Ry vahoaka malagasy,
Andriamatoa Filohanâny Antenimierandoholona,
Ramatoa Filohanâny Antenimiera,
Andriamatoa Praiminisitra, Lehibenâny Governemanta,
Ianareo Mpikambana eo anivonâny Governemanta,
Ianareo Loholona sy Solombavambahoaka izay manatrika etoana,
Ianareo Tomponandraikitra ambony, sivily sy miaramila rehetra,
Tompokolahy sy Tompokovavy.
Ny voalohan-teny dia ny fisaorana anâAndriamanitra fa tontosa soa aman-tsara ny dia sy ny fikasana rehetra izay natao tany ivelany. Ary rariny sy hitsiny raha ampahafantarina sy fintinina aminâny vahoaka malagasy sy ho anareo izay manatrika etoana ny anton-dia sy ny vontoatiny izany dia izay natao tany Frantsa, tany aminâny « Nations-Unies » ary teo aminâny FMI, taminâny herinandro lasa teo.
Izany dia nafahantsika namerina sy nametraka anâi Madagasikara eo aminâny toerana misy azy eo aminâny sehatra iraisam-pirenena fa, indrindrina indrindra, nafahantsika nanasongadina ny ezaka atao sy ny mbola ho tanterahina eto aminâny firenena. Raha fintinina dia fahombiazana tanteraka ho anâi Madagasikara.
Lehibe sy goavana ho anâny Malagasy no azon-tsika taorianâizany andro vitsivitsy monja izany. Raha fintinina dia ny talata lasa teo, izany hoe ny 21 septambra, no notanterahina ny fanaovan-tsonianâny fiaraha-miasanâny governementa malagasy sy ny tahirim-bolam-panjakana frantsay na ny « TrĂ©sor français », mikasika ny fanatanterahana ny tetikasa « tĂ©lĂ©phĂ©rique » izay atao sy ho tanterahina eto Antananarivo. Tao aminâny ministeranâny Europe sy ny Raharaham-bahiny frantsay tao Parisy no nahatanterahina izany. Ny tsy mampandroso antsika dia lany andro isika aminâny adihevitra tokony tsy hisy ; lany andro aminâny tsikera diso toerana. Izaho dia manetri-tena ary na mankany any aminâny birao any ambanivohitra any aza ataoko. Ka vao mainka ve fa tetikasa hitondra fampandrosoana zy hanamarika ny fanovana tanteraka eto aminâny Firenena - mba miantsy kely aho eto ary jereo any aminâny archives any fa ny tenako no tao aminâny « ministĂšre des Affaires Ă©trangĂšres » frantsay no nanatrika ny sonia nanaovana io « Rocade » anâIarivo io. Ny mpitsikera taloha ihany angamba androany no efa mampiasa iny lĂ lana iny, izay an-dalĂ na mitondra ny fampandrosoana, ary ireo mpitsikera ireo ihany androany no haka « selfie » eny ambony rehetra rehetra eny.
Izao tokoa moa no tsy mihaina ny olana ara-pitaterana sy ny fitohananâny fiarakodia eto Antananarivo ? Tsy misy izay tsy mikaikaika angamba aminâny embouteillages eto Antananarivo. Iza tokoa no tsy miaina ny fahasemporana ateraky ny setroky ny gas-oil, izay ateraky ny fiara eto Antananarivo ? Iza isika no tsy manana havana, manan-janaka kely sempotra noho izany hoe « ville » anisanâny « polluĂ©e » indrindra Antananarivo ? Noho izany, adidinâny mpitondra, adidin-tsika no mitondra vahaolana mba hamahana izany olana rehetra rehetra izany eto aminâny firenena. Tetikasa lehibe hitondra fanovana goavana eoaminâny fifamoivoizana sy eo aminâny fiainanâny mponina eto andrenivohitra ity tetikasa tĂ©lĂ©phĂ©rique ity, satria dia foto-drafitrasa hamaha tanteraka ny olanâny fifamoivoizana na ny « dĂ©sengorgement » anâAntananarivo.
Raha hiteny tarehimarika amitsika fotsiny aho, dia telo tapitrisa na « trois millions » ny isanâny mponina izay monina manodidina anâAntananarivo ka tafiditra ao Avaradrano, Atsimondrano sy Antananarivo Renivohitra. Dimampolo isan-jato aminâireo ihany no monina ao Antananarivo, fa ny dimampolo isan-jato kosa dia manodidina anâAntananarivo. Ary ny ankabesahanâireo olona ireo dia mandeha taxi be avokoa, izay no miteraka « pollution grave » eto Antananarivo. Ary ity tetikasa ataontsika ity dia afaka mitatitra olona 40.000 isanâandro.
Misy zotra anankiroa (misy antony daholo izany : 2 na ataontsika 4 fa 2 aloha no ataontsika), ity « tĂ©lĂ©phĂ©rique » ity : ny voalohany dia ny zotra maitso izay hampitohy anâAndohalo, Izany hoe miainga avy eny Andohalo izany, eny aminâny Rovanâi Madagasikara. Betsaka ny mpizahan-tany handeha aminâio « tĂ©lĂ©phĂ©rique » io, sy ny mpianatra, ny mpiasa, ny olona rehetra ; midina anâAndohalo, midina mankeo Ambanidia ary mahazo ny Oniversite eny Ankatso. Izay ny zotra voalohany. Ny zotra « orange » indray : iny no tena mandeha haingana sady lava be, izay miainga eo Ambohijatovo, mahazo anâAnalakely, mandray anâiny « Avenue de lâIndĂ©pendance » iny, tonga eo Soarano, mankany Antanimena, mandalo anâAnkorondrano, mandalo any Ivandry, mandra-pahatonga eo aminâny « Coliseum », ary tonga hatreny aminâny « LycĂ©e français » anâAmbatobe. Izay ny ligne Orange.
Fatantsika tsara fa farafahakeliny dia adiny iray, adiny iray sy sasany na mety ho adiny roa mihitsy aza no laninâny olona anankiray raha miala any Anosy mandrapahatonga any Ambatobe. Izay no zavatra misy, miampy ny fitohananâny fiara, miampy ny « pollution », miampy ny fatahorana ny mpangarom-paosy raha mandeha taxibe ianao⊠izany no zavatra mitranga. Fa raha mandeha « tĂ©lĂ©phĂ©rique » kosa dia telo ambiny folo minitra dia tonga, miala any Anosy hatrenâAmbatobe.
Izany no ataontsika. Dia mba te hanontany kely aho hoe : « Que demande le peuple ? », inona indray moa no angatahana ankoatra izay ? Ary tiako ny manamafy fa tafiditra tanteraka ao anatinâny vina sy ny asa fampandrosoana entina hanavaozana ny tanĂ na mba hifanaraka aminâny toetrandro maoderina ity tetikasa « tĂ©lĂ©phĂ©rique » ity.
Fa tsy izay ihany, fa efa manana hafa koa isika, efa manomboka ao, efa nampanantenaina hatraminâizaho Benâny tanĂ na : notenenintsika fa tsy maintsy havaozina ny fifamoivoizana sy ny fitanterana eto an-drenivohitra sy manerana anâi Madagasikara. Efa manomboka ihany koa ary efa vita sonia ny « train urbain », ary efa mandeha daholo izany asa rehetra izany.
Fitaterana azo antoka, tsy mandoto ny tontolo iainana ary miainga aminâny herinaratra manokana ity « tĂ©lĂ©phĂ©rique » ity. Izany hoe : famatsiana herinaratra azo avy aminâny masoandro izay « coupler-na » amina « groupe Ă©lectrogĂšne » manokana no hanatanterahana sy hampandehanana anâity tetikasa « tĂ©lĂ©phĂ©rique » ity.
Fa ny dia tao Frantsa ihany koa dia anisanâny nanaovantsika ny sonia mikasika ny tetikasa Mandraka 3. fanaovana « barrage hydraulique » io Mandraka 3 io. Ny zavatra teneniko dia izao : Hanova ny tantara isika. Ary ny zavatra mora indrindra dia mitsikera, fa ny tena mora noho izany dia ny tsy manao na ninonana inona. Ka izahay tsy namanâny mihemotra fa namanâny miasa, ka na inona na inona zavatra ho lazaina dia tsy maintsy mandroso i Madagasikara.
Rehefa vita izany asa fanaovan-tsonia izany, nametrahantsika ny tetikasa rehetra tao Frantsa izany, dia nitodi-doha nankany New-York ny tenako niaraka taminâireo delegasiona nanatrika sy nandray anjara taminâny fomba ofisialy ny andiany faha-76 ny Fivoriambenâny Firenena Mikambana. Iny moa ny fivoriambe voalohany natrehako tao aorianâny nahavoafidy ahy ho Filoham-pirenena. Ary fotoana lehibe tokoa izay nafahako nisolo tena ny Firenena Malagasy. Afaka milaza isika fa betsaka ny fankasitrahana avy any aminareo fa heninkaja ary tsy nitsanga-menatra ny Malagasy fa manana mpitarika tanora.
Nisy ihany koa ny fihaonana taminâi Antonio Guterres, izay Sekretera Jeneralinâny Firenena Mikambana izay niarahaba manokana ny fitondram-panjakana Malagasy taminâny fitantanantsika ny ady izay nataontsika taminâny coronavirus. Naneho ny fankasitrahany taminâireo ezaka rehetra nataonâny fitondram-panjakana Malagasy taminâny fametrahana sy ny fanamafisana ny demokrasia eto Madagasikara ny tenany. Ary nanamafy fa raha te-handroso ny firenena dia ilaina ny « stabilité ». Tsy ilaina ny fanakorontanana ary ilaina ny « alternance dĂ©mocratique ».
Ny Firenena Mikambana ihany koa dia manohana ny vinanâny fitondram-panjakana Malagasy ho fampandrosoana anâi Madagasikara ary mankahery antsika aminâny ezaka maro ataontsika ho fanarenana ny Firenena. Anisanâny noresahana manokana tao ihany koa ny mikasika ny any Atsimonâny Nosy, dia ny tetikasa lehibe izay hapetraka manokana. Fanamby ireo asa ireo ary ho entina hanavotra ity Firenena malalantsika ity.
Rehefa vita ny fandraisam-pitenenana natao teo aminâny « tribune » anâny « Nations Unies », dia nitodi-doha nankany Washington avy hatrany ny tenako sy ny delegasiona, ny alakamisy lasa teo, nankany aminâny FMI na ny « Fonds MonĂ©taire International ». Tsara ny manamarika fa isika no firenena voalohany noraisinâny Tale Jeneralinâny FMI tao aorianâny roa taona izay niatrehanâizao tontolo izao ny coronavirus na ny Covid-19, nandritra ny fivoriana izay natao ombieny ombieny taminâireny visioconfĂ©rence ireny. Ary namafisiko tao anatinâny fotoana niarahana taminy iny ny tokony hanafoanana ny trosanâny firenena sy ny hanampiana azy ireo aminâny fanarenana ara-toe-karena aorianâizao Covid-19 izao.
Nomarihinâny Tale Jeneralinâny FMI fa resy lahatra tanteraka izy aminâny paikady sy lalan-tsaina entintsika hampandrosoana ny firenena aminâny sehatra ara-toekarena fa indrindra ara-tsosialy. Noho izany dia : voalohany, averiko : voalohany taminâny tantaranâi Madagasikara no nahazoantsika famatsiam-bola goavana sady tsy averina mitentina⊠Famatsiam-bola, tsy averina⊠Ohatra ny mahare aho mantsy hoe trosa trosa, a a a ! Famatsiambola tsy averina. Noho ny ny fijerentsika ny tombotsoantsika, dia nahazo 332 millions de dollars na 332 tapitrisa dolara tsy averina ny firenena Malagasy, izay entintsika hampandrosoana sy hanarenana ny firenena aorianâiny Covid-19 iny.
Taminâny 23 septembre 1963 isika no niditra ho mpikambana tao anivonâny FMI fa notahianâAndriamanitra isika. Raha afaka atao ny mandohalika dia mandohalika mihitsy misaotra anâAndriamanitra. Tsy miteny aho hoe mana nilatsaka avy any an-danitra, fa noho ny fitahianâAndriamanitra dia nahazo anâizao fanampiana goavana be izao isika ary afaka tonga dia ampiasaina avy hatrany fa tsy miandry afaka herinandro fa na rahampitso aza isika hoe izao no ilainay dia tonga dia ampiasaina. Ary tapaka nandritra ny fihaonana fa hanatanterahana ireo tetikasa fampandrosoana io fanampiana azontsika io. Izany hoe : ho atokana ho anâny fotodrafitrasa ara-tsosialy mahakasika ny angovo azo havaozina, ny rano, ny ady aminâny tsy fanjarian-tsakafo, ny lĂ lana, fa indrindra indrindra ho anâireo asa fampandrosoana rehetra voafaritra izay norafetintsika.
Fehiny dia hanavaozantsika tanteraka ary hanovantsika tanteraka ny Tantara ny any Atsimonâny Nosy sy ny fotodrafitrasa rehetra manerana ny Nosy izay tokony ho tsapa fa hitondra fampandrosoana, izany vola azontsika izany. Tiako ny manamarika fa tapaka taminâizany fa tsy ho ampiasaina mihitsy aminâny fampihodinan-draharaha izay tsy ho hita mivaingana sy ventiny izany fanampiana izany, fa hatokana tanteraka ho anâny fametrahana fotodrafitrasa maharitra, mitondra vokatra azo tsapain-tanana, sy ny mahasoa ny vahoaka Malagasy.
Mety hisy hilaza indray any zao hoe tsy laharam-pahamehana ny zavatra atao, fa eto aho izany dia tena gaga mihitsy hoe matoa tsy nandroso ity firenena ity dia satria tsy nisy na inona na inona laharam-pahamehana taminâny mpanao politika sy ny mpitondra nifandimby ny zavatra rehetra natao teto aminâny Firenena. Izay rehetra tsy laharam-pahamehana, izay atao rehetra dia najanona, aleo tsisy na inona na inona atao. Izay no noteneniko hoe isika tsy namanâizay mihemotra fa isika namanâny mandroso ary miasa hatrany.
Reko anefa, reko ny fitarainanâny vahoaka. Reko ihany koa ny ezaka tokony atao. Misy « contexte mondial » mikasika ny vidinâentana satria ny sambo, ohatra, dia miakatra daholo ny « transport » avy any Chine, ohatra : raha 3.500 dollars teo aloha, izao efa 12.000, 8.000 na 12.000 dollars ny « conteneur » mankany Chine. Izay izany no antony mampiakatra ny vidinâentana. Nefa na dia izany aza dia izay no noteneniko hoe : raha azo atao ny mandohalika dia mandohalika satria inona no antony ? Hanafatra sambo 20 isika hitondra PPN ho amidy aminâny vidiny mora eto Madagasikara.
Hividy siramamy isika, hividy vary isika, sy izay PPN rehetra ilainâny vahoaka malagasy dia ho vidiantsika. Sambany angamba teto aminâny Tantaranâny Firenena no misy anâizany, ary izay no noteneniko hoe : isika dia mandroso ary tsy maintsy hampandrosoana ity Firenena ity. Noho izany dia miarahaba manokana antsika Malagasy tsy vaky volo ny tenako fa azo lazaina fa nody ventiny ny rano natsakaina ankehitriny, ary indrindra indrindra ireo tetikasa rehetra izay ataontsika. Dia mitohy ireo asa marobe efa natomboka ary ho tanteraka ireo asa rehetra nokasaina sy, indrindra indrindra, ny velirano nifanaovana.
Fehiny : miasa isika, ary miasa mafy. Mandroso isika ary, indrindra indrindra, tsy maintsy tafita i Madagasikara.
Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.
Nandika an-tsoratra araka ny henonâny sofina : Jeannot Ramambazafy