanatria.

ny eo akaikinao sombinaiko, no mba tiako
fiangolana, fitosiana
eo ihany no ifalifaliako

afaka eo izany sento tomaniko

 

ny eo anilanao re ry aiko tsy adinoko

ho tadidy mandra-maty

fa vita sary ato an-tsaiko

ny eo akaikinao, izany havako izany


VOROMPOTSY

 

 

’Zany tiana, ka ny tiako dia hitako ihany
O re  roy e, tsy miova, tsy mifindra
Miara-mamindra, miangola, mitositosy
Eo anilan’ny tiana, eo akaikin’ny lala

Vorompotsy miara-dia
Vorondreo tsy mifanary
Voromanga mahalala havana
Miara-dia, miara-dia, miriaria

Mba tohano, mba tantano raha mila hirona
O re roy e, ento mora, ento mora
Miara-mamindra, miangola, mitositosy
Eo anilan’ny tiana, eo akaikin’ny lala

Vorompotsy miara-dia
Vorondreo tsy mifanary
Voromanga mahalala havana
Miara-dia, miara-dia, miriaria


T H E R A C K ( RAMAMONJISOA TERAKA)

Izay ry mpamaky hajaina, ka dia amin’ny 27 Oktobra 2024, eny amin’ny Havoria Anosy ny fotoana e ! Jereo ny afisy.

Jeannot RAMAMBAZAFY – 30 Septambra 2024

 

 

Mis à jour ( Mardi, 01 Octobre 2024 07:43 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30