]
Les quotidiens du 21 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Didier Ratsiraka. Fiaraha-miory nataon’ny Filoha Andry Rajoelina

Didier Ratsiraka. Fiaraha-miory nataon’ny Filoha Andry Rajoelina

VIDÉO ETO

Ry Malagasy namako, havako manerana ny Nosy,

Amin’ny alahelo lehibe no ampandrenesako ny vahoaka malagasy iray manontolo ny falasan’ny Amiraly Didier Ratsiraka, Filoham-pirenena teo aloha, androany Alahady faha 28 marsa 2021, tamin’ny 6h30 maraina.

Nandao antsika izy ary very olo-manga ny Firenena. Tsy zoviana amintsika rehetra, na tanora, na zokiolona, izany Amiraly Didier Ratsiraka izany. Nitondra ny firenena nandritra ny taona maro izy ; mpitarika namiratra teo amin’ny sehatra politika ; Minisitry ny Raharaham-bahiny tamin’ny fitondrana nentin’ny Jeneraly Ramanantsoa izy ary Ministra tanora indrindra tamin’izany fotoana izany.

Lehilahy navitrika sy to-teny. Nampamiratra sy noderain’ny Malagasy azy ny nanavaozany ny « accords de coopération » teo amin’ny Madagasikara sy Lafrantsa tamin’ny taona 1973. Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara nandritra ny 23 taona, nanomboka tamin’ny taona 1975 izy. Manamboninahitra ambony indrindra teo anivon’ny Foloalindahy Malagasy ny Amiraly Didier Ratsiraka.

Nanandratra avo ny soatoavina sy ny maha-Malagasy izy fony Filohampirenena. Nanakoako teto amin’ny Oseana Indianina, tany Afrika ary maneran-tany mihitsy ny lazany ara-nitan-tsaina sy ny fahaizany. Izy no nanafaka amin’i Madagasikara tao anatin’ny zone « Franc ».

Na inona na inona fironana ara-politika sy tsy fitovin-kevitra taminy dia samy manaiky ny rehetra fa nisy, ary maro, ny zavatra vitany teto amin’ny firenena. Amin’ny maha manamboninahitra ambony indrindra azy, teto amin’ny Foloalindahy Malagasy, dia nanapakevitra ny fitondram-panjakana sy ny fianakaviany fa omena azy ny Hasina sy ny Voninahitra mendrika azy ka ho asitrika eny amin’ny Fasan’ny Mahery Fo na Mausolée eny Ambohitsaina ny Amiraly Didier Ratsiraka. Izy raha teo ihany koa no any tokana Amiraly mitondra kintana dimy teo amin’ny Tafika na ny Foloalindahy Malagasy.

Noho izany dia ataontsika ho andro Fisaonam-pirenena (« Journée de deuil national ») rahampitso faha-29 ny volana marsa ho fanomezam-boninahitra farany azy. Ny lanonana fanaovana veloma farany azy dia ho atao eny amin’ny « Cour d’honneur » ny Lapam-panjakan’ny Iavoloha izay tsara ny manamarika fa Lapa natsangan’Itompokolahy ny Lapan’Iavoloha.

Koa rahampitso faha-29 ny volana marsa, amin’ny iray ora folakandro, no hanatontosana izany lanonana fanaovana veloma farany azy izany, ary ho arahina mivantana amin’ny Televisiona nasionaly izany. Aorian’izay dia hiainga hizotra ho an’ny amin’ny Mausolée eny Ambohitsaina ny razana.

Ny làlana amin’izany dia : hiainga eo Iavoloha, mamakivaky ny By-pass, miditra ao Mandroseza, mandalo an’Ambanidia, mamakivaky an’iny Ankorahotra iny, ary dia hiakatra mankeny Ambohitsaina. Koa eny an-dàlana, ao anatin’ny fanarahana ny fepetra ara-pahasalamana no hanaovana ny kopa-tànana sy fanaovana veloma farany azy amin’izany.

Folaka andro niankinana ny fianakaviany ; very ray aman-dreny ny Firenena. Koa miondrika am-panajana sy am-pitiavana eo anatrehin’ny Filoha Didier Ratsiraka ny Malagasy iray manontolo ary miombona alahelo amin’ny fianakaviana, indrindra ny vady aman-janany.

Mampahery an’izy ireo ary, indrindra, mirary fahasalamana ihany koa ho an’i Ramatoa Céline Ratsiraka vady navelany.

Koa amin’ny anaran’ny Malagasy tsy vakivolo sy ny Fitondram-panjakana ary amin’ny anaranay mivady manokana, no anolorako fiaraha-miory sy fankaherezana ny fianakaviany.

Andriamanitra manakarenam-pahasoavana anie hihomba ny fanahiny.

Hiaraka hivavaka ho azy isika ary indrindra Andriamanitra ihany koa no hamafa ny ranomaso sy hampitony ny alahelo eo amin’ny fianakaviana amin’izao fisarahana toa izao.

Masina ny Tanindrazana,

Misaotra, Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.

Andry Rajoelina

Filohampirenenan’ny Repoblikan’i Madagasikara

Antananarivo, 28 mars 20121

Mis à jour ( Lundi, 29 Mars 2021 08:45 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA