]
Les quotidiens du 24 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Andry Rajoelina: "Hanova an’i Madagasikara ao anatin’ny dimy taona..."

Andry Rajoelina: "Hanova an’i Madagasikara ao anatin’ny dimy taona..."

FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

 

LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA - ALAROBIA 21 AOGOSITRA 2019

I - FAMPAHAFANTARANA

TARATASY NATAON’NY FILOHAM-PIRENENA :

« TSY MAINTSY HAFAINGANINA SY HATSARAINA ARY ATAO MIVAINGANA AO ANATIN’NY FOTOANA FOHY IREO TETIKA SY LAMINA REHETRA NAPETRAKA ATRANY AM_BOALOHANY MBA HIPAKA MIVANTANA ANY AMIN’NY FIAINAM_BAHOAKA », HOY NY FILOHAM-PIRENENA:

Hanova an’i Madagasikara ao anatin’ny dimy taona ary hanatratra ny fahatarana nisy teto amin’ny firenena nandritra ny taona maro isika. Io no tanjona voalohany tsy maintsy tratrarina araka ny vina izay efa napetrako.

ATSAHATRA IREO FAHAZARAN-DRATSY SY NY KOLONTSAINA TSY NAHAZOAMBOKATRA.

Noho izany:

Tsy maintsy tanteraka io vina napetraka io.

Tsy maintsy tontosaina amin’ny alalan’ny hetsika sy tetikasa mivaingana ka misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainam-bahoaka sy misy mampivoatra ny andavanandrom-piainan’ny olom-pirenena tsirairay.

Mandroso ny fotoana. Maro ny zavatra andrasan’ny mpiray tanindrazana amintsika.

Nanome toky ny tenako tamin’ny alalan’ny velirano 13. Nampidirina ao anatin’ny politika ankapoben’ny fanjakana izy ireo. Ary anjaratsika araka izay andraikitra nomena sy tandrify antsika tsirairay avy no manatanteraka izany.

Fanamby lehibe no napetraka. Mitaky fomba fisainana vaovao, fomba fiasa vaovao, fanovana fomba fitantanana.

Misy ny fifanohizan’ny fitantanan-draharaham-pirenena saingy tsy tokony hisalasala isika hiroso amin’ny fanovana ho amin’ny tsaratsara kokoa. Ny tanjona dia ny hitady ny tombontsoa iombonana sy hiantoka ny mahasoa ny vahoaka.

Mitaky fialana amin’ireo fahazaran-dratsy sy ny kolon-tsaina tsy hahazoam-bokatra izany, fisarahana tanteraka amin’ny asa alasafay entina hahazoana dera sy tombontsoa miompampana.

Mila manova fomba fiasa sy toe-tsaina isika ary voakasik’izany avokoa ny mpiasampanjakana rehetra isan’ambaratongam-pitantana rehetra.

Ny fampandehanana ny fitantanana dia tsy maintsy mifanaraka amin'ny tanjona napetraka ao amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana.

Ny fitantanan-draharaham-panjakana dia fitaovana iray eo ampela-tanan’ny mpitondra ho entina mampandroso sy manova ary mampivoatra ny firenena fa tsy fikatsahana tombontsoa manokana na olombitsy.

 

MITAKY ASA MIVAINGANA

Nanomboka ny fe-potoana niasako dia efa nambarako ombieny ombieny fa ilaina ny asa mivaingana. Efa nasehontsika izany tamin’ny fahafainganan’ny fanapahan-kevitra noraisina sy ny fanatanterahana ireo asa vita tao anatin’izay enimbolana voalohany izay.

Ireo no nahatonga ny mpiara-miombon’antoka amintsika nanamafy ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Nanao ny fitsidihany voalohany teto amintsika ny filohan’ny Banky Iraisampirenena.

Tamin’izany no nanambarany ny hahazo 100 tapitrisa dolara isika entina hanohanana ny teti-bolam-panjakana. Ankoatra izany, vokatry ny fahavononantsika hahatratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo amin’ny alalan’ny fanovana ny fambolena sy ny fiompiana dia nampitomboin’ny Banky Iraisam-pirenena avo roa heny ny famatsiam-bola ho an’ny fampitomboana ny fambolena sy fiompiana ary ny fiarovana ny fananan-tany (CASEF). Izany dia hahafantsika manome fanamarinana fananan-tany miisa 2 tapitrisa hatramin’ny taona 2022, ny fanamboarana ireo lalana ambanivohitra mba hampifandraisana ireo mpamokatra sy ireo tsena ary hanohanana ny fanatsarana ny vokatra aondrantsika. Eo ihany koa ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana amin’ny famatsiana ny fanamboarana ny RN5-A sy ny firoson’izany asa izany ankehitriny izay mampiseho ny fahavitrihantsika eo amin’ny fanapahan-kevitra noraisina sy ny fampiarana izany ho asa mivaingana.

Ireo fanapahan-kevitra manan-danja roa izay vao nolazaiko ireo dia hanova ny fiainan-tokantrano an'aliny maro. Ny fanamarinana fananan-tany dia hanamora ny fahazoan’ireo tantsaha famatsiam-bola izay hipàka mivantana amin’ny famokarana ary hiaro ny fananam-pianakaviana izay manan-danja lehibe amin’ny kolontsaina sy ny fiarahamonina misy antsika satria lova hoan’ny taranaka faramandimby ireny.

Noho izany misy toromarika maromaro ireto izay tokony ho jerena akaiky:

Fanatanterahana avy hatrany ireo tetikasa ho an’ny taona 2019 araka ny voasoratra ao amin’ny lalàna mifehy ny teti-bola nasiam-panitsiana.

Fandrindrana ireo tetikasa laharam-pahamehana ho enti-manatanteraka ireo velirano ka tohizana ny fanoratana izany ao anatin’ny teti-bola ho amin’ny taona 2020

Fandrindrana tsara ny “Plan Emergence Madagascar” hifanaraka amin’ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana 2020

Fampitomboana ny tahan’ny fampiasam-bola mahakasika ireo tetikasa nahazoana famatsiam-bola avy amin’ireo mpamatsy vola amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fitantana ireo tetikasa miainga avy amin’ny famolavolana, ny fanatanterahana, ny fanaraha-maso ary ny tomban’ezaka.

 

FANAMAFISANA IREO TETIKASA SOSIALY

Ny fanatanterahana ireo tetikasa dia tokony ho azo tsapain-tanana avy hatrany ary mipàka any amin’ny vahoaka mivantana, ao anaty fohy ezaka. Noho izany dia mila

hampitombointsika ireo tetikasa mahakasika ny ara-tsosialy mba hampihena ny vesatry ny vidim-piainana eny anivon’ny vahoaka ary koa hanampy ireo vondron’olona marefo.

Tsy maintsy mametraka politikam-piarovana ara-sosialy mirindra sy milamina tsara isika mba hampilamina ny fiaraha-monina. Mila ampiasaina am-pamendrehana ny famatsiana mitentina 90 tapitrisa nomen’ny Banky Iraisam-pirenena tamin’ny volana martsa 2019.

Io famatsiana io dia hanohana ny fnampiana ara-bola ireo tokantrano marefo.

Ireo fanampiana avy any ivelany dia matetika mifototra amin’ireo andrim-panjakana amin’ny alalan’ny fampiofanana, ny fanomezana solosaina sy fiara ho an’ny fitantanana izay tsy misy vokatra mivantana amin’ny fiainan’ny vahoaka. Manomboka izao, dia tsy maintsy ampiasaina amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa izy ireny: toy ny toha-drano, ny làlana, ny fitaovana fambolena sy fiompiana, ny toera-pitsaboana, ny sekoly. Ireo tetikasa nahazo famatsiam-bola dia tokony hitondra voka-tsoa eo amin’ny toe-karena sy ny aratsosialy.

Tokony hahay hifampiresaka sy handresy lahatra amin’ireo mpamatsy vola isika hisafidy izay tetikasa mahasoa ny vahoaka. Adidintsika no mandroso sy manolotra tetikasa ary miady ho amin’izany.

Ny famatsiam-bola rehetra dia mila drafitra maty paika sy mivaingana ary mifandraika amin’ny PGE.

Araka izany tokony hisongadina ao anatin’ny « Plan Emergence de Madagascar » ny sehatra voarakitra ao anatin’ireo velirano 13. Mila mifampiresaka amin’ny mpamatsy vola ny minisitra tsirairay avy mandresy lahatra, mitondra ny volavolan-kevitra sy tetikasa efa voadinika tsara. Ny fanapahana farany dia ho atao amin’ny Filankevitry ny Minisitra.

Ny fampandrosoana dia miainga amintsika tsirairay. Ary avy amin’ny ezaky ny tsirairay no hahazoantsika vokatra tsaratsara kokoa ary ahafahana manampy ny vahoaka sy mitondra ara-dàlana sy ara-drariny ny firenena ary indrindra makany amin’ny fampandrosoana tena izy.

Handeha lavitra isika fa mila mandeha haingana koa.

Andriamatoa praiminisitra, lehiben’ny governemanta, ramatoa sy andriamatoa minisitra isany, andriamatoa sekreteram-panjakana, izany no anton’izao taratasy izao

Ny Filoham-Pirenena

Andry RAJOELINA

 

NANOME TOROMARIKA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA MIKASIKA IRETO LAMINA SY FANAPAHANA MANARAKA IRETO :

Hisy fandinihana manokana sy tetikady mafonja ny mikasika ny famatsian-drano mba hampifanarahana ny filan’ny mponina sy ny famatsian-drano manerana ny faritra ary indrindra eto an-drenivohitra.

 

II - FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA :

Araky ny volavolan-kevitra naroson’ny fiadidiana ny Governemanta dia noraisina ny didimpanjakana manakatona ny fivoriana tsy ara-potoana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona ny 23 Aogosoitra 2019 amin’ny 04 ora tolakandro avy.

