Ny Filoha Andry Rajoelina, miarahaba ny Tale Jeneralin'ny Jirama, Ron Weiss. Eo afovoany, Olivier Jean-Baptiste, minisitry ny Angovo
« Izaho, Président de la République fa tsy mpiasan’ny Jirama », hoy ny Filoha ny Alahady 10 Novambra 2024 tao amin’ilay fandaharana manokana mikasika ny olan’ny jiro sy rano eto Antananarivo indrindra indrindra. Marina izany, Tompoko, fa dia mbola ny Tale Jeneraly -izao vaovao- indray ve no hametra-pialana fa ry Tale isany, tena tomponandraikitra mpanatanteraka MIVANTANA dia mbola higoaka karama be, fiara raitra sy tsy fandoavana jiro sy rano ? Nefa izy ireo mihitsy no rangory fototry ny afo ? Fa ny vahoaka aloha izao tena mba miandry sy manantena mihitsy fa ho voasazy ny tena niaviany sy mbola hiavian’ny fanafintohinana. Fa tsy hoe vita vita amin’izao. Mba aoka kosa izay ny « impunité ». Tsiahy.
Nanomboka tamin’ny tapaky ny volana oktobra teo dia tena efa ho 12 ora amin’ny 24 ora ny fahatapahan-jiro teto Antananarivo sy ny manodidina. Tsy « délestage » izany, tompoko, fa « sabotage » ! Mbola nanampy trotraka ny filazan’ny Filoham-pirenena fa tamin’ireo toerana nisy be mpifidy azy (Ankasina, Itaosy, 67 ha…), dia nisy ny « délestages » mbola tsy fahita hatramin’izay niainana…
Fa izao aloha ny zava-nisy marina mahavariana aho, eo amin’ny tsy fanasaziana ny tena tomponandraikitry ny fidinan’ny olona eny an-dalambe noho ny fahatampahan-jiro lavareny sy mamely tampoka ka manimba fitaovana maro :
Ny 30 Oktobra 2024 dia nidina ifotony tena Ambohimanambola ny Filoha Andry Rajoelina ary nazava ny toro-marika nomeny : velomina ireo milina makadiry atao hoe TAC na « Turbines à Combustion » izay mampiasa solika mba hampihenana ny « délestages ». Eny, na dia tsy maintsy handoavan’ny fanjakana 9 lavitrisa ariary isam-bolana aza mandritran’ny adiny dimy isan’andro. Fanampin’izany dia nanome toro-marika mazava koa ny Filoha Rajoelina fa velomana daholo koa ireo « groupes électrogènes » mandeha amin’ny solika mavesatra (« Fuel lourd »). Izany dia hafahana mampiena ny fahatapahan-jiro hatramin’ny 80% ka hafahan’ny jiro hirehitra sy ny herinaratra handeha foana ao anelanelan’ny amin'ny 6 ora hariva hatramin’ny 10 ora alina.
Nanampy izany vahaolana tena matotra izany ny fanamboarana orana tsy ara-voajanahary (« pluies artificielles ») rehefa afaka manao izany. Kanefa io vahaolana io dia miankina amin’ny toe-trandro. Raha mikasika io orana tsy ara-voajanahary io dia hiaraha-mahita sy mahalala hatramin’izao fa dia miakatra hatrany ny mari-pana ka tsy misy rahona firy ny lanitra afahana manatontosa izany. Raha tsotsorina dia asiana sira ny rahona dia milatsaka ny orana. An? Fa ahoana ?
Fanazavana : Ny rahona, ho an’izay tsy mahalala dia vondrona piti-drano kely bilitika miantona eny an-danitra eny. Ireto avy ny anaran’ny rahona, manaraka ny Abidy, ho an’izay mangetaheta fahalalana : altocumulus, altostratus, cirrocumulus, cirrostratus, cirrus, cumulonimbus, cumulus, nimbostratus, stratocumulus ary stratus.
Rehefa mifanehitra amina tso-drivotra mangatsiaka ny rahona dia mivaingana ireo piti-drano ary miha-lehibe sy miha-mavesatra. Ka rehefa tsy afaka mitsingevaheva eny an-danitra intsony dia miara-mirona mianjera ety an-tany. Ireo, Tompoko, no atao hoe ORANA (« pluie, rain »). Rehefa mibaliaka izany ny masoandro sy tsy misy rahona dia aza manantena izany orana izany satria ny mari-pana miakatra hatrany, vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro avy amin’ny adalan’ny zanakolombelona ihany : doro-tanety, fanimbana ny ala voajanahary, setroky ny fiara, setrok’ireo orinasa…
Fa na eo aza izany, velom-bolo ny daholobe -ankoatran’ireo mpanohitra mbontolo tsy ampy fahalalana- naheno izany vahaolana izany. Ary inona tokoa fa nanomboka nihena ny « délestage ». Indrisy fa andro telo na efatra monja taorian’ny toro-marika nomen’ny Filoham-pirenena, vao mainka nitombo ny fotoana tsy fisian’ny herinaratra, indrindra eny amin’ireo fokontany be mponina indrindra, be asa toa ny fanaovana « soudure », fanaovana « coiffure », fivarotana trondro na « poissonneries » … Tsy lazaina intsony ny fitaovana simba noho ny tranga toa misy olona manapika dia mampirehitra « interrupteur ». Ary averiko : tsy « délestage » izany, tompoko, fa « sabotage » !
Eto aho dia mitodika manokana any amin’ingahy Siteny Randrianasoloniaiko, lehiben’ny mpanohitra ara-pomba ofisialy ao amin’ny Antenimieram-pirenena. Efa tsy misy tranon-kenatra intsony ingahy io taorian’ny filazany fa « 2% ny vintana hampisy ny Jeux des îles de l’océan Indien ». Io ambany io no porofo nivoaka tao amin’ny gazety « Midi Madagasikara ».
Tontosa hatrany amin’ny farany ny Lalaon’ny Nosy 2024, Tompoko. Fa inona ? Iny indray izy fa nirotsaka nanantena mafy fa ho lany Filoham-pirenena. Tsy « badraôdra » (fitenin’ny Profesora Zafy io), ny vahoaka malagasy. Na dia resiny aza ireo filoham-pirenena roa teo aloha sy niverina ny vola « caution » napetrany dia tsy lany izy. Io ambany io no zava-bitany.
Amin’izao olan’ny herinatra sy rano izao tsy maty am-bavany hatrany ingahy Siteny mampiseho andro aman’alina fa tena fankahalana no mibaiko azy, ka hitondra azy any an-davaka amin’ny ora sy fotoana tsy misy hanampo na izy na izaho na ianao. Fa tsy maintsy hiseho…
Hoy mantsy ny Filoha Andry Rajoelina, mikasika ny olana eo amin’ny rano : « Tsy azo atao intsony ny manondraka zaridaina sy bozaka amin’ny ranon’ny Jirama ». « Efa nametraka toro-marika aho, ho an’ny rehetra, fa mila mahay mitsitsy koa isika rehetra. Ka ireo villa rehetra, ireo olona izay mampiasa, manondraka zaridaina, mandany rano amin’ny tsy tokony hampiasaina, dia eto aho miteny hoe : efa nisy décret noraisina, arrêté noraisin’ny ministera hoe : tsy azo atao ny manondraka ny bozaka, tsy azo atao ny manondraka zaridaina, fa aleho ampiasain’ny olona satria ao anaty villa anankiray anie (…), rehefa manondraka zaridaina dia mandritran’ny adiny dimy.Nefa iny rano nanondranany zaridaina iny efa ho ana fokontany anankiray. Ka raha misy villas zato izany eto, na sivy amin’ny zato, dia ho ana fokontany sivy amin’ny zato (…) ».
Avy hatrany dia nampiaka-peo indray ingahy « Lehiben’ny mpanohitra » ka nilaza izao, mikasika io fitsitsiana rano io : « Amin’ny tany Repoblikana sy Demokratika rehetra, na ny Mpitondra mahita vahaolana na ny Mpitondra mametra-pialana manoloana ny tsy fahombiazana azo tsapain-tanà na toy izao ».
O r’ingahy « Lehiben’ny mpanohitra o » ! Sady vazaha ny vadinao no tsy fantatrao ve fa any Europe dia manana lalà na daholo ny firenena mpikambana ao, mikasika ny fitsitsiana io rano fisotro (« eau potable ») io, rehefa fotoan’ny « canicule » sy « sècheresse » na hain-tany be ?
Solombavambahoaka moa ka vao mainka tsy hanakombona ny vavany ingahy Siteny. Enga anie ka tsy rediredy toa izany mandritran’ny dimy taona. Saingy mazava e ! Tsy misy tranon-kenatra intsony mihitsy Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko ka ho lasa tsy hiteny intsony ny fanampinarany raha misy ny fahagagana…
Amin’izao fotoana hanoratako izao, manakaikin’ny amin'ny 9 ora sy sasany alina, dia mbola misy hatrany ny jiro mipika kely dia mirehitra. Fa dia tsy ho sahy mihitsy ve ingahy Ron Weiss hanasazy ireo tena Tale tomponandraikitra mivantana e !
« Asian-tsika fepetra, ny amin’ny fomba fitantanana ». Ny fitantanana ao amin’ny Jirama no tian’ny Filoha Rajoelina resahina. Nampiany mihitsy fa « ny toro-marika nolazaiko dia mazava. Kanefa nisy fanontaniana napetrako fa tsy nazoanay valiny, amin’ny maha-solontenan’ny vahoaka ahy, satria tsy maintsy arovana ny fiharian’ny olona tsirairay avy ».
Hoy izy avy eo : « Ny zavatra nisy anie dia nisy tsy rambiny e ! Niniana natao ve ? Sa tsy fahaizana miasa ny zavatra nataon’ny tao amin’ny Jirama ? Aleho hazava tsara fa izaho anie Filohan’ny Repoblika fa tsy mpiasan’ny Jirama, tsy minisitra. Misy tomponandraikitra ary mbola misy an-tanan-tohatra maro ao. Rehefa manome toro-marika ny Filoha, dia tokony mijery ny hanatanterahana azy. Teneno amin’ny vahoaka ny marina ! Fa tsy nisy niteny ».
« Ny zava-marina dia izao ny zava-nitranga. Nidina teny tokoa aho, niaraka tamin’ny mpanao gazety, fa ny zavatra nisy, izaho nidina tany io hoe tokony tsy misy « délestage » intsony, efa nanoratra tany amin’ny Jirama, tany amin’ny tomponandraikitra ny Galana Raffinerie, Terminal (ao Toamasina) izay mitahiry ny solika, nilaza hoe : izahay dia tsy hiasa fa « congé » ny zoma 1 sy ny sabotsy 2 (novambra io), fa mba praogrameo ny afahanareo maka ny solika. Fa tsisy taitra, tsisy rototra ; tsy mandefa « communication », tsy misy « anticipation » na hoe fijerena mialoha ny zavatra mety hitranga ».
« Inona ny zavatra nitranga ? Tsy nisy solika naterina teto Antananarivo nahatonga ireny délestages lavareny tamin’ny alatsinainy (4 novambra). Izany hoe : ahoana moa, efa nanome toro-marika nefa tsy narahana ? Zavatra olana ary ilaina fanarenana, fanamboarana ny fomba fiasa eo anivon’ny Jirama. Nitohy iny délestage iny ny alatsinainy. Ny talata aho mbola niara-nivory tamin’Andriamatoa minisitra sy ny Dg-ny Jirama, nanontany hoe : fa maninona no mbola misy délestage ? Fa ny zavatra tena nahagaga sy nampahametraka fanontaniana dia hoe : rehefa tsy ampy ilay herinaratra vokarina dia tsy maintsy misy ny « coupures volontaires », hoe tapahana ery amin’ny quartier ery, tapahana ary amin’ny quartier ary ».
Hajanoko eo ny zavatra nambaran’ny Filoha Rajoelina tao amin’ny Rvm sy Rnm ny alahady 10 novambra 2024 lasa iny.
Fa anjarako kosa no mametraka fanontaniana eto. Andriamatoa Andry Rajoelina : Filoham-pirenena tokoa ianao ary tsy mpiasan’ny Jirama ka tsy anjaranao no manasazy mivantana ireo tomponandraikitra tsy naka andraikitra fa vao mainka nampirehitra afo. Io ambany io ary ny « organigramme » na ny fipetraky ny toeran’ireo tomponandraikitra ambony ankapobeny ao amin’ny Jirama, nivoaka tamin'ity taona 2024 ity.
Iza avy no tokony efa nosaziana ? Ny marina dia tokony ny Tale jeneraly, Ron Weiss, no efa nandray andraikitra. Ary raha nihaino tsara ireo fanambaran’ny Filoham-pirenena dia ny DIRCOM (« Directeur de la Communication ») no esorina satria tsy nanao… « communication » mikasika ny « congé » an’ny Galana efa nampilaza mialoha. Tokony nesorina ihany koa ny DGOP (« Directeur général des Opérations »), mpanome ny toro-marika, sy ireo DPEL (« Directeur Principal Electricité ») sy DPO (« Directeur Principal Eau »), mpanome baiko mivantana ireo mpiasa mikirakira ny « interrupteurs ».
Satria mantsy, raha avela amin’izao ny raharaha (« ny jiro aza miverina tsara »), ka tsy misy olona voasazy mihitsy dia hanjaka hatrany ny tsimatimanota (adikako amin’ny « Impunité » eto) ary tsy ho to-teny intsony ny Filoham-pirenena. Ary ny hitranga aoriana ao dia vao mainka ho loza satria tena hanao izay tiany ireo tomponandraikitra maty eritreritra tia tena tia kely fa tsy tia tanindrazana sy mpiray tanindrazana ireo.
