]
Les quotidiens du 24 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Jean Félicien Ratefy. Nindramiko hametrahana hafatra am-pitiavana

Jean Félicien Ratefy. Nindramiko hametrahana hafatra am-pitiavana

Jean Félicien Ratefy

Asa aloha ny fijerinareo mpamaky hajaina fa dia mbola tsy nigadona akory ity volana Novembra 2019 ity dia rahona mainty ny nandrakotra ny tontolon'ny kolontsaina malagasy. Satria tokoa mantsy rehefa nandao an-tsika i Fafah Mahaleo, ny 20 Oktobra, dia nanara-dia azy i Dadah, ny 03 Novambra. Enjana tokoa izany lahatra izany ka nalehoko, androany sabotsy 09 Novambra 2019, nametraka hafatra am-pitiavana amin'ny alalànan'ny fahatsiarovana ny namana iray nahavita be teo amin'ny andro fahavelomany. Araho tsara ny tantara, hoy Dama Mahaleo izay.

Ny Talata 1 Novambra 2017 dia nodimandry ny namana sy zoky mpanao gazety Jean Félicien Ratefy, rehefa nivahiny 73 taona teto amin’ity tany fandalovana ity. Ny nofony dia nentina tao amin'ny EKAR Antanimena ny Zoma 03 Novambra 2017, nisaorana An'Andriamanitra, nialoha ny nitondrana azy ao amin'ny fasan-drazany ao Merimandroso-Ivato...

Ity ny Tantarany nalaina ta amin’ny bokikelin'ny CJD (“Club des Journalistes Doyens”): “Fantaro ireo Mpanao Gazety Zokiolona”.

Teraka ny taona 1944 tany Manjakandriana I Jean Félicien Ratefy.

Nahatontosa ny sampan’asa rehetra ao amin’ny Radio sy Télévision Malagasy.

1964: Nanao concours hidirana ho technicien tao amin’ny RNM Anosy

1968: Niaraka tamin’ireo mpanorina ny Televizion malagasy voalohany teny Antaninarenina. Ankoatry ny maha-mpandray feo (soundman) dia cameraman malagasy voahohany nampian’ireo frantsay koa izy. Nanao sary hoso-doko hatao fond de cadre raha hiseho télé ny speakrine. Nanao fandaharana reportage koa izy, AINA VAO momba ny asa nataon’ny mpianatra St Joseph Mahamasina nankany Ambatomanoina, niasa niaraka tamin’ny tantsaha sy ny 107è Compagnie Service Civique. Izy no nitarika ny Chorale AKON’I IARIVO avy tao Antanimena tamin’ny fandaharana Krismasy voalohany 1968 atao hoe FARIBOLAN’NY ANKIZY, ary mpianany vitsivitsy milalao piano.

1974: Affecté tao amin’ny Discothèque RNM tao Anosy izy.

1975: Nangataka hiasa any Mahajanga izy ka dia niofana ho chef de Centre teny amin’ny Emetteurs teny Fenoarivo. Nandritra ny folo taona niandrasany teny dia nandray anjara tamin’ny fanorenana centre émetteurs maro amin’ny faritany izy.

1985: Niverina tao Anosy izy nanao animateur d’antenne sy producteur ka nanatontosa fandaharana efatra isan-kerinandro amin’ny teny malagasy sy teny frantsay: famakafakana momban’ny mozika musicologie tao amin’ny chaîne 1, SEHATRA sociomusicologie fihaonana, MIKALOA RY TANIKO grapho ethno musicologie ny karazan-kira iarahana amin’ny mpanakanto, tao amin’ny chaîne 2, CHANTE MA VALIHA, ary KALEIDOSCOPE ny vaovao ara-kolontsaina.

1991: Grève National. Nanangana ny SAARM, Syndicat Autonome des Agents de Radio de Madagascar izy, nifampirahahara tamin’ny Praiminisitra Guy Willy RAZANAMASY ary namerina ny mpiasa sy ny RNM tao Anosy rehefa noroahan’ny MMSM ho eny an-dalambe ny mpiasa.

1993: Nangataka hiasa ao amin’ny sampana "Journal parlé" izy, ary dia tsy navela hanao izany tao amin’ny CH 1, amin’ny teny Malagasy, fa ny CH frantsay ihany.

Septembra 2003: Natao Talen'ny RNM izy raha mba hikasa hamita 40 ans tamin’izany asany izany.

Eo amin’ny sehatry ny Mozika.

1953: Nanomboka ho mpitendry orgue niaraka tamindrainy tao Antanimena ST Fr. Xavier.

1954: Nianatra tao amin’ny Ecole Provinciale de Musique de Tananarive.

1959: Nanorina ny Chorale AKON’NY IARIVO niaraka amin’ny mpiray tampo aminy.

1964: nanomboka ny fiainana professionnelle eo amin’ny radio sy ny fampianarana mozika.

1974: mpampianatra tao amin'ny CNEM ("Centre National d’Éducation Musicale").

1978: Nanangana ny sekoly CMR na Cours de Musique Ratefy ao Ankadifotsy hatramin'izao, izay nanandrana ny fifaninanana tany amin’ny CONCOURS PANAFRICAIN 95 de musique tao Afrique du Sud, nanomboka ihany koa tany amin’ny CNR de La Réunion ny Concours PIAN’AUSTRAL 98 izay nitohy isan-taona.

1999: Nanangana ny CONCOURS de LA VILLE DES MILLES, niaraka tamin’ny CUA. Tao Ambohitsorohitra ny andininy voalohany no notontosaina tamin'io taona io. avy eo dia natsangany ny fikambanan’ny API, “Les Amis du Piano” niaraka tamin'i Mireille Mialy Rakotomalala, mpitendry piano fanta-daza maneran-tany, mikaroka momba ny mozika ary ministry ny Kolontsaina sy ny Serasera teo aloha.

2002: Consultant nalefan’ny ministera hanampy ny mpianatra any Seychelles hiatrika ny fanadinana ABRSM na Associated Board of the Royal Schools of Music. Izay efa tafajoro ihany koa eto amintsika eritaona taty aoriana ka misy ny taranja Solfège ary ny pratique.Tsy fifaninanana akory io fa dingana hitsapana ny fahaizana aorian'ny fianarana mozika nianarana ("examen")

2003: Fiofanana tany amin’ny ACADEMIE INTERNATIONAL D’ETE DE NICE.

Eo amin’ny lafiny Sosialy: vao tafiditra erin-taona tao amin’ny RNM dia nanorina ny AMTRAM, Amicale des Techniciens de Radio de Madagascar.

1970: Nanorina ny KAM, Koperativan’ny Artiste Malagasy.

1990: Namorona ny SYMPROMU, Syndicat des Professeurs de Musique.

1991: SAARM, Syndicat Autonome des Agents de Radio de Madagascar. Solontenan’ny FFS, Fiaraha-miasan’ny Foibe Sendikaly tao amin’ny Departemanta Politikan’ny Hery Velona Rasalama. Sekretera Jeneralin’ny Syndicat FMM Antananarivo…

Momban’ny fiofanana :

1987: momba ny COOPEC, Coopérative d’Epargne et de Crédit, nataon’ny Coopération Afro-Américain du travail, tany Maurice.

1989: formation au sein des organisations Syndicales sur le BIT et l'OIT, tany Guinée Konakry.

1992: momban’ny CEE/ACP –PAS tany amin’ny CGT/FO tany Frantsa.


