Lasa nandeha nandao ity tany fandalovana ity izy, ny 7 aogositra 2020. Satria nantsoinâny Ray hody any aminy, teo aminâny faha-63 taonany.
Fa ny asa sorany kosa dia hitoetra ho anâny taranaka fara aman-dimby, mikasika ny sehatra ekonomika sy politika malagasy.
Efa ela tokoa i Salomon izay manao sonia ny lahatsorany aminâny hoe Sa fotsiny ihany, no nanao ny asa fanaovan-gazety.
Teo aminâny roampolo taona teo ho eo izy no niasa tao aminâny gazety Midi Madagasikara (1984-2003). Fanoratana aminâny teny frantsay no nanavanana azy kokoa eo aminâny sehatra ekonomika. Fa sekreteranâny fanoratana tao aminâio gazety Midi io ihany koa i Sa.
Ny taona 2003 i Salomon Ravelontsalama no nandao ny gazety Midi ary nanorina ny gazety La Gazette de la Grande Ăźle. Io dia niarahany tamin-dry Lola Rasoamaharo, Adelson Razafy, James Ramarosaona, Patrick Andrianjafy (efa maty) ary i Franck Raharison izay nandao antsika taminâity taona ity ihany.
Sady mpanoratra i Sa, eo aminâny lafiny ara-poltika, no Tale jeneraly misahana ny fandrarahana ankapobeny sy ny vola («Directeur gĂ©nĂ©ral chargĂ© de lâAdministration et des Finances»). Satria tena orinasa tokoa izany La Gazette de la Grande Ăźle izany.
Efa ela i Salomon no tsy dia « en forme » fa tsy hoe lasa « tampoka » akory izy. Natao ny hala-nenina rehetra fa efa tonga ny ora andaozany ity tany ity.
Inona moa no ho lazaiko fanampiny ? Sady mpamangy ny vangiana ny tenako. Satria manoratra ao aminâny La Gazette de la Grande Ăźle koa aho. Ka dia miara-ory sy mankahery ny fianakavianâi Sa iray manontolo ny tenako, ary koa ny fianakavianâny mpanao gazety eto Madagasikara tsy ankanavaka.
Ary dia atolotra ho antsika mianakavy io tononkalo nosoratanâi Dox io ambany io.
Jeannot Ramambazafy
TSY HODINGANINA NY MATYâŠ
Hotapahintsika tohy amintsika ve ny maty
Fa variana miaina isika ? Tsia fa tsapantsika anaty
Ny fitohizantsika aminyâŠsady isika taizany aza,
Novolainy fahavelona, notezainy fahazaza !
Na ny maty na ny velona, mpianakavy iray ihany !
Mbola homba antsika ihany ireo efa nody tany,
Misy trosantsika aminy, nefa izany dia ho efaina
Aminâny taranatsika : izay no fitohizanâaina !
Nanaovan-dalana isika ka tsy maintsy hanao lalana !
Nananganana tanĂ na ka tsy hahazo hialangalana,
Namelana fahendrena ka tsy maintsy hamela hafatra,
Mba ho anatry ny velona, ireo maty dia miteny
Moa avela ho faty maso, sanatria, ny fahendreny ?
Tsy hodinganina ny maty aminâny tohatoha-miakatra
DOX (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)