Ary raha ilay Tale jeneraly vaovao ho esorina, dia hitohy io resaka « sabotage » io. Misy mpiasa vonona ao, efa niasa ela ao fa bahanan-dry « mahitahita » hatreto. Ka hoy aho hoe : mba aoka kosa izay e ! Sa mbola ho velom-panontaniana hatrany ny vahoaka malagasy maro an’isa hoe : Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy, araka ny lohatenin’ity lahatsoratra ity ?
Diniho tsara anie fa rehefa avy nanao fikaroana aho dia izao : raha migalabona any amina toerana tsy fantatra ingahy Rivo Radanielina nanao marary sandoka (« faux malade ») dia nanjavona -hatramin’izao-, ingahy Vonjy Andriamanga kosa dia tena « enjana » e ! Jereo io ambany io ary tsy mila mahay teny frantsay be fa miasa ho any Europe sy France izy amin’ny resaka fitsinjarana etona ao amin’ny orinasa GRDF na « Gaz Réseau Distribution France ». Nefa anie karohina izy eto Madagasikara e ! Hihomehy ianao sa hitomany ? Io ambany io aloha no tena hoe TSIMATIMANOTA ary toa tena tsy misy eritreritra atahorany hanenjika azy. Ho hita eo...
Koa raiso ny andraikitrao, Andriamatoa Ron Weiss, fa ny Filoham-pirenena malagasy nanendry anao no nanome toro-marika fa tsy nanaraka ireo tomponandraikitra mivantanana eo amban’ny fahefanao. Vitanao no nanarina ny jiro sy rano tao Rwanda, izay lasa firenena afrikana anisan’ny nandroso ao anatin’ny 30 taona. Marina fa firenena kely io raha oharina amin’i Madagasikara. Fa olom-bitsy ireo manimba azy raha oharina amin’ny Malagasy 32 tapitrisa mahery.
Ary dia miandry izahay ny fiantsoanao ny mpanao gazety hanambaranao, toa ny nataon’ny Filoha Rajoelina, fa i Anona sy i Anona dia naato tamin’ny asany satria tsy nanatontosa ny asa sahininy eo anivon’ny orinasa Jirama. Dia avelao indray hampiaka-peo ry sendikalista ho hita eo. Fa ny fantatro koa aloha dia ny toerana hifandambiasana fa tsy hifandimbiasana toa ny ataon-dry Profesora isany, mikasika ny tranom-panjakana eny amin’ny Cité des Professeurs ao Ankatso sy ny manodidina ary eny Manakambahiny… Tantara hafa koa io.
Farany fa resaka Jirama ihany. Ny toerana ve no mahalasa mampanaonao foana sa ny toetra no miandry kendry tohana ? Iza no tsy mahalala an'i Lita Rabetsara, mpitolona ho an'ny zon'ny mpanjifa eto Madagasikara ? Ary Filohan'ny RNDC na « Réseau National de Défense des Consommateurs » izy. Ny 18 septambra 2019 ary ingahy Lita dia voatendry ho mpikambana ao amin'ny Filan-kevim-pitantà nan'ny Jirama. Nanao dingana lehibe izy ho an'ny fiarovana ny zon'ny mpanjifa. Saingy...
Izao no fandehan'ilay raharaha niseho tamin'ny faran'ny volana Febroary 2024.
Mpiasa miisa 18 no niakatra teny anivon’ny PAC (« Pôle Anti-corruption »), ka misy 3 no nahiditra am-ponja avy hatrany ka anisan’ireo i Lita Rabetsara, mpikambana ao amin'ny Filan-kevim-pitantà nan'ny Jirama, izay notendrena 18 septambra 2019, araka ny efa voalaza eo ambony. Ny iray mpandrindra ankapobeny any amin’ny Faritra, ary ny fahatelo farany dia ny mpivarotra fitaovana mampiasa herinaratra.
Resaka hosoka sy fampiasana hosoka nividianana « groupes électrogènes » ho an’ny Distrikan’i Manja sy Ambovombe no vesatra hanenjehana azy ireo. Fa voarohirohy ho nanodikodina volam-bahoaka, nanararao-pahefana ary nanao kiantranoantrano ihany koa.
Hatreto aloha dia mbola tsy nisy ny didy nivoaka momba ireo olona voarohirohy ireo. Fa matoa izy ireo nalefa any am-ponja dia... ao raha. Fa io tranga io aloha dia mampibaribary (indray) fa manjaka ny afera sy fitantanana tsy mahomby, izay mitondra mivantana any amin'ny fahalavonan'ny orinasa Jirama tanteraka.
Ho an'iza ny tombonsoa ? (« à qui profite le crime ? »).
Jeannot RAMAMBAZAFY
Antananarivo, 12 Novembra 2024