Inona moa no antony nanoratako ity lahatsoratra ity? Vao tamin'ny alakamisy 06 Novambra aho no nandeha nandevina an'i Dadah Mahaleo rehefa avy nandevina an'i Fafah teny Rangaina Ilafy, ny 23 Okotobra. Tany an-dalàna teny amin'iny RN7 iny (satria niala maraim-be teto Antananarivo) no reko fa io 06 Novambra 2019 io dia lasa ihany koa i Andriamilisoananahary Jacques Florian na Jacques Nanahary, sisa tavela tamin'ny mpikambana tao anatin'ny tarika “Les Nanahary”, ary nalevina ny zoma 08 Novambra 2019 ao am-pasan-drazany eny Ampananina, Mahitsy. 01 Novambra: nandalo ny fetin'ny Masina rehetra (Toussaint); ny 02 Novambra niserana ny fetin'ny maty rehetra (“Fête des défunts”). Havako daholo ireo toa maha havako ireo artista, mpanao zava-kanto sy mpanao malagasy rehetra eto Madagasikara. Toa maha havako anareo rehetra mpamaky ity gazety ity, ankoatra ny tena havako tamin'ny razambe nipoirana. Eny, havako daholo rehefa Malagasy e! Na dia i Fleury Rakotomalala, vazaha taratasy monina ao Frantsa nitsaoka trosa, mirediredy andro aman'alina manary tena aza... Izao no teny hita tao amin'ny fereparan'i Jean Félicien Ratefy, mpanao gazety nampiana-tena tokony halainareo tanora malagasy tahaka:

Mba tsofy rano tsara e 'ty mpivahiny ity e! Fa lavitra ny làlana ka mila tso-drano aho, hanambina ny diako”.


Betafo, 06 Novambra 2019, teny amin'ny fasan-drasan-dry Nono sy Dadah tao amin'ny tarika Mahaleo

Tany fandalovana ihany ity tany ity fa maro no manadino izany rehefa “metimety” ny fiainany. Fa na ela na ho aingana dia tsy maintsy halain-dRafahafatesana ianao io, na tianao na tsy tianao. Ary ho voadonam-pahoriana ny havanao iray manontolo. Tsotra ary ny hafatro aorian'io fahatsiarovana an'ny namana mpanao gazety Jean Félicien Ratefy : dieny mbola velona mahaiza mizara fitiavana, mahaiza mifankatia amin'ny mpiara-monina tsy an-kanavaka. Mariako anefa fa hatreo aloha, raha mandinika ny manodidina rehetra eny dia teny an'efitra ihany ireo. Kanefa “'Zaho tsy kivy”, hoy ilay hira iray izay. Tsy kivy toa an'i Jean Félicien Ratefy nanomboka tamin'ny tsy misy sy tsy ny hay tambolohany nefa nangana sy namela foto-drafitrasa mampidi-bola izay nodimbiasan'ny zanany. Izany, Tompoko, no lova tsara indrindra : mampiampita ny fahaizana sy ny anaran-draiamandreny niteraka ho an'ny taranaka fara aman-dimby. 41 taona izao no nisy izany sekoly CMR na “Cours de Musique Ratefy” izany. Mbola ao Ankadifotsy ao ihany izy hatramin'izao. Tsy dokam-barotra akory ity leiretsy fa fampahatsihivina fa izany no tena hoe mitsinjo taranaka a! Ka asa raha izaho indray no “mivaha” fa maro aloha ireo mivovo manaratsy mpiara-belona noho ny fialonana fotsiny izao nefa hivadika... vovoka ihany. Dia hindramiko ny ampahan'ny tonon'ny hiran-dry Mahaleo hoe “Voakazo voarara” na dia hisy hilaza indray ry devoly isany fa mitomany ho mpitandrina indray aho (fa inona moa no tokony hahataitra amin'izany? “Il faut de tout pour faire un monde”) :

(…) Soloy fitiavana ny andronao sisa. Ny fotoana anie ka efa voaisa, efa voafetra sy efa voafaritra, ka anjaranao sisa miharitra. Mifankatiava raha mbola velona, f'izany indrindra no maha-olombelona, mifanapia mifanasoava (…)”.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Samedi, 09 Novembre 2019 07:34 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024