Ny 25 Novambra 2019 no nisokatra ny Ivo-toerana miady amin’ny herisetra ao Mahamasina Antananarivo. Najoro izany toerana izany ho fiarovana ireo olona hiaran’ny herisetra eny anivony fiarahamonina. Anjara andraikiny ny fihainona ireo tratry ny herisetra ary anampy ihany koa amin’ny torohevitra ho fisorohana izany. Ho an’ireo mitondra ratra noho ny vono nahazo azy dia manampy ara-medikaly sy ara-psikolojika ity ivo-toerana ity.
Ny antso maimaimpoana ny laharana maitso 813 kosa dia saika miasa isan’andro, mandray ireo fitarainana sy tranga herisetra misy eny anivon’ny fiarahamonina eny. Mandray an-tànana ara-psikolojika ireo niaran’ny herisetra ; manoro hevitra ny tokony hataon’ilay olona tra-pahavoazana ary manazava ny dingana rehetra tokony aleha. Miara-miombon’antoka ho fanatontosana izany rehetra izany ny Ministeran’ny Mponina (MPPSPF), ny Polisim-pirenena (BFP) ny UNFPA ary ny Fikambanana Fitia.
Raha ny vokatry ny antso teo anelanelan’ny 26 Oktobra ka hatramin’ny 01 Novambra 2020 dia toa izao: 57,55% amin’ireo nanao herisetra dia saika vady sy/na ny olona akaiky.
Ny volana Aprily ka hatramin’ny Oktobra 2020, nitsinjara toa izao ireo anton’ny antso voaray tao amin’ny laharana maitso 813:
- Herisetra mifototra amin’ny maha-lahy sy maha-vavy nahatratra 3.976. Ny volana Oktobra no hita fa somary nidina ny tahan’ireo antso mahakasika ity herisetra ity, naharaisana 475 raha toa ka antso 768 izany ny volana Aogositra. 3.409 no niharan’ny herisetra. 5.912 kosa no nangataka torohevitra. Ny herisetra fanolànana nahitana hatrany amin’ny 305 dia tao anatin’ny 7 volana fa nahatra 2.298 ny herisetra ara-batana.
Tsy mandray antso fotsiny anefa no ataon’ ny 813 fa eo koa ny fanorohana ireo hiaran’ny herisetra amin’ny dingana tokony ataony. 3.183 no nalefa teny anivon’ny sehatra mpahay lalàna toy mpitandro filaminana, ny minisiteran’ny Mponina, ny fokontany ary ny Ivo-toerana miady amin’ny herisetra ao Mahamasina. 2.479 nalefa teny amina tobim-pahasalamana ary 4.128 no nomena torohevitra ara-psikolojika.
Any amin’ny faritra indray dia anisany nahitana taha ambany momban’ny tranga herisetra. Ireto avy iany Faritra izany: Menabe, Vatovavy fitovinany, Analanjirofo, Betsiboka. Tsy nandrenesana fitarainana mahakasika herisetra kosa ny Faritra Atsimo Andrefana, Androy ary Anosy fa kosa nisy ny fangatahana torohevitra. Ny Faritra Analamanga no faritra manana ny taha ambony indrindra amin’ny herisetra amin’ny isa 58.
Teo anelanelan’ny volana Oktobra sy izao tapan’ny Novambra 2020 izao dia saika nahenoina fitarainana herisetra izay atao amina ankizy, indrindra fa ny fanolànana. Nisy tamin’ny ireo no mbola zaza herintaona sy tapany. Tao koa ny namoy ny ainy vokatr’izany fanolànana izany, eny fa na hatramin’ny ankizy lahy aza.
Vao tsy ela izay dia nanao antso avo amin’ny vahoaka Malagasy ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, sady filohan’ny Fikambanana Fitia, Ramatoa Mialy Rajoelina, nanentana mba ho sahy hijoro sy hitoroka manoloana ny fanararaotana atao amin’ny ankizy. “Torotoro tanteraka ny fon-dreny omaly nahita ilay zazalahy kely vao herintaona sy tapany monja niharan'ny fanolànana. Amin'ny fomba ahoana loatra no ahafahana mahavita ireny fihetsika mamoafady amin'ny zaza tsy manan-tsiny ireny ?”.
“ Nihaona mivantana tamin'ny ray aman-dreniny aho, nankahery ary manohana azy ireo amin'ny fitsaboana manontolo ilay zaza. Hanaraka akaiky ihany koa ny raharaham-pitsarana momba ity tranga mamoafady ity ny tenako. Aok’izay ny fahanginana! Sahia mitoroka, sahia mijoro! Manana andraikitra goavana isika rehetra amin’ny fampahafantarana ny tsy rariny sy ireo fihetsika mamohetra. Aok’izay ny herisetra. Melohako ny herisetra ”.
Manentana ny rehetra, indrindra ny fianakaviana mba tsy hisalasala, hanatona ireny ivo-toerana fandraisana fitarainana amin’ny ady herisetra ireny, na hampilaza amin’ny antso maimaimpoana maitso 813 sy 147 ihany koa. Tsy misy atahorana na mampiahiahy fa ao anatin’ny tsiambaratelo avokoa ny fihainoana ireo olona ianjadian’ny herisetra.
Fanadihadihana no nahafantarana fa ny fisian’ny fihiboana lava be teto amintsika dia lasa naniry sain-dratsy ireo olona akaiky an’ireny ankizy ireny. Ny zava-misy dia tsy sahy mitory ny ray aman-dreny noho ny antony valifaty, ary misy ny vitavitan’ny raharaham-pihavanana fotsiny.
Tsy teto andrenivohitra ihany fa maro ny toerana nahitana izany tranga izany : Ankadivoribe Atsimo, Moramanga, Toliara, Fandriana, Ivato sy ny maro hafa. Sazian’ny lalàna farany henjana anefa ireo manao ity fanolànana, ity indrindra fa amin’ny ankizy.
Ny 04 Novambra 2020 dia nanao fanambarana ny Minisiteran’ny Fitsarana fa hampidirina any am-ponja vonjy maika avy hatrany ireo izay tratra nanao fanolànana. Tsy hisy ihany koa ny fanomezana fahafahana vonjimaika ary tsy ekena ny fanelanelanana.
Adidin’ny tsirairay no miaro ireo olona izay tandidomin’ny herisetra. Indrindra fa ny ankizy.
Andry Rakotonirainy