Aza taitra ianareo mpamaky fa izaho Jeannot Ramambazafy mihitsy no mampamoaka io sary io. Io sisa no any fiarovanâi Fanirisoa Ernaivo tsy mahatanty ny fahamarinanâny lahatsoratra soratako. Maro ireo tohina, na havana, na taranaka, na nanamana sy tapaka maneran-tany sy eto an-toerana. Ary vonona ny hamaly ao anatinâny facebook RMDM France. Nanara-dia anâi Fanirisoa koa ireo milaza fa Malagasy tia tanindrazana mialokaloka atsy La RĂ©union namoaka io sary io. Aza misy mihetsika fa izay no tadiavinâireo. Aleho izaho mihitsy no mamaly. Tsy hoe mamaly faty tsy akory fa hampihiratra ny masonâireo manoranora-poana tsy mahalala izay amboninâny tany fa faly fotsiny ny hiteny ny hafa. Andao ary.
Fa maninona moa no tonga dia i Fanirisoa Ernaivo no tondroko tompon-kevitra io resaka miampy sary maloto momba ahy io ? Tsotra : tadidio ny vavabeny nataony taminâizy nanonona ny zanaky ny Filoha Rajoelina hoe mpifoka rongony. « CocaĂŻne » mihitsy hoy izy tao anatina vidĂ©o iray nivoaka ny 22 febroary 2021. Ity manaraka ity ny fehezanteny nampiasainy taminâny teny frantsay, izy izay mialokaloka any Frantsa aminâizao fotoana izao : « On va pas vous laisser comme ça, on va vous traquer jusque dans vos chiottes aussi ! ». Nahare izany ny Frantsay mandinika maro ka nilao-bava hoe : « Quelle triste vulgaritĂ© de la part dâune ex-magistrate !». Asaivo adikany io. Ny 17 Jolay 2021, teo aminâny Kianjanâny Repoblika ao Parisy, dia mbola naverina tsy nahy indray io teny « chiottes » io mikasika ny EPP manara-penitra hamboarinâity fitondrana ity.
Tena kalakely (satria 42 taona izy raha 67 taona aho) efa zavatra milalao fitombenena tokoa (na izay vadiny aza toa tsy voahisany intsony, raha misy izany). Fa ahoana hoy ianareo ? Fa avy aiza moa ny diky ary aiza no hamoahana azy ? Ny W.C. koa anie azo adika aminâny hoe trano fivoahana e ! Efa jambanâny fankahalana sy ditsoky ny fahamarinana izay manindrona (« la vĂ©ritĂ© blesse ») any ka tsy misaina firy intsony. Na ny lokonâilay fono tĂ nana («gant») aza mavomavo toa ilay akanjo nanaovany eo aminâny sary. Manga anefa na mainty no tena lokonâny «gants» aminâio asa fanadiovana io⊠Ary izaho tsy hanao fono tĂ nana mihitsy eto hamaly azy (« je ne vais pas mettre de gants pour lui rĂ©pondre ici»). Io toetra fanaovana tsinontsinona olona io ihany nefa no naha vaongana azy teo aminâny toerana naha Mpitsara azy nefa mba filohanâny Sendikanâny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) mihitsy i kalakely.
Sao ho lazainy indray fa ny lahatsoratro no nahatonga izany. Tsia, ry mpamaky hajaina, fa ny mpanao gazety malagasy rehetra izay nitatitra ny ompa nataony taminâny mpitandro filaminana tao Mahamasina, ny 30 Okotobra 2018. Andao averiko eto satria Tantara mipetraka tsy ho voafafa mandrakizay.
Rehefa nahita mpitandro filaminana maro teo Mahamasina ity kandida laharana faha-24 natolotrâizany ZAM-PATRAM (Zanak'i Madagasikara-Parti Travailliste de Madagascar) tsy fanta-piaviana izany, taminâny fifidianana ho filohampirenena ny taona 2018, dia izao no teniny (misy vidĂ©o ireo) : « Inona no mahatonga ny miaramila zato arivo haverina eto? Satria tsy misy dahalo intsony any ambadika any ? Satria tsy misy mpandroba intsony any ambadika any ? Maninona any aminâny famoriam-bahoakanâny laharana faha-13 no tsy misy anâizao ? Ekeko fa tena hoe baiko ny anareo fa mba misaina ihany ! Aiza moa ianareo no tsy hovonoinâny olona ? Saika nalahelo ihany aho nahita ireo polisy nototainâny olona vato malao. Mampite-hiteny hoe tsara ho azy izay. Tena marina ary mbola hahazo anareo rehetra izany. Hozoniko mihitsy. Tena nalahelo aho nahita ireo polisy telolahy nozeranâny olona vato. Fa inona no mahatonga izany? Izao ataonareo izao. Mampahatezitra olona ny zavatra ataonâny miaramila, ny polisy, ny zandary. Rehefa tsy faly tongava eto, dia sambory aho fa mbola ho hitanareo izany ».
Tohina tanteraka taminâizany ny Malagasy maro anâisa fa mpandainga izay milaza zavatra mifanohitra aminâizany. Ireto filazana roa ireto avy amina olona tsotra, taorianâireo voalazanâi Fanirisoa Ernaivo, no mahafintina ny ao an-tsainâny Malagasy.
Voalohany :
« Tsy ianao mihitsy no tokony hananatra e ! Faikanâolona tsy mendrika ny hisolo tena na ny vehivavy na ny reny. Raha ny zakainâny mpitandro filaminana noho ny ataonâny mpitsara no tantaraina tena loza, ianareo mihitsy no olom-boahozona ! Jereo ny rapports ny transparency rehetra e : ny magistrats foana no mitana ny premiĂšre place @ corruption. Tsy izany magistrat judiciaire izany mihitsy no tokony anozona sy hananatra olona @ Ă©thique sy dĂ©ontologie !.
Faharoa : « Tsy fanao ny miady @ maty. Mazava ny teninao @ vidĂ©o teny gasy mazava ary hentitra ny teninao. Ka fialantsiny inona koa no ataonao ?? Mandehana any @ toerana fonenanâireny Polisy maty ireny ianao dia atovy ny fialantsininao dia ho hitanao ny tohiny. Na koa mandehana miasa @âiny province Tamatave iny ianao dia ho voaray ny fialantsininao. Hahita ianao any fa mahalala anao daholo ny olona. Farany : Filoham-pirenena no ilatsahanao kandida dia ireny ny fiteny ataonao. Afa-baraka ny Firenentsika nilatsahanao kandida ». Nahazo ny notadiaviny izy, rehefa naato taminâny asany ny 31 oktobra 2018, na dia nanao « excuses hypocrites » aza : ny 7 novambra 2019 izy dia voadaka tsy ho mpitsara eto Madagasikara intsony. Tsy misy kabary izany satria tsy nekenâny « Conseil dâEtat » ny nampiakarany ny raharaha. Dia iny izy tsy hita intsony.
Izao indray, vao nivoaka ny lahatsoratro momba azy sy ny orinasany ADM (« Fanirisoa Ernaivo et ADM. Malagasy Escort Girls? », eto sy ao amin'ny « La Gazette de la Grande Ăźle » taminâny sabotsy 24 jolay 2021) dia tsy fantany intsony izany «droit de rĂ©ponse» izany fa ao aminâny Facebook no mampiseho ny aromontany ka tena mahay mamorona ny fiainako tokoa, afakâomaly. Avelao hino izay te-hino. Ny tsy fantany dia vao mainka hampalaza ahy izany. Hanao dokam-barotra azy atao. Ity nanjary « publicitĂ© gratuite ». Hamaky ahy daholo na ny tsy mpamaky aza. Misaotra e ! Fa na izany na tsy izany, tsara aloha rehefa mahatsapa fa hoe « ex-ivrogne ». Satria tokoa nanomboka ny taona 1999 ka hatramin âizao aho no tsy misotro zava-pisotro misy alikaola, na divay, na labiera, na roma, na whisky izany.
Ity ny lohateny nampisehoany ny fahaizany mamafy lainga sy mamorona tantaram-piainanâolona: « Jeannot Ramambazafy : un ex-ivrogne reniĂ© par son propre enfant ». Tena teny frantsay. Raha io aloha dia aleho mihomehy tanteraka. Mila mijery sy mihaino tsara ilay fandaharana « Misy raha La Terre » niarahana taminâi Tompokolahy Ikotoniaina, taminâny 14 marsa 2005. Ao aminy Youtube izy io. Soa fa misy ny tahiry ho anâny taranaka. Ity manaraka ity ny adiresy aminâny Internet ho anâizay tia fahamarinana : https://www.youtube.com/watch?v=WYnta1ldR5o
Mikasika ny hoe « reniĂ© par son propre enfant » sy « Ny fanaratsiana sy ny diabolisation no tena kapoakanâi Papi. Tsy izany anefa no atao hoe fanaovan-gazety. Ka vitsy ireo patrons de presse nety nampiasa azy. Mandray felaka etsy sy eroa noho izany no nivelomany nandritra ny taon amaro. Anisanâny journalistes alimentaires nalaza indrindra izy ».  Misy raha tokoa La terre. 17 taona aho no niasa tao aminâny Madagascar tribune (1988-2005). Tsy makorelinâasa aho akory, ary ny tena mahalala ahy no aoka hilaza mikasika izany « felaka » izany. Aleoko matikambo toa izay tsy mana-kambo. Tsy misy izay tsy mahalala izany foto-kevitro izay- ary ampiariko- ny mpanao gazety tena mpanao gazety malagasy. Eny na ireo namako any Andafy any aza.
Fa mikasika ilay andininy namaranany ilay lahatsoratra navoakany ao aminâny facebook RMDM France, dia izao : « (âŠ) Ny tena mampalehelo aminy dia, rahatrizay ka miongana Rajoelina ka hisy ny fandosirana, dia tsy mba anisanâireo ho tafiditra ao anaty avio izy satria⊠famafana gabone fotsiny. Dia hiverina ho clochard indray ». Oadray ! Fa izy Fanirisoa Ernaivo aloha izao no nitsoaka any Frantsa tsy misy mpanenjika fa mahana ny ratsy nataony. Teto Madagasikara aho no teraka, eto Antananarivo aho no monina ary eto aminâny tanindrazako aho no hilevina rehefa maty. Inona no antony tokony handosirako ?
Efa taminâny repoblika voalohany nentinâi Didier Ratsiraka aho no mpanao gazety ; nandalo Zafy, niverina Ratsiraka ; nandalo Ravalomanana, nandalo Rajaonarimampianina ary izao dia Rajoelina no filohampirenena voafidy mitondra ny Repoblika malagasy faha-dimy. Mbola mpanao gazety ihany aho. Ny taona 2001 aho no nanoratra voalohany tao aminy madagate. Izany hoe efa 20 taona aminâity taona 2021 ity. Ao aminâny « La Gazette » moa dia⊠fantaro na mahaiza mamorona.
Fa taiza ity Fanirisoa Ernaivo ity taminâizany fotoana rehetra izany ? Mbola tsy nahay mivoaka any aminâny gabone, araka ny voalazany, satria mbola zaza tsy nahay nifitra ! Ary dia mbola mitohy izany hatraminâizy 42 taona izao. Io no mahatonga azy tia ilay teny hoe « chiottes ». Farany : « Clochard » aminâny ahoana koa ? Matory tsara aho aminâny alina, tsy mitoditodika sy mahana rehefa eny an-dalĂ na. Izay ora tiako iasana no iasako. Milalao aminâny zafikeliko aho satria ireo no tena harena fa tsy izay fisehoana ivelany. Iza no milaza hoe sambatra noho izaho, aminâizao faha-67 taonako izao (afaka andro vitsy) ? Tsy misy manana ny ampy akory eto an-tany. Fa ny tsy ampy saina no mampahonena tanteraka. Hey ! Mba fantatrareo ve fa ho faty tanora tapaka lalan-drĂ ianareo manara-dia azy ? Tsia ? Andao ary kouh⊠Mafy anie ny fiainana any Andafy e ! Indrindra aminâizao fotoana izao.
Farany dia farany. Misy ny ohabolana malagasy milaza fa : « Aleo mifanena amin'ny mpamosavy toy izay mifanena amin'ny mpandainga ». Fa ity Fanirisoa ity anie ry zareo sady mamosavy ny tenany ihany aminâny vava ratsiny sy teny tsy voahevitra no mamorona tantaram-piainanâolona fa tsy vitanâny mandainga e ! Asaivo tantarainy anie ny nataony anâIkotompokolahy Rabendrainy Ramanoelison, minisitry ny Fitsarana taloha e ! Raha sahy ka tsy matahotra « fantĂŽmes »âŠ
Jeannot Ramambazafy - Lahatsoratra mivoaka ihany koa ao amin'ny "La Gazette de la Grande Ăźle", Alarobia 28 Jolay 2021
Â