]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Taolagnaro. Kabarin’i Ramatoa Mialy R. Rajoelina mikasika ny «Centre ami de la vaccination»

Taolagnaro. Kabarin’i Ramatoa Mialy R. Rajoelina mikasika ny «Centre ami de la vaccination»

Andriamatoa Minisitra ny fahasalamam-bahoaka,

Madame la Représentante de l’Organisation Mondiale de la Santé

Mesdames et Messieurs les Représentants des Organisations internationales,

Ramatoa talen’ny Hopitaly CHRR eto Taolagnaro,

Ianareo mpiasan’ny fahasalamana rehetra,

Tompokovavy sy Tompokolahy,

Ampifaliana hatrany no hiarabana anareo rehetra izay tonga manatrika izao fotoana izao. Ny sehatry ny fahasalamana no antony mahavory antsika eto amin'ity toerana ity androany. Ezaka niarahan'ny Association FITIA tamin'ny Organisation mondiale de la santé na OMS ny fametrahana toerana antsoina hoe: " Centre Ami de la vaccination" manerana ny Nosy. Ny volana novambra 2019 no nametrahana ny "Centre ami de la vaccination” voalohany tao amin'ny Hopitalin'ny Reny sy ny Zaza Ambohimiandra - Antananarivo.

Anio kosa dia ny eto Taolagnaro no isitraka izany.

Tompokovavy sy Tompokolahy,

Ny vaksiny dia anisan'ny fomba mahomby hiarovana ny zaza ho tomady, fanefitry ny areti-mifindra sy valanaretina samihafa, hafahana mitsinjo sy antoky ny fahasalaman'ny taranaka.

Ho antsika eto Madagasikara dia efa misy ny tetiandron'ny fanaovam-baksiny ho an'ny zaza vao teraka hatramin'ny erintaona. Tokony hajaina ny fotoana voafaritra hanaovana vaksiny sy ny famerenana na "rappel".

Manentana antsika ray aman-dreny aho : aza variana fa ento atao vaksiny maimaim-poana ety amin'ny tobim-pahasalamana ny zanatsika fa zon'izy ireo ny ho tsaboina sy harovana amin'ny aretina.

Aza manana ahiahy fa tsy misy hatahorana, tsy misy voka-dratsiny ny fanaovam-baksiny ny zaza.

Mitodika aminareo mpisehatra rehetra eo amin'ny fahasalamana eto Madagasikara ny tenako. Mankahery anareo aho amin’ny asa fanasoavana ataonareo ary misikinà fikirizana.

Koa ambarako fa misokatra amin’ny fomba ofisialy ny "Centre ami de la vaccination" eto Taolagnaro ary hamafisiko fa misokatra ho an'ny rehetra ny "Centre ami de la vaccination" efa napetraka teo aloha.

Ahitana ny tolotra rehetra mifandraika amin'izany izy ireo, azo hakana torohevitra ara-pahasalamana ihany koa.

Farany, dia tolorako fisaorana ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka izay tarihinao Andriamatoa Minisitra, noho ireo fiaraha-miasa marobe hatramin'izay ary iriko, irinay ny mba hitohizan'izany amin'ny tsaratsara kokoa. Tsy adino ihany koa ny OMS izay nanohana sy niara-dia aminay hatrany amin'ity tetikasa ity.

Eto aho dia manolotra ny fisaorana manokana amin’ny Ramatoa Représentante-ny OMS amin’ny fiaraha-miasa izay nahomby tokoa.

Ho lavitry ny rofy anie isika rehetra, ary ho salama tsara ireo sombin'ny aintsika.

Mankasitraka, mankatelina antsika jiaby !

Mialy R. Rajoelina

Filoha mpamorona ny Association Fitia

Mis à jour ( Mardi, 05 Octobre 2021 12:22 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...