Ny Alahady 07 may 2023 dia noraisin'ny Filoha Andry Rajoelina teny amin'ny Lapam-panjakana ao Iavoloha ny Delegasiona avy aminy Tahirim-bola Iraisam-pirenena na ny FMI (« Fonds monétaire international ») izay notarihin' Andriamatoa Abebe Aemro Sélassié, Talen'ny departemanta ao amin’io vondrona tafiditra ao amin’ny Banky Iraisam-pirenena (Banque mondiale) io.
Anisan'ny lohahevi-dehibe noresahina tao anatin'izany fihaonana izany ny Fivoriana tombana andiany faha-4 na ny « 4e revue » an'ny FEC (« Facilité élargie de crédit »). Hodinihina mandritra izany Fivoriana tombana izany ny fanatanterahana ny fandaniambolam-panjakana na ny « Exécution budgétaire » sy ny fijerena ny fampidirambolam-panjakana, indrindra fa ny mikasika ireo vola avy amin'ny mpandraharahan'ny solika.
Noentin'ny Filoha nanoloana ireto delegasiona avy amin'ny FMI ireto ny asa nataon'ny fitondram- panjakana sy ny governemanta tao anatin'ny 4 taona, izay nanamafisana ny Fitondram-panjakana manakaiky vahoka tamin'ny alà lan'ny fananganana fotodrafitrasa tena mikendry ny Fampandrosoan’ny Firenena malagasy marina -fa tsy ho ana tombontsoa manokana-, toy ny sekoly (efitrano miisa 4.000 no natsangana manerana an’ny Nosy) ; ny oniversite ; ny hopitaly (13 no tafatsangana ary hiampy tobim-pahasalama miisa 15) ; ny là lana (RN44, la RN5A, la RN10, la RN9, la RN6), ary farany teo, ny fantsona lehibe (« pipeline ») mitondra rano manomboka eo renirano Efaho mankany Ambovombe sns... Ohatra ihany ireo.
Nidera manokana ny Fitondram-panjakana malagasy moa ity Talen’ny FMI ity tamin'ireo asa maro be notanterahina, na dia nisy aza ny valanaretina covid-19 nampikatso ny sehatra malagasy tsy tambo isaina nandritra ny 20 volana, teo anelanelan’ny fiantomboan’ny taona 2020 sy ny amaranana ny taona 2021.
Notsipihany ihany koa ny tokony hanamafisana bebe kokoa ireo ezaka momba ny Fampandrosoana ny Fambolena. Nifampiresahan'ny roa tonta ihany koa ny hafahan'i Madagasikara misitraka ilay « Fonds Fiduciaire pour la Résilience et la Durabilité » na FFRD avy amin’ny FMI. Izy ity dia natao indrindra hamatsiana ireo fanavaozana mila hatao mba ahafahan’ny firenena miatrika bebe kokoa ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetrandro na « Changement climatique ».
Fantatra fa voasokajy ho isan’ny firenena afaka misitraka (« éligible ») izany i Madagasikara noho ny efa fananany ny antsoina hoe lasitra ara-toekarena mikasika ny fiovaovan’ny toetrandro.
Amin'ny 12 may 2013 no mifarana ny Fivoriana tombana andiany faha-efatra izay dingana ihany koa amin’ny fifampiresahana momba ny programma FFRD amin’ny volana oktobra - novambra 2023.
Raha hiverenana ilay hoe FFRD dia fandaharanasa famatsiam-bola vaovao avy amin’ny FMI izy ity. Voarakitra tamin’ny volana aprily 2022 ny famoronana azy ary nampiharina nanomboka ny volana mey 2022. Anisan’ireo firenena nangataka tamin’ny fomba ofisialy ny hisitraka izany i Madagasikara. Ity FFRD ity dia mikendry ny hanampy ara-bola ireo firenena marefo sy antonony misedra olana ara-drafitra maharitra izay miteraka olana goavana eo amin’ny lafiny ara-ekonomika. Olana toy ny fiovan'ny toetr'andro sy ny areti-mifindra.
Fa ny antony lehibe nahatonga ny Firenena malagasy hisitraka io FFRD io dia : 1. Noho izy nametraka ny CMAP (« Programme d'évaluation macroéconomique du climat » na Programa fanombanana ny toetrandro eo amin’ny lafiny macroekonomika) ; 2. Satria ao anatin’ny Praograma FEC hatrany i Madagasikara. Farany, ny FFRD dia hanome fanohanana ara-stratejika ihany koa, ankoatry ny famatsiam-bola.
Jeannot Ramambazafy – Sary zAndry