]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

Ny Kardinaly Farrell no nanao izao fanambarana izao androany 21 avrily 2025 maraina :

“Ry rahalahy sy anabavy malala, amin’ny alahelo lalina no tsy maintsy anambarako aminareo ny fodiamandrin’ny Ray Masina François. Tamin’ny 7 ora sy sasany maraina (ora an-toerana) dia nody any an-tranon’ny Ray ny Evekan’i Roma, François, izay nanokana ny fiainany manontolo ho amin’ny fanompoana ny Tompo sy ny Fiangonany.


Nampianatra antsika hiaina ny soatoavin’ny Filazantsara amin’ny fahatokiana sy ny herim-po ary ny fitiavana maneran-tany izy, indrindra fa ho an’ireo faniranovana sy ireo voahilikilika.

Ary dia nanampy izao Monsenera Farrell : “Amin’ny fankasitrahana lehibe, noho ny ohatra nasehony amin’ny maha-mpianatr’i Jesosy Tompo marina azy, dia mametraka ny fanahin’i Papa François izahay, eo amin’ny Fitiavana tsy manam-petra an’ilay Andriamanitra telo (ny Ray, ny Zanaka ary ny Fanahy Masina) izay iray sy tokana ihany.


Raha tadidin-tsika dia niditra tao amin’ny « polyclinique Gemelli », ao Roma, ny Papa Francois (Jorge Mario Bergoglio), ny 14 febroary 2025, noho ny aretina « pneumonie ». Nivoaka tao izy taloha kelin’ny andron’ny Paska izay nankalazainy niaraka tamina mpino maro be tao Vatican, ny Alahadin’ny Paska 20 Avrily 2025.

Raha tsiahivina, ny taona 2023 dia naniry halevina ao amin’ny « Basilique Sainte-Marie Majeure de Rome » ny Papa François, izay teraka tany Flores, Bueno Aires, Argentina ny 17 Desambra 1936.

Nandika avy amin’ny teny anglisy : Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Lundi, 21 Avril 2025 09:56 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30