]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Mpanjaka Charles III. Niamboho ny Mpanjakavavy, Ho ela velona anie ny Mpanjaka !

Mpanjaka Charles III. Niamboho ny Mpanjakavavy, Ho ela velona anie ny Mpanjaka !

Niamboho tao Balmoral, any Ecosse, tamin'ny 8 septambra 2022, ny Mpanjakavavy Elizabeth II. Araka izany, dia ny zanany lahimatoa, ny Printsy of Wales Charles Philip Arthur George, no tonga dia mandimby azy ka tsy maintsy manao Fianianana izy ho lasa ny Mpanjaka Charles III, alohan’ny hiakarany eo amin'ny seza fiandrianan'ny Mpanjaka Britanika, toa ireo nialoha azy rehetra.

Ny Fianianan’ny Mpanjaka vaovao ao Royaume-Uni dia fampanantenana sy fanaomezan-toky ampahibemaso fa tsy hivadika amin'ny fanjakana britanika, ny mpandova azy ary ny mpandimby azy. Fa izy io koa dia fianianana ataon’ireo mpiasam-panjakana manokana ao Royaume-Uni ary koa ireo olona hizaka ny zom-pirenena britanika.

Toa dia izao manaraka izao, izany fianianana izany, natao amin'ny fiteny ankehitriny mifanaraka amin'ireo voalaza ao amin'ny LalĂ na momba ny fianianana tamin'ny 1868:


“ Izaho, Charles III [Charles fahatelo], noho ny fahasoavan’Andriamanitra, avy amin’ny Fanjakana Royaume-Uni ao Grande-Bretagne sy Irlande Avaratra ary ireo Fanjakako sy Faritra hafa eo ambanin’ny Fiahiako, Mpiaro ny Finoana, dia mampanantena amim-pahatokiana sy mianiana fa hihazona sy hitahiry ny Fametrahana ny Fivavahana Protestanta marina, araka ny Lalàna naorina tao Ecosse mikasika ny fitakiana ny zo ary indrindra amin'ny alalan'ny Lalàna iray mitondra ny lohateny hoe “Lalàna momba ny fiarovana ny Fivavahana Protestanta sy ny Fitondranan’ny Fiangonana Presbyteriana” ary tamin’ny alalan’ny Lalàna nolaniana tao amin’ny Parlemanta roa tonta ho amin’ny Fiombonan’ny Fanjakana roa, miaraka amin'ny Governemanta, ny Fanompoam-pivavahana, ny Fitsipi-pifehezana, ny Zo ary ny Tombontsoan'ny Fiangonana ao Ecosse. Koa ampio aho Andriamanitra ”.

Vita io fianianana io dia voarakitra soratra misy dika-mitovy roa ary ataon’ny Mpanjaka vaovao Sonia.


Tsara marihina fa io fianianana nataon’ny Mpanjaka Charles III, tao amin’ny Saint James Palace ao London io, dia voalohany indrindra nalefa nivantana tamin’ny fahitalavitra ka hitan’izao tontolo izao, ny Sabotsy 10 Septambra 2022, raha ny andro teto Madagasikara. Ary ilay hiram-pirenena hoe “God save the Queen” (Andriamanitra, tahio ny Manjakavy) dia lasa “God Save the King”. Izany hoe ny feo sy ny tonon-kira dia tsy nisy niova fa ilay voambolana “Queen” no novana ho “King” Mpanjakalahy).


Ary ny tsara ho fantatrao farany, mpamaky hajaina, dia ireto : Ny Mpanjaka Charles III dia teraka ny 14 Novambra 1948 tao amin'ny Lapan'i Buckingham. Nanomboka ny Sabotsy 10 Septambra 2022 izy dia Mpanjakan'ny Fanjakana Royaume-Uni sy ireo Fanjakana dimy ambin'ny folo hafa, fantatra amin'ny anarana hoe Commonwealth ary ireo faritany miankina amin’ny fanjakany fa kosa mahaleotena.

Miisa firenena miisa 56 no mpikambana ao amin’ny Commonwealth amin’izao fotoana izao. Raha atambatra dia mitontaly 30.282.502 km2 ny velaran-taniny eraky ny kontinanta dimy, ary ny isan’ny mponina, amini’zao taona 2022 izao dia tafakatra 2.558.903.391, izany hoe ampahatelon'ny olombelona maneran-tany. Amin’ireo firenena ireo dia telo no mandrakotra ny 80%-ny mponina maneran-tany, dia : Inde, Bangladesh ary Pakistan. Fa ny kaontinanta be solontena indrindra, ao amin’ny Commonwealth, dia Afrika izay misy firenena 21 mpikambana ao.

Niamboho ny Mpanjakavavy, Ho ela velona anie ny Mpanjaka !

Jeannot Ramambazafy - 12 Septambra 2022

Mis Ă  jour ( Lundi, 12 Septembre 2022 12:29 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...