Misy fiteny frantsay milaza hoe : « Il faut de tout pour faire un monde ». Izany hoe na tiana na tsy tiana dia feno ny karazanâolona rehetra eto ambonâity tany ity. Tokony tsy misy atao mahaga intsony mihitsy na tranga, na fihetsika nisy, misy ary mbola hisy avy amina olombelona toa anao mpamaky io. Saingy ao ny olona mandalo tsy hita izay nataony teto ambonâity tany ity ary ao izay mba te-halaza ka manararaotra tranga iray mba hisehoany, satria nandritra ny amam-polotaona tsy nisy nahalala mihitsy ny fisiany.
Aleoko kilasina ao anatinâizany « te-halaza » izany ity gasy (tsy mendrika atao hoe Malagasy kosa aloha amiko !) monina any Frantsa efa ela, ka nipoitra tampoka miseho ao aminâny Youtube izay tsy ny Malagasy rehetra eto Madagasikara no afaka mijery izany. Marco no anarany salorany (nariany hatraminâny anarany feno, asa angaha ?...) ary aminâny teny malagasy izy no maneho hevitra. Fa nisy nilaza fa avy ao Antohomadinika ao Antananarivo izy io. Ireo tena mahalala na nahalala azy dia afaka manamarina na tsia aminâio sary mivoaka eto io.
Izy ihany moa no milaza fa ny soratra mitoetra ka dia ireto manaraka ireto ny baiko ankolaka nomeny, ny 5 novambra 2020, mikasika ny « fitokanana ilay ColisĂ©e ». Ny tena marina dia ny Lapa Besakana sy ny Lapanâny Mpanjakavavy ao anatinâilay Rovanâi Madagasikara eny Manjakamiadana no notokanana ny 06 Novambra 2020 (ETO). Rehefa avy namaky ianareo, dia anjaranareo no mandinika ny hoe : milamina ara-tsaina ve ity Marco ity sa tsia ? Fa amiko aloha dia manala-baraka ny ray aman-dreny niaviany izy ary manozona ireo ho taranany izay hisitri-belona rehefa ho lehibe satria ny fiainana mitohy hatrany fa ny soratra mitoetra. Andao ary :
« (âŠ) Hitokana io ColisĂ©e io no tena tanjonâi Rajoelina fa rebirebeny aminâity haingon-dampihazo ity isika, ilay lazainy hoe couronne. Iny izany no ticket ho entiny miditra ao anaty Rova satria efa lilo ny sofiny nampahafantarana azy fa raha mitokana io ColisĂ©e io izy, taminâireny andro ireny, dia hahita raharaha izy. Fa izao izy izany mahita hevitra, ataon-tsika hoe nahita fika izy afahany miakatra eny. Be dia be ny hetsika niaraha-tsika nahita taty (Ttf : tao Parisy izany), ny hetsika taty ivelanâi Madagasikara, teto Frantsa, tao La RĂ©union, nanao hetsika momba io hoe : arovako ny rovako, ravao ny ColisĂ©e.
Izaho taty, indray mandeha na indroa raha betsaka indrindra no nanatrika io hetsika io. Rehefa nandeha taminâilay hetsika aho, ny zavatra nandrasako dia hoy aho hoe : tena mety ity fa tena mitovy fiasa aminâi Greenpeace (Ttf : fikambanana mpiaro ny tontolo iainana) ity : On Ă©tude dia tonga dia mi-passer Ă lâaction (Ttf : ireo mihitsy no voateninâio Marco io). Saingy tsy izay fa lasa resaka lava be dia tonga dia nanapaka hevitra aho, niaraka taminâny groupe-ko fa tsy miditra planâny ColisĂ©e, tsy anatinâny plan-ko ny ColisĂ©e. Saingy miteny aho androany (Ttf : 05 Novambra 2020) satria misy ihany olom-pantatra, misy ihany akaikinâny tena, malahelo aho miresaka io ColisĂ©e io.
Ity fitondrana ity izany, efa nampidiriny tao anatinâny lohanâireo Mpanjaka, Andriamanjaka sns, sns izay tsy nanaiky, nijoro, niseho fahitalavitra, niteny tamina radios hoe tsy manaiky anâio, dia nampidiriny ao anatinâny lohany aminâizao fotoana izao hoe : io Rova io tsy anâAntananarivo fa anâny Malagasy rehetra. Ny dikanâizay efa voaborosy daholo ny Mpanjaka tany aminâny sisiny tany ho entina hiakatra ao Antananarivo hanatrika io fitokanana io ColisĂ©e io, ho entina mi-tsyle hoe : hanaterana ilay hoe, inona ity a a a, ilay couronne. Nanome ny hevitro aho rehefa tonga teny aminâny fihetsiketsehina teto Frantsa. Hoy aho hoe : rehefa tsy misy action io dia ho tokanana io, tsy ho rava.
Bon, nandalo fotsiny moa izany ilay hevitra fa izay no naha tapakevitra ahy tsy hiditra aminâilay resaka ColisĂ©e. Omaly aho mbola nanome hevitra, satria nisy niantso aho hoe : ahoana ? Dia hoy aho hoe : eny ary fa omeko anareo ny hevitro. Efa nanome ny hevitro aho hatraminâny voalohany fa tsy nohenoinareo ilay izy. Izao izany no mba torohevitra omeko ho anâizay mbola vonona aminâio, indrindra indrindra ianareo Andriana, Andriamanjaka, tsy fantatro⊠Andro lehibe, hoy izy, hoy i Rajoelina, io andro io, rahampitso. Andro fety io aminy. Inona no tsy hanaovana fety ary ?
Mitambara ianareo Andriana, mitambara ianareo Mpanjaka, ianareo tsy fantatro intsony⊠Mandehana mitady vary amina gony, ataovy iray camion, ho ento miakatra eny aminâny Rova, ho ento miakatra eo aminâny Lapanâny Fitsarana eo akaikinâny fidiranâny Rova io. Dia manaova antso ho anâny vahoaka, dia ataon-tsika hoe : ry vahoaka marefo. Antsoy ny ambany tanĂ na hoe : hisy fizarana hataonâny Andriana, fizarana fanampiana ataonâny Andriana sy ny Andriamanjaka sy ny Mpanjaka sy ny tsy fantatro, eny aminâny Rova, eo aminâny vavahadinâny Rova, eo aminâny Lapanâny Fitsarana eo akaikinâny fidiranâny Rova io.
Manao antso izao. Ataovy ny antso na rahampitso vao maraina aza. MangalĂ mĂ©gaphone, mangalĂ fiara dia tetezo ny ambany tanĂ na asaivo miakatra eny ny vahoaka. Ny diaspora mivory ireo misy betsaka. Miresaha aminâireo fa fantatro fa misy contacts ianareo aminâireo. Atao izay ahazonareo azy ireo. Mividiana omby. Omby anankiray eo aminâny trois millions eo. Mividiana omby efatra, ento miakatra eny, roahay ataovy mandeha tongotra, ento miakatra eny koa rahampitso. Dia avelao fa samy fety io. Afaka manao izany tsara mihitsy. Tsy misy autorisation io. Dia aleho hifanjevo ao. Ianareo tsy miditra ao anaty Rova. Ny olona tsotra tsy anaty Rova fa aty ivelany ny fizarana ny fanampiana. Ento io aminâilay resaka corona, ento aminâilay resaka marefo sy ny sisa. Fizarana normal dia aleho hifanjevo eo. Ento miakatra eny ireo vahoaka ireo. Avelao izy hanao fety ao aminâny ColisĂ©e ao raha vitany.
Fa ny anareo tanterao, zarao ny vary. Be dia be ny Andriana manana contacts ao Antananarivo ao. Ireny namanareo Karana resao. Dia mangalĂ , hoy aho, vary iray camion dia ataovy ny fizarana eny ambony eny. Tsoriko eto fa ho lasa sous forme ana barrage io. Tsy maninona ! Raha eny no tokony hatomboka ny action dia hatomboka eny ny action. Ho lazaiko ny groupe-ko. Groupe, hoy aho, fa izaho tsy milaza hoe antoko na vondrona sao hafangaro an ! Tsy misy resaka politika io. Raha eny no mila hatomboka ny action dia hatomboka eny. Ny ahy ny plan-ko aloha, izaho tsy miditra plan ColisĂ©e. Fa izay no azokoa atao, izay no azoko hanampiana, raha torohevitra no ilainareo, mbola manana 24 heures hafahana mikaroka hoe : inona no hatao raha te-hizingizina aminâny hoe ravao io, sakano io ?
Fa tsy miresaka tena hoe aleho hanao fa ravana ihany io rehefa avy eo. Na io ravana izao, na io sakana izao, na io avela ao. Eto aho dia hamaly kely ilay olona niantso aho. Ho valiako eto fa izaho tsy hanoratra satria ireny mipetraka. Ary fantatro izy fa mijery ilay vidĂ©o eto. Dia miala tsiny aminao aho, mon GĂ©nĂ©ral : raha izany ketrika izany, hiala anâAnkatso dia Ambohidempona, tsy mety aminay (Ttf : fanonganam-panjakana ilay ketrika ?). Mazotoa.
Izay no azoko resahina androany fa aminâny manaraka hiresaka ny fiainam-pirenena dia hitan-tsika hoe inona no ho lazaina, inona no ho atao. Fa ny ColisĂ©e aloha, izay no azo atao fa rehefa tsy hanao anâizay dia avelao ny olona hanao ny fetiny. Satria na ianareo Andriana koa anie tsy mitovy saina akory e ! Roa herinandro izay dia ny sasany nangataka sahady hoe aiza ny invitation no halaina ? Ianao anefa mihizinginzina hoe tsy hanaiky anâio ! Lasa mifandrebireby fotsiny. Izay ary aloha e. Aminâny manaraka. Salama daholo./. ».
Ny vidĂ©o ao aminâny Youtube azo esorina fa ny soratra mitoetra ka izay tokoa ary aloha fa dia sokajina ho naman-dry Fleury Rakotomalala, Fanirisoa Ernaivo ary i Luc HervĂ© -izay samy monina ao Frantsa daholo, mahagaga- ity Marco « revolisionera » (jereo ny fomba fitafiny) be hevitra taingina. Ity no lahatsoratra tokana mikasika azy hipetraka ho anâny Tantram-pirenena. Te-halaza izy ?
Tontosa ny faniriany, fa halaza manao akory ? Tsy hisy hanenjika azy, tsy hisy hisambotra azy fa ny nataony sy ny mbola hataony no handavo azy. Satria, aleho enjehinâny omby masiaka toa izay enjehinâny eritreritra. Ka avelao izy aloha hanohy ny fahaizany manome torohevitra dieny mbola salama saina sy vantana. Sa ahoana, hoy ianareo ? Izy anie tsy manompa kosa aloha. Revolisionera diso fotoana fotsiny. BĂ©ret mitomany Che Guevara misy kintana mena sinoa eo an-tampon-doha ; sary toa croix de Malte eo aminâny T-shirt. Fâinona ary ity ?
Jeannot Ramambazafy â Lahatsoratra nivoaka koa ao aminâny « La Gazette de la Grande Ăźle » taminâny Alarobia 11 Novambra 2020