]
Les quotidiens du 23 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une MAHAMASINA, KIANJA BAREA 16 DESAMBRA 2023. LAHATENIN’I FILOHAN’NY REPOBLIKA I MADAGASIKARA ANDRY NIRINA RAJOELINA, TAORIAN’NY FIANIANANY

MAHAMASINA, KIANJA BAREA 16 DESAMBRA 2023. LAHATENIN’I FILOHAN’NY REPOBLIKA I MADAGASIKARA ANDRY NIRINA RAJOELINA, TAORIAN’NY FIANIANANY

Ry Vahoaka Malagasy namako ; ry Vahoaka Malagasy akaiky ny foko.

Andro lehibe mana-tantara eto amin’ny fiainam-pirenena izao fanatanterantsika androany izao ny fianianana amin’ny maha Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara ahy indray.

Mankasitraka ireo rehetra izay nanome ny fahatokisany tamiko aho, satria ny safidy ny olom-pirenena iray dia vato iray, biriky iray mifameno nafahantsika nanorina sy nanangana. Fandresena goavana sy mihezinezina izao. Amin’izao andro anio izao dia mahatsiaro manokana anareo Malagasy rehetra manerana ny Nosy ny tenako : any ianareo any Avaratra, ato am-pko ianareo ; any Atsimo, ato an-tsaiko ianareo ; any Andrefana, tsy hadinoko ianareo ; any Atsinanana sy ianareo eto afovoan-tany, eny na ianareo any Am-pitan-dranomasina aza. Koa amin’ny fo feno fitiavana sy feno fifaliana no iarahabako anareo rehetra manatrika etoana, sy Malagasy rehetra tsy an-kanavaka isa-tokantrano manerana ny Nosy ary ianareo rehetra manaraka mivantana ny lanonana mana-tantara eto amin’ny Firenena izao.

Ravoravo ny Ambanilanitra tratran’ny Asaramanitra , koa Arahaba e, Arahaba e !

Arahaba ry Mahamasina, arahaba Tompokolahy, finaritra Tompokovavy.

Araka ny fomba am-panao hatrizay dia eto Mahamasina no fametrahana sy fanamasinana amin’ny fomba manetriketrika ireo mpitondra Firenena nifandimby hatramin’ny andron’ny Ampanjaka ka mandraky ny androany. Izay no antony nanavaozantsika ity toerana ity mba afaka mandray ny olona sy ny vahoaka Malagasy rehetra tsy ankanavaka, ary ankehitriny dia avo roa heny nohon’ny tamin’ny dimy taona lasa ny olona afaka ho raisina sy ny vahiny nasaina eto amin’ity toerana ity. Izany no nataontsika dia mba ho maoderina, manaraka ny fandrosoana ary reharehan’ny Malagasy.

Toerana fanaovana fifaninanana ara-panatanjahantena iraisam-pirenena ihany koa ity Kianjan’ny Barea ity, ary ny fandresena izay azo eto dia fandresena ho an’ny Malagasy rehetra, tsy ho an’ny ekipa iray fotsiny, tsy ho an’ny vondrona iray fotsiny, tsy fandresena ho an’olo-tokana fa fandresena mihazinezina ho an’ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo.

Vao noporofointsika tao anatin’ny Lalaon’ny Nosy farany teo fa ao anatin’ny firaisankina sy ny fiaraha-mihentana no nahatonga an’i Madagasikara ho tompondaka voalohany tamin’ny taranja maro. Noporofoin’ny vahoaka Malagasy ihany koa, vahoaka Malagasy maro an’isa, tamin’ny alàlan’ny fifidianana ho filoham-pirenena farany teo, fa rehefa miray hina miray saina dia mibata fandresena isika. Koa amin’izao dingana manaraka izao dia ho mpandresy ny Malagasy na eo amin’ny lafin’ny ara-toekarena, ara-tsosialy ary ho mpandresy amin’ny lafin’ny rehetra mihitsy isika rehetra. Ka tsy maintsy ho hataoko vahindohan-draharaha ny fikarakarana, fa indrindra ny fampandrosoana tiantsika hapetraka eto amin’ity Nosy malalantsika ity.

Hita taratra ary tsapako fa niha-nitombo ny vahoaka Malagasy izay nametraka ny fitokisany amiko, satria dia niampy 68%. Izany hoe niampy efa ho 1 tapitrisa isan’ny olom-pirenena nifidy ahy, raha ampitahana tamin’ny fifidianana voalohany dimy taona lasa izay. Koa eto dia isaorako manokana ireo rehetra nanatanteraka ny adidiny ho an’ny Firenena, ary isaorako manokana ireo izay nanolotra ny safidiny tamiko, fa indrindra ireo tanora marobe izay sambany vao nifidy. Fa tsy adinoko ihany koa, fa indrindra, ianareo vehivavy. Nisafidy ny asa efa natomboka ny Malagasy, nisafidy ny filaminana sy ny fandrosoana

Ao amin’ny dimy taona manaraka dia hanao ny ezaka rehetra aho, fa indrindra tiako hohamafisina eto, dia ny Lalàm-panorenana izay voalaza ao amin’ny andininy faha-5 izay mivaky toy izao : « ny vahoaka izay hitoeran’ny fahefana rehetra no masimandidy ka mampiasa izany amin’ny alalan’ny solotenany lany amin’ny alalan’ny fifidianana ».

Masina sy sarobidy loatra ny feon’ny vahoaka ary mila hajaina izany. Manana ny safidiny ny rehetra, ary manaja ny safidin’ny rehetra ihany koa aho ary mijoro ho Filohan’ny Malagasy tsy ankanavaka ; hampiray ny Malagasy tsy vaky volo, ary hanao ny ezaka rehetra ampisongadinana sy hampamiratra ny Tanindrazantsika.

Tompokolahy sy Tompokovavy !

Hanohy sy hiaraka hanoratra ny Tantaran’i Madagasikara isika rehetra ary ny fanantenana izay napetrakareo tamiko no manosika ahy sy manainga ahy hijoro hatrany, hitarika ny Firenena malalantsika ity ho an’ny Fandrosoana izay mendrika ho an’ny Malagasy tsirairay avy .

Hitsinjo ny isa-tokantrano aho, indrindra ireo tena marefo. Lehibe sy mavesatra ary sarotra ny adidy miandry ahy nefa tsy hataoko ho sakana izany nohon’ny fitiava-tanindrazana izay miredareda ato am-poko. Hiaro hatrany ny tombontsoa iombonanana aho ; tsy ho avelako ho raraka an-tany ny fatokisanareo sy ny velirano efa nifanaovantsika.

Nandritra iny dimy taona voalohany iny dia nanao ezaka rehetra isika tamin’ny fametrahana ny fotodrafitrasa manakaiky sy ilain’ny vahoaka. Maro be ireo sekoly, hopitaly, kianja, làlana, toho-drano, oniversite, foto-drafidrasa maro izay natao ary tsy maintsy natao izy ireny, mba hanatratrarana ny fahatarana lalina nisy teto amin’ny Firenena.

Fa amin’ny dimy taona manaraka ity kosa dia andry telo no hiankinan’ny vina fampandrosoana hapetrantsika :

- Fanomezan-danja ny maha olona ;

- Fampiroboroana famokarana sy fanodinana na ny fametrahana Indostria ;

- Fanatsarana ny fitantanana ny asam-panjakana.

1- Hiompana bebe kokoa amin’ny fiharian’ny vahoaka isika, ny fanatsarana ny farim-piainan’ny olom-pirenena sy ny fitsinjovana isa-batan’olona ary fihariana ara-tsosialy. Izany dia ho hita taratra eo amin’ny lafin’ny fampiofanana arak’asa, ny fanabeazana sy ny fahasalamana ary fisitrahana ny jiro sy rano fisotro madio. Hitsinjo sy hiahy manokana ireo marefo, zokiolona, vehivavy sy tanora ary ny ankizy. Hametraka ihany koa ny paikady nasionaly mikasika ny fandrindram-piterahanaka hatao maimaimpoana izany mba ho fanatsarana ny farim-piainan’ny tokantrano Malagasy. Rehefa maro loatra mantsy ny zaza hateraka isa-tokantrano ka tsizarizary ny fanabeazana, ny fitaizana sy ny famelomana azy ireo dia lasa vesatra ho an’ny fianakaviana sy ho an’ny firenena ihany koa izany.

2- Ny olom-pirenena tsirairay avy dia tokony hitondra ny anjara-birikiny sy handray anjara amin’ny fanasoavana ny tokantranony, ny fampandrosoana sy fiarahamonina misy mba tsy ho vesatra ho an’ny Firenena. Noho izany dia hatao vahindohan-draharaha ny fametrahana praograma nasionaly ihany mikasika ny fampiofanana arakasa sy ny famoronana asa. Ny fanamby apetraka amin’izay dia ny hoe : ny tanjona dia tsy maintsy ho tratra ny hamokarana sy hanodinana eto Madagasikara izay ilain’ny Malagasy rehetra. Himasoako manokana ihany koa ny fahalalahana ny sehatrin’ny fandraharahana, ny