]
Les quotidiens du 22 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Praiminisitra Christian Ntsay. « Isika dia miaina ao anaty Demokrasia »

Praiminisitra Christian Ntsay. « Isika dia miaina ao anaty Demokrasia »

RAHA HIJERY VIDEO TSINDRIO ETO

Ny Alatsinainy 07 septambra 2020, tamin’ny 8 ora maraina dia nigadona tao amin’ny Lapan’ny Praiminisitra ao Mahazoarivo ny Praiminisitra Christian Ntsay izay marihina fa tsy re sy tsy tazana firy tamin’iny herinandro lasa iny. Inona marina ny antony ? Aleo izy tenany ihany no hilaza izany.

« (…) Be dia be moa ilay resaka hoe : aiza ny Praiministra, maninona izy… Izaho aho izao. Dia ny zava-dehibe fotsiny dia izao : ny olombelona rehetra dia nofo aman-drà ary ao anatin’izany dia tsy maintsy misy foana ny fanaovana fitsirihina ara-pahasalamana izay tsy maintsy atao.


Izay no zava-nisy, ary tsy tokony handeha ankoatra ny lafiny ohatran’izany. Misy miteny hatramin’ny hoe voan’ny AVC ny Praiministra ; voan’ny « empoisonnement » ny Praiminisitra sns, sns… Izany no atsapanareo tokoa fa raha hino ny zavatra rehetra ao anatin’ny Facebook ianareo dia ho very, ho very mihitsy. Ary efa voalazako ombieny ombieny fa malalaka ny eto amintsika, miaina ao anatin’ny Demokrasia ny firenentsika.

Be dia be ny firenena amintsika miteny izao no tsy manaiky ny fisian’ny zavatra ohatran’izany. Ary miditra any am-ponja mihitsy, ary tapahina mihitsy ny Facebook amin’ny firenena maro, izay averiko fa firenena mandala ny Demokrasia, ary tsy kianina mihitsy, eran-tany.


Isika dia miaina ao anatin’ny Demokrasia. Izany Demokrasia izany mila Fanabeazana, mila fahatongavan-tsaina izany ho an’ny tomponandraikitra dia ho antsika Malagasy rehetra. Tsy izay zavatra resahina dia ho marina daholo.

Ary izay no isaorako anareo be dia be tamin’izay fahatoniana hatrany nasehonareo mpiara-miasa eto anivon’ny fiadidian’ny Praiminisitra, ny amin’izay tsy fihainoana fahatany ny zavatra misy fa mipetraka ao anatin’ny fahatoniana foana, mandinika ary mijery, mamakafaka (…)./.

Nandray an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy

Sary : Harilala Randrianarison sy Andry Rakotonirainy

******************************

Mis à jour ( Mardi, 08 Septembre 2020 07:07 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA