]
Les quotidiens du 21 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Taolagnaro. Kabarin’i Ramatoa Mialy R. Rajoelina mikasika ny NUTRISUD

Taolagnaro. Kabarin’i Ramatoa Mialy R. Rajoelina mikasika ny NUTRISUD

Andriamatoa Filohan’ny Repoblika,

Ianareo Mpikambana ao amin’ny Governementa,

Ianareo Parlemantera,

Mesdames et Messieurs les Représentants des Organisations internationales,

Ianareo Manam-pahefana sivily sy miaramila,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Vory eto Ampamankiambato eto Taolagnaro isika, androany voalohan’ny volana Oktobra 2021.

Andro manantantara manamarika ny fitokanana ny foto-drafitrasa lehibe entina hitsinjovana sy hanavotana ny zaza amam-behivavy.

Miverina ato an-tsaiko matetika ireo fitsidihana nataoko manerana ny Faritra aty Atsimo ka nahitako maso ny fahoriana mianjady amin’ireo fianakaviana noho ny tsy fahampiana ara-tsakafo, indrindra ireo ankizy. Nanamarika ahy manokana ny mason’ireo zaza mipitrapitra, mitaraina, miantso vonjy, miaina ao anatin’ny tsy fahampiana lalina.

Nanomboka teo dia tsy mitsahatra aho mitady vahaolana, miantso ireo mpiara miombon’antoka, nanainga ireo malala tànana. Tsy afaka ny hanao andraso andraso fa nanao izay vita ary tao anatin’ny fotoana fohy dia nitondra vaha olana mba hampitsiry ny fanantenana sy hampiverina indray ny tsiky sy hafaliana eny amin’ny endrik’ireo zaza.

Tsy maintsy miara-misalahy isika rehetra tsy ankanavaka. Ny zanako moa dia manaraka ary manampy ahy isaky ny misy fitsidihina ifotony ataoko aty Atsimo. Tsy afaka ny hitazam-potsiny ny fahoriana iainan’ireo mpiray tanindrazana amintsika isika. Azo atao tsara ny manova ny zava-misy sy manampy ny Faritra aty Atsimo manoloana ny olana sedrain’ireo fianakaviana ireo mba ho afaka amin’ny tsy fahampiana ary mba mahavelo-tena ny mponina aty amin’ity Faritra ity.


Tompokovavy sy Tompokolahy,

Zaza aman’etsiny no tratran’ny tsy fahajariantsakafo aty Atsimo. Tsy maintsy mitondra vahaolana maharitra isika hanavotana ireo fianakaviana, indrindra ireo zaza. Izay no anton’ny nananganana ny NUTRISUD.

Ny NUTRISUD dia napetraka hiadiana amin’ny tsy fahajariantsakafo handresena ny kere eny anivon’ny sekoly sy ny kaominina hianjadian’izany. Faniriana no napetraka, ary asa no natao, koa tanteraka izany ankehitriny.


Dingana lehibe handresena ny tsy fanjarian-tsakafo ny fananganana ity ozinina ity ety ifotony. Hamorona asa ny fametrahana izao toeram-panodinana sy famokarana eto Taolagnaro izao. Anisan’izany ny fambolena ireo akora ilaina aty amin’ny Faritra Anosy sy Faritra Androy. Mbola hisy ihany koa ny famokarana koba azo avy amin’ny katsaka sy mangahazo, na gari.


Mahery ny valo tapitrisa (8.000.000) isan-taona ny vokatra voalohany hivoaka ato, ary mahery ny roa alina sy iray hetsy (120.000) ireo zaza hisitraka ny vokatra any an-tsekoly ny taona voalohany ary ho zaraina mamaim-poana izany. Antenaiko fa hitera-bokatsoa izao foto-drafitrasa izao ary hipetraka ho tantara.

Mankasitraka Tompokolahy, mankatelina Tompokovavy

Mialy R. Rajoelina

Filoha mpamorona ny Association Fitia


Résumé en français des phrases de Madame Mialy R. Rajoelina à retenir

« Aujourd’hui est un jour important pour moi car c’est la concrétisation d’un projet qui me tient à cœur, qui permettra à une grande partie des enfants du Sud de Madagascar de sortir de la malnutrition ».

« J’ai plus que jamais l’assurance d’un Sud qui se relève et qui se bat contre la condition qu’on lui a toujours fait sienne ».

« Chaque année, NUTRISUD produira 600 tonnes soit 8 millions de dosettes de solution nutritionnelle qui permettront l’approvisionnement des cantines scolaires, ainsi que leur distribution gratuite dans toutes les écoles de la région d’ANOSY et de la région d’ANDROY ».

« C’est ensemble que nous réussirons à combattre la malnutrition et à sauver des vies ».

« J’adresse donc mes plus vifs remerciements à la Fondation Mérieux et au groupe Nutriset pour ce partenariat qui est une réussite. Oui le travail accompli conjointement va résoudre un problème qui sévit depuis bien trop longtemps dans le Sud de Madagascar ».

Recueillis par Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Mardi, 05 Octobre 2021 12:20 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA