]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une MADAGASIKARA. 1.17O NY FAHAZAHOAN-DALANA NAVOAKAN ‘NY FARITRA ATSINANANA HO AN’IREO MPANANGOM-BOKATRA LODSIA

MADAGASIKARA. 1.17O NY FAHAZAHOAN-DALANA NAVOAKAN ‘NY FARITRA ATSINANANA HO AN’IREO MPANANGOM-BOKATRA LODSIA

Manodidina ny 18.000 taonina no vokatra lodisia haondran'i Madagasikara amin'ity taom-piotazana 2023. "Nitombo izany lanja izany raha oharina tamin'ny taona lasa", araka ny fanazavana azo avy eo anivon'ny Faritra Atsinanana. Ny talata 21 Novambra 2023 lasa teo, tamin'ny 3 Ora tolakandro, no nanomboka ny taom-piotazana lodisia any amin'ny Faritra Atsinanana sy ny Faritra Analanjirofo. Ireo Faritra roa ireo no miantoka ny fanondranana lodisia any ivelany, indrindra any Eropa, mialohan'ny Fetin'ny Noely 2023.

Sambo 3 be izao no hitondra ny maro amin'ireo vokatra lodisia haondrana any ivelany ireo raha toa ka sambo 2 hatrany izany isan-taona. Ny orinasam-panjakana SMMC (« Société de Manutention de Marchandises Conventionnelles ») no tena miantoka hatrany amin'ny 90% ny fampidirana izany vokatra lodisia izany ao anaty sambo rehefa miainga avy any amin'ny orinasa mpanondrana (« exportateur ») ka tonga ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina. Vokatra tsy ao anaty kaontenera ireo fa anaty ny antsoina hoe : « palette ».

Ity orinasam-panjakana SMMC no miandraikitra ny pitsopitson’ny fanondranana ireo vokatra izay tsy mitsahatra miezaka manome fahafahampo ny mpanjifany sy mivoatra manaraka ny toetr'andro amin'ireo fitaovana ananany. Azo tsapahin-tànana amin'ny fivoaran'ny asan'izy ireo isan-taona izany. Indrindra amin'ity asa fanondranana lodisia ity. Raha tsiahivina dia ity orinasa ity no mikirakira ny fampidirana ny lodisia anaty « palette » ao anaty sambo haondrana any ivelany. « Misy ny fanamby ataon'ny orinasa SMMC, amin'izao fanondranana lodisia 2023 izao satria na sambo miisa 3 aza no hitondra ny vokatra eto Madagasikara hiazo an'i Eropa dia hovitain'izy ireo ao anatin'ny 7 andro izany. Tamin'ny taona 2022 mantsy dia 7 andro no namenoin'izy ireo ny vokatra lodisia anaty sambo miisa 2. Manodidina ny 11 Taonina eo izany vokatra lodisia naondrana tamin'ny 2022 izany raha 13.000 Taonina izany amin'ity taona ity ary alefa amin'ny Sambo miisa 3 ». Ireo no fanazavana nomen'Atoa Edisson sy Atoa Charles samy tomponandraikitra eo anivon'ny orinasa SMMC.


« Miisa 28 ireo orinasa mpanondrana lodisia miasa ao Toamasina tamin'ny ity taona ity raha 1.170 ny fahazoan-dàlana (« agrément ») navoakan'ny Faritra Atsinanana ho an'ireo mpanangom-bokatra », hoy ny vaovao azo avy eo anivon'ny Governoram-paritra Atsinanana. Voalaza fa : « Tsara ny vokatra amin'ny ankapobeny raha ampitahaina tamin'ny taon-dasa ». Nisy ny fitsidihana ireo orinasa mpikirakira izany, izay notarihin'ny Tale misahana ny Fotodrafitr'asa sy ny Fampandrosoana, Andriamatoa Laurent Jean Maurice, sy ny Talem-paritry ny Indostria sy ny Varotra sy ny Fanjifana Atsinanana ny alin'ny 21 Novambra 2023. Anisany notsidihina ny orinasa Madapro Import-Export sy ny orinasa Fruit de Caresse teny Tanandava. Tsy latsan-danja amin'izay ny orinasa Sodiat eny Analamalotra. Hita teto ary fa : « tena manaraka ny fenitra takiana amin'izireo ny orinasa satria samy manana ny aron'akanjo avy ireo mpiasa hita teto ». Tombony ho an'ireo mpandraharaha ny fisokafan'ny fotoam-piotazana taloha tamin'ny ity taona ity izay manafaingana ny fomba fiasa hamenoana ny sambo.

Andry Rakotonirainy

Mis à jour ( Samedi, 25 Novembre 2023 15:24 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30