]
Les quotidiens du 24 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une RAZARA Pierre Ravolaza Fidèle. « Mpanao gazety malazo »…

RAZARA Pierre Ravolaza Fidèle. « Mpanao gazety malazo »…

Tamin’ny alarobia 26 Aogositra lasa teo dia nisy lahatsoratro tamin’ny teny frantsay nivoaka tao amin’ny «La Gazette de la Grande île» sy teto aminy madagate ihany koa. Nikasika an’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ingahy Silomvavambahoaka RAZARA Pierre Ravolaza Fidèle fantatra amin’ny anarana hoe Fidèle Razara Pierre. Maro ireo liana ary be koa no tsy nahatakatra tsara ilay hoe «Les korsakoffiens du libre-arbitraire». Ka dia indro ary averiko ka mikasika an’ilay faharoa ihany no hifantoantsika avy eo satria manala baraka loatra ny hasin’ny asan’ny mpanao gazety malagasy.

Ny atao hoe «syndrome de Korsakoff» dia aretina ao anatin’ny ati-doha noho ny tsy fahampian’ny thiamina na vitamine B1. Io aretina io dia antsoina ihany koa hoe : «syndrome amnésique avec fabulation, psychose de Korsakoff ou encore démence de Korsakoff». Izany hoe mitarika fanadinoina ka lasa mamorona tranga tsy misy, izay manjary mivadika ho fihetsika sy fitenin’olona very saina, adala. Ingahy Sergueï Sergueïevitch Korsakov, na Korsakoff, neuropsychiatre rosianina anisan’ny nalaza tamin’ny taonjato faha XIX no nahita io aretina io ary nampitondraina ny anarany. Dia ilay teny hoe «korsakoffien» dia avy amin’io anarana io.

Ny «amnésie» indray dia avy amin’ny teny grika hoe amnesia (nisy tranom-pandihizana nitondra io anarana io teto Antananarivo). Fahaverezana tadidy tanteraka na amin’ny ampahany no dikan’io teny io. Tsy voatery hoe aretina no nitarika azy fa mitranga io «amnésie» io noho ny toaka nosotroina be loatra, na noho ny tsy fahampian’ny torimaso, na noho ny avizanana diso tafahoatra na noho ny fahanterana izay mety hitarika ilay aretin’i Alzheimer ihany koa dia ny fanadinoina tanteraka mitsitapitapy («perte de mémoire totale graduelle»).

Ny «fabulation» kosa dia famoronana lainga tsotra izao, miala amina tranga nisy, na aratsiana na atsaraina. Tsy dia aretina izy io fa finiavana fotsiny izao hamadika ny marina ho lainga tsara lahatra araka ny tombontsoan’ilay manao azy. Ary dia mamorona tantara tena mahatalanjona mihitsy (nefa lainga) ilay mpanao azy ary izany no atao hoe «mythomanie».

Raha ny «libre arbitre» ry zareo dia ny fahafahanao, na tsia, manao zavatra tsara na ratsy. Tsy misy faneriterena eto fa tomponandraikitra izay ataonao sy lazainao ianao. Ny «arbitraire» kosa dia mifanohitra amin’izany : fahafahan’olona iray manao izay tiany atao. Jadona no mahalaza azy amin’ny teny malagasy. Ka ilay teny vao noforoniko hoe «Libre-arbitraire» dia milaza «fahafahana manao jadon-kevitra na jadona tsotra izao eo amin’ny lafiny rehetra».

Rehefa voazava ireo dia azonao mpamaky an-tsaina amin’izay ny hoe «Les korsakoffiens du libre-arbitraire» azo adika amin’ny hoe : ireo very tadidy manery ny ankamaroan’ny olona hijery na hiaino ny lainga tsara lahatra afafiny. Ohatra amin’izany olona izany dia i RAZARA Pierre Ravolaza Fidèle, na Fidèle Razara Pierre, mpanjakan’ny vaovao iniany disoana sy rain-dainga manala baraka ny asa fanaovan-gazety araka ny efa voalaza tam-boalohany.

Ankehitriny dia Depiote tsangan’olona voafidy tany Ambatondrazaka izy, tamin’ny anaran’ny antoko Tim. Tsangan’olona satria 16 ry zareo Tim no ao anatina Depiote (solombavambahoaka) miisa 151 ao amin’ny Antenimierampirenena ao Tsimbazaza. Raha eo amin’ny sehatra fanaovan-gazety aloha dia tsy nisy nahalala mihitsy izany Fidèle Razara Pierre izany raha tsy nisy ny tolona volomboasary notarihin’ny Ben’ny Tanàna Andry Rajoelina. Aoka hazava mihitsy ny resaka.

Ny 15 desambra 2008 dia nanomboka ilay fandaharana «Anao ny fitenenana» ao amin’ny radio Viva FM 98.8. Ny voalohany indrindra nanolotra ny fandaharana dia : Rolly Mercia, Jean Paul Randriandriaina, Lalatiana Rakotondrazafy, Soava Andriamarotafika ary Fidèle Razara Pierre. Ity farany moa dia tena «nasiaka» indrindra rehefa mitantara ny mikasika an’ingahy Marc Ravalomanana, mbola Filoha am-perinasa tamin’izany vaninandro izany. Nitohy izany hatramin’ny taona 2011. Efa lasa nandositra Dada Ravalo, lasa Filohan’ny Tetezamita i Boay kely Rajoelina ary namorona ny radio Free FM 104.2 i Lalatiana minisitry ny Serasera amin’izao fotoana izao. Ingahy Fidèle Razara Pierre kosa dia nanaraka an’i Lalatiana ary dia tena «duo de choc» tokoa… Na dia tsy nitombona loatra indraindray ny «vaovao» navoakan-dry zareo…

Ny volana mey 2012 kosa, asa izay nanjo azy roa, dia nampamory olona ho eny amin’ny kianjan’Ambohijatovo. Ny antony ? «Tolona amin’ny fahalalahana sy ny fahafahana». Raha teny an-kianja tokoa i Fidèle, nivazavaza ao anaty mégaphone, i Lalatiana kosa tsy tazana mihitsy teny Ambohijatovo fa re tao anaty onjam-peo manome toromarika… Na dia nisy ihany olona tonga, tsy nahomby ilay tetika miendrika fanongam-panjakana an-kolaka. Taty aoriana kely dia nenjehina izy roa ireo, niampy olona iray dia Lalanirina Razanajatovo. Antony : famporisihina famoriam-bahoaka tsy nahazoana alalàna ; vahoaka izay nitam-piadiana ka nandratra mpitandro filaminana («incitation à manifestation non autorisée, attroupement armé et violences envers les forces de l’ordre»).


Tsy ay hoe ahoana kosa fa afaka nialokaloka tao amin’ny ambasadin’ny Afrika Atsimo ao Ankorondrano izy telo ireo. Ny 1 Okotobra 2010 ry zareo no afaka nivoaka avy tao ary nitsahatra ny fanenjehana azy. Ny antony? Tsy vontoatin’ity lahatsoratra ity fa ny azo ambara dia tena olona tsara i Andry Rajoelina…

Tonga kosa ary ny fotoana fisarahana satria lasa nanentana fandaharana tao amin’ny radio Plus FM 100.2 i Fidèle Razara Pierre. Nilaozany izany i Lalatiana sy ny Free FM. Ny 28 aprily 2016, rehefa nanangana ny groupe RLM Communication (izay misy ny AZ Radio sy TV, Radio Télévision Nakay, On Air Radio, La ligne de mire, Triatra, La Dépêche, Akon’i Madagasikara, Le citoyen, La Chasse-info sy 24h Madà) i Mbola Rajaonah dia niazakazaka tany i Fidèle. I Rolly Mercia rahateo efa tao…. Ary dia tao amin’ny AZ radio indray izy no nanohy ny fomba amam-panaony izay tena henatra ho an’ny fanaovan-gazety malagasy.

Diso niaro ny Hvm loatra ny anao lahy ka nanjary nifototra ny fandraisana azy any ka azo lazaina fa i Fidèle Razara Pierre mihitsy no nanafaingana ny fandehanan’i Mbola Rajaona nigadra any Tsiafahy. Mba impiry moa izao izy no namangy an’ingahy P-Dg nanomboka ny volana Febroary 2019 ? Raha rava ny groupe RLM Communication dia nitohy ny AZ radio izay nosoratana tamin’ny anaran’ny vadin’i Fidèle. Ary tao indray no nampiasa ny talentany mpandainga i Fidèle ka ny kandida laharana-25, izay tena nambaniany izay tsy izy tao amin’ny «Anao ny fitenenana» no lasa anjely latsaka an-tany, fa ny kandida laharana faha-13, nipoirany teo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety indray no nanjary devoly.


Ary na dia resy aza ilay notohanany dia mbola mihezaka hatrany izy mamafy lainga sy vaovao tsy marina. Ny farany moa dia tamin’ny 30 Jona 2020. Nolazainy ampahibemaso, satria tao amin’ny AZ radio, fa nitsoaka nandositra any Andafy ny Filoha Andry Rajoelina sy ny fianakaviany. Kanefa amin’ny fotoana izy miteny izany dia teny Tanjombato ny Filoha mivady nijery ny fizotran’ny fananganana ilay Pharmagasy. Fa talohan’izay dia sahin’ity Depiote milaza azy fa mpanao gazety kalaza no niteny fa manome vahana ny fanambadian’ny lahy sy ny lahy na/sy ny vavy sy ny vavy ilay lalàna mikasika ny herisetra mianjady amin’ny lahy sy ny vavy. Fa tsangan’olona moa izy ka dia lany soa aman-tsara io lalàna io ary dia niahaka teo ny anao lahy.

Rwanda, 19 Jolay 1994. Izao izany no tadiavin'ny sasany hiseho eto Madagasikara ? Mila ovana aingana ny Lalampanorenena malagasy ka hanaraka ny an'ny Rwanda eo amin'ny andininy faha-54, izay mandrara ny firesahana fiaviana, indrindra avy amina mpanao politika. Niatra io tany nanomboka ny taona 2003, sivy taona taorian'ny von'olona nahatsiravina : olona 800.000 ka hatramin'ny 1.000.000 no maty vokatry ny adim-poko niniana norangintina

Amin’izao fotoana izao dia mitady hivohy mafy indray ny resaka Tanindrana sy Merina indray ingahy Fidèle Razara Pierre. Tena mpanao gazety «malazo» ity bandy kely tsy mahazaka fahefana ity ka. Fa tsy izy no voalohany ary tsy izy ihany koa anefa no ho farany, rehefa mitoetra ny fankahalana sy ny vola adala tompo. Na izany na tsy izany, eto aho dia mitodika manokana amin’ny Filoha Andry Rajoelina. Jereo ny ao Rwanda taorian’ny vonon’olona mahatsiravina («génocide») nitranga tany ny taona 1994. Niniako tsy nadika teny malagasy ireto manaraka ireo. Ka ambava omana am-po mieritreritra, Tompoko.

La nouvelle constitution du Rwanda, votée par référendum en 2003 et abrogeant la carte d'identité ethnique, prohibe toute discrimination basée sur l'ethnie et interdit aux formations politiques de se réclamer d'une ethnie particulière.

Constitution du Rwanda, article 54 : « Il est interdit aux formations politiques de s'identifier à une race, une ethnie, une tribu, un clan, une région, un sexe, une religion ou à tout autre élément pouvant servir de base de discrimination. Les formations politiques doivent constamment refléter, dans le recrutement de leurs adhérents, la composition de leurs organes de direction et dans tout leur fonctionnement et leurs activités, l'unité nationale et la promotion du «gender» ».

Jeannot Ramambazafy - Nivoaka ihany koa ao amin'ny "La Gazette de la Grande île", tamin'ny sabotsy 29 Aogositra 2020

Mis à jour ( Mercredi, 09 Septembre 2020 11:20 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024