]
Les quotidiens du 22 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Mialy Razakandisa Rajoelina sy ny adiny amin’ny herisetra mahazo ny Vehivavy 2021

Mialy Razakandisa Rajoelina sy ny adiny amin’ny herisetra mahazo ny Vehivavy 2021

RAMATOA MIALY R. RAJOELINA

Kabary nadika an-tsoratra, nataony ny 25 Novambra 2021, andro izay fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny herisetra mahazo ny Vehivavy.

«  Daty manan-danja amintsika vehivavy izany, izay hanehoana ny firaisankiana. Noho izany dia mahatsiaro manokana an’ireo andriambavilanitra rehetra manerana ny Nosy, izay iharan’ny herisetra, miaina ao anatin’ny fijaliana sy ny hirifiry, ny tenako. Fa indrindra ireo vehivavy izay miharitra ny mafy ho fiarovana ny zanany, ireo izay tsy sahy miteny, maneho ny fijaliana izay mianjady aminy. Tsy hitsahatra aho ny hiahy, ny hiaro, sy ny hitondra teny an’ireo vehivavy izay iharan’ny herisetra.

Hita ankehitriny fa mbola mahazo vahana ny herisetra na amin’ny fihetsika, na amin’ny fiteny, ka tsy maintsy iadiana sy atrehina isan’andro izany. Fantatsika fa zavatra iainana eny anivon’ny tokantrano maro, eny anivon’ny fiarahamonina ny herisetra izay miseho amin’ny endrika samihafa. Misy ny herisetra ara-nofo toy ny fanolanana, ny herisetra ara-batana toy ny fikasihan-tanana; misy ny herisetra amin’ny fihetsika na amin’ny fiteny, herisetra izay tsy mandratra ivelany fa mamela takaitra toy ny hetraketraka ara-moraly, ny fanambaniana, ny fanitsakitsahina ny mahaolona, ny fanosihosena.

Ho anareo izay mihetraketraka, mikasi-tanana, mamono, manao tsindry hazo lena sy mampijaly vady, mila ovaina ny fomba fisainana, mila mianatra mifampihaino sy mifampiresaka ary indrindra mifanaja satria tsy vahaolana velively ny herisetra fa vao mainka ary miteraka olana hafa.

Maro ireo vehivavy izay tsy sahy miteny, maneho ny fijaliana izay mianjady aminy, ary izay indrindra no nananganana ireo Rafitra, mba hahafahana mihaino, miahy sy manoro lalana azy ireo. Betsaka ireo Fikambanana, ny olom-pirenena manao ezaka mba hanovàna ireo tranga mamohehitra ireo. Ao ihany koa ireo rafi-panjakana sy ireo sampan-draharaha rehetra miara-mientana hamongorana ny herisetra satria ady iombonan’ny rehetra izany ary hankasitrahiko manokana izy ireo.

Maro ireo hetsika natao, fa singaniko manokana amin’izany ny fanohanana ny asan’ny vehivavy izay manosika azy ireo any amin’ny fahavitantena sy fahaleovantena, ary indrindra fa ny fomba fifandraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy.

Satria io no fomba tena mandaitra entina manampy azy ireo hanatsarana ny fiainany eo amin’ny tontolo ara-pianakaviana sy ara-tsosialy.

Mifandray tanteraka amin’izany ny lohahevitry ny “Orange Day” amin’ny fankalazana amin’ity taona ity, dia ny hoe «Viavy miavotse, lavitry ny herisetra».

Efa lany ihany koa ny lalàna momba ny ady amin'ny herisetra izay arofanina miaro ireo vehivavy sy tovovavy tsy mba nanana itarainana hatrizay.

Mba hampifanantonana ny rafi-panjakana amin’ireo vehivavy izay niharan’ny herisetra dia misy ny tetikasa vaovao ho apetraka izay iarahana amin’ny Ministeran’ny Fitsarana, hametrahana ireo Tribonaly na “audience foraine” any amin’ireo toerana lavitra sy mitokamonina. Izany dia mba hanafainganana ny fitsarana an’ireo izay mpanao herisetra ka aoka mba tsy hilefitra manoloana ny tsy rariny ny Fitsarana.

Ny faniriako dia tsy andro fankalazana fotsiny ny andro anio, fa hanao ny ezaka rehetra isika hamongorana ny herisetra isan’andro isan’andro ».

Mis à jour ( Dimanche, 28 Novembre 2021 08:45 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA