Arahabaina manokana ny « Premiere Dame de Madagascar », Ramatoa Mialy Razakandisa Rajoelina. NY RAIAMANDRENY, rankizy, na firy taona ianao na firy taona (ireo niteraka anao, ireo zokiolona, ireo ray aman-dreny ara-panahy, ireo mpitaiza sy mpanabe) DIA FANAJA. Manozon-tena ny zanaka maniratsira sy mikasi-tà nana azy ireo. Ary tsarovy ao am-po sy ao an-tsaina mandrakariva ireo nialohan-tsika any ankoatra tsy taka-maso any.
Farany : hajao ny Nosy Madagasikara, tanindrazan’ny Malagasy. Izy no Renin-tany na « Mère-Patrie ».
Ity tononkalo ity no atolotray roa ho an’ny Reny Malagasy maneran-tany. Fohy fa mafonja ny tian’ny mpanoratra am-pitaina ho mariky ny fitiavany an’i Neny, Mama, mother, maman.
Mpanoratra izay mpanao gazety ihany koa, vao avy nanokafan’ny Ministeran’ny Kolontsaina fotoana manokana amin’ny fanokafana ny jobily fankalazana ny faha-100 taonan’ny nahaterahany.
Nicole sy Jeannot Ramambazafy
* * * * *Â * *
NENY
Na dia tsy voateny
toy ny an'i Dada
ny anaranao, ry Neny,
Izaho dia mahalala
fa ianao irery
no loharano mavana
manome ny hery
sy tena Fitiavana.
Mey 1991
Georges Andriamanantena
RADO (1 Oktobra 1923 - 15 Septambra 2008)