 

III - FANENDRENA

Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam-panjakana ambony ireto :

Araky ny tolo-kevitry ny Ministry ny toekarena sy ny fitantanam-bola :

Atoa RANDRIARIMANGA Henry voatendry ho Lehiben’ny Vaomieram-paritry ny tolotrasam-panjakana ao Alaotra Mangoro.

Atoa RIJAVOLA Herijaona Andriamihaja, voatendry ho Lehiben’ny Vaomieram-paritry ny tolotrasam-panjakana ao Analamanga.

Atoa RAVELOARISON Jean Pierrot, voatendry ho Lehiben’ny Vaomieram-paritry ny tolotrasam-panjakana ao Analanjirofo.

Atoa RAKOTOARINORO Mamy Heriniaina, voatendry ho Lehiben’ny Vaomieram-paritry ny tolotrasam-panjakana ao Androy.

Atoa RAKOTONIRINA Eric Herman, voatendry ho Lehiben’ny Vaomieram-paritry ny tolotrasam-panjakana ao Atsimo Atsinanana

Atoa TATAMIARISOA Hubert Dulong, voatendry ho Lehiben’ny Vaomieram-paritry ny tolotrasam-panjakana ao Atsinanana.

Atoa RIVOMANANTSOA Herijaona Auberlin, voatendry ho Lehiben’ny Vaomieram-paritry ny tolotrasam-panjakana ao Betsiboka.

Atoa RABEMANANJARA Naomy, voatendry ho Lehiben’ny Vaomieram-paritry ny tolotrasam-panjakana ao Boeny.

Atoa RANDRIANTSOA Norohanta, voatendry ho Lehiben’ny Vaomieram-paritry ny tolotrasam-panjakana ao Bongolava.

Atoa RAFANOMEZANTSOA Francis, voatendry ho Lehiben’ny Vaomieram-paritry ny tolotrasam-panjakana ao Diana.

Atoa RAMILSON Zafiandy Amédé, voatendry ho Lehiben’ny Vaomieram-paritry ny tolotrasam-panjakana ao Haute Matsiatra.

Atoa RATOVELOSON Andrivelotovo Harinjaka Henri, voatendry ho Lehiben’ny Vaomieram-paritry ny tolotrasam-panjakana ao Ihorombe.

Ramatoa RANDRIANARIJAONA Hasiniaina Tsimarofy, voatendry ho Lehiben’ny Vaomieram-paritry ny tolotrasam-panjakana ao Itasy.

Ramatoa RAJONSON Zaratiana Finaritra, voatendry ho Lehiben’ny Vaomieram-paritry ny tolotrasam-panjakana ao Menabe.

Atoa BEFOUROUACK Daniel Ghislain, voatendry ho Lehiben’ny Vaomieram-paritry ny tolotrasam-panjakana ao Sava.

Atoa DOKOLAHY Randrianirina Victor, voatendry ho Lehiben’ny Vaomieram-paritry ny tolotrasam-panjakana ao Sofia.

Atoa RASAMOELINA Eric Tiana, Lehiben’ny Vaomiera foibe misahana ny tolotrasampanjakana

 

Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ary ny fanofanana ara-kasa :

Atoa SENDRADILIFERA Eluidoni Masimbonjy, voatendry ho Tale misahana ny Fitantanambola.

Atoa RASOLOMANDIMBY Mahefatiana Philibert, voatendry ho Tale misahana ny Fitantanambola ao amin’ny Office National des Compétences et de la Formation Professionnelle.

 

Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny angovo, rano ary ny akoranafo :

Atoa FIANDRAZA voatendry ho Filohan’ny Filankevim-pitantanan’ny AES na ny famatsiandrano any atsimo.

 

Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fitaterana, ny fizahantany ary ny famatarana ny toetr’andro

Ramatoa RAKOTOARISOA Volanirina Marie Sarah, voatendry ho Tale miandraikitra ny mpiasa.

Atoa RAKOTOVAHINY Liva Jean Luc, voatendry ho Sekretera Jeneraly

 

Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika

Atoa RAZAFINDRAZANAKOLONA Andrianjafimanjato Daniel, voatendry ho Tale Jeneraly mpisolo toeranavonjy maika ny «Institut Supérieur de Technologie» ao Ambositra.

 

IV - FANAFOANANA :

Tapaka nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ireto fanafoanana manaraka ireto :

Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ny fampianarana teknika ary ny fanofanana ara-kasa :

Foana ny didim-panjakana laharana n°2018-927 tamin’ny 01 aogositra 2018 nanendry ny «Coordonnateur Général des Programmes et Projets».

 

Araky ny tolo-kevitry ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina :

Foana ny didim-panjakana laharana n°2019-1256 tamin’ny 06 jona 2019 nanendry ny Talem-paritra ao Matsiatra ambony.

Mis à jour ( Mercredi, 21 Août 2019 18:46 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024