]
Les quotidiens du 21 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une MADAGASIKARA. NY FOTOAN’NY RIVO-DOZA. FEPETRA TSY MAINTSY FANTATRA SY TSY MAINTSY ARAHINA SY MIKASIKA IREO MANOZON-TENA

MADAGASIKARA. NY FOTOAN’NY RIVO-DOZA. FEPETRA TSY MAINTSY FANTATRA SY TSY MAINTSY ARAHINA SY MIKASIKA IREO MANOZON-TENA

Mampahonena ny Malagasy sasany jamban’ny aratsian-tsaina ka na ny taranany aza manjara ozoniny. Adinony tanteraka fa na dia mbola tsy teraka aza izy ireo, ka na iza mpitondra eo dia tsy maintsy andalovan’ny rivo-doza ity Madagasikara ity, eo anelanelan’ny volana desambra sy voalohan’ny volana avrily, isan-taona isan-taona. Mailaka mihitsy ny sasany manafangaro ny tondra-drano aterak’izany rivo-doza izany, sy ny velirano izay fomba filaza rehefa manao fanamby ho tratrarina.


Izy ireo, izay efa fantatra satria misehoseho eny amin’ny radio sy televiziona ary kinga be eto amin’ity Facebook ity (na sahy mampiseho ny anarana nomen’ny ray aman-dreniny, na kanosa tsy milaza ny tena anarany), ka tsy mahita afa-tsy ny lafi-ratsin’ity fiainana fandalovana ity (saingy ho anao fa tsy aazy mianakavy), dia toa ireny olona tsy ho faty ireny mihitsy (« immortels » hoy ny vazaha). Kanefa rehefa lasa dia tsy misy mahatsiaro intsony.


Betsaka no azo tenenina fa aleho afohezina. Ireo ambany ireo misy toetran’olombelona. Raha tsy ao anatiny ianao dia torohy ireo feno fialonana sy fankahalana fa samy ho faty daholo anie e ! Ka maninona no mampijaly tena manafohy ity fiainana fandalovana ity amin’ny fanatsiana ny hafa. Sa efa anjely tokoa ?

Mpiatsara ivelan’ny tsihy ; Tsy manana fanetre-tena ; Ora hava-manana ; Be fialonana ; Miseho mahay noho ny hafa ; Tia sy manao kolikoly ; Be resaka etsy sy eroa ; Tsy mbamety manaiky ny fahadisoany mihitsy ; Tia voninahitra ; Tia tena ; Kamo be tenda ; Manafina ny tena toetra ao ambadiky ny fivavahana ; Be fitsikerana kanefa tsy misy atokona ; Tsy mety manaraka ny lalàna mipetraka hatrany.


Ho avy ny rivo-doza Batsiraï. Hisy amintsika handao ity tany fandalovana ity ; hisy amintsika no haratra ; misy hamintsika ho very fananana ao anatina segondra vitsy. Mfianampia, mifankatiava fa tsy fantatrao anie fa mety ianao io, tafiditra amin’ireo toetra ratsy voatanisa eo ambony ireo anie, no ho tafiditra ao anatiny e !? Tsy izaho mihitsy no mandahatra fa mety hitranga daholo ny « tsy ampoizina » amin’izao fiainana fandalovana izao. Ary ny tenenina dia mitovy amin’ny fanenjehana olona, tsy isy valaka : aoriana ao handatsa.

Malagasy havako : iza marina ianao ?

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Vendredi, 04 Février 2022 10:53 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA