]
Les quotidiens du 21 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Antananarivo OMDA. Raharaha tadiavina ny an’i Brigitte Rasamoelina

Antananarivo OMDA. Raharaha tadiavina ny an’i Brigitte Rasamoelina

FIAMPANGANA

Nahatratra fanaovana hosoka sy halatra vitan'ny lehiben'ny sampan-draharaha iraisam-paritry ny OMDA/Toamasina ny Talen'ny OMDA foibe, Haja RANJARIVO, ka nampiato an'ilay mpangalatra tamin'ny asany.

Tsy nankasitraka an'izay fandraisana andraikitra izay anefa ry zareo ao amin'ny Ministeran'ny Kolotsaina tarihan'i Brigitte RASAMOELINA, ka dia noesorin'izireo tamy toerany ny Talen'ny OMDA, fa ny mpangalatra no arovan'izireo.

Tsy vitan'izany fotsiny ihany, fa notorian'ny Ministeran'ny Kolotsaina any amy Polisy io tale io. Ohatran'ny tadiavin'izireo ho gadraina mihitsy!?! Na ny lalàna izay hita ao amin'ny Sata mifehy ny OMDA aza tsy narahin'izireo. (andininy 24: Ny Ministry ny Kolotsaina dia mandefa amin'ny Filankevi-pitantanana izay zavatra tsikariny sy ilaina momba ny fitantanana ara-bolan'ny OMDA... Ny Filankevi-pitantànana dia afaka mangataka ny fidiran'ny mpanao fanadihadiam-panjakana an-tsehatra - Inspection Générale de l'Etat -, raha ilaina).

Io Tale izay noesorina io no tsara ofana indrindra tamin'ireo tale rehetra izay nandalo tao amin'ny OMDA. (Nalefanay niofana tany amin'ny OMPI sy CISAC ary SACEM tany Genève sy Paris, sns sns...). Vokany sy porofo, dia nandroso ny OMDA. Tsy minono amin'ny Ministeran'ny Kolotsaina intsony, izay nitrotro azy 30 taona lasa izay.
94% ny vola ao amin'ny OMDA ankehitriny, dia zon'ny mpamorona voaangon'ny ekipa tarihan'io tale noesorina io. I Haja RANJARIVO izay lasa teknisiana mahay, ka manao kaonferansy momba ny zon'ny mpamorona ao amy Sekolim-pirenena ho an'ny Mpitsara sy Mpiandraiki-draharaha. Mpanao kaonferansy, isan-taona, any amy Sekolim-Pirenena ho an'ny Polisy, any amy Sekolim-Pirenena ho an'ny Zandary, sy ho an'ny mpiasan'ny Fadin-tseranàna.

Ny olona notendren'ny Ministera hisolo toerana azy dia zazavao tsy mahay izay ativilaninay. Tsy mba mpiasa tranain'ny Ministeran'ny Kolotsaina akory, ka tsara hosotra. Fa mpiasa vao nampidirin'io Ministry ny Kolotsaina io tao anatin'ny fotoana fohy naha ministray azy. "Zana-drahavaviny", hono io zazavao io?!...

Aoka tsy ny Ministeran'ny Kolotsaina, izay mametraka vola kely -6% fotsiny- ao amin'ny orinasanay OMDA, no hanampatra fahefana ka hanakenda ny zavakanto Malagasy... Ny ady amy piraty aza tsy ataony./.

Eusèbe JAOJOBY –Mpikambana feno sy mpandoa vola ao aminy OMDA

Mis à jour ( Lundi, 30 Novembre 2015 09:51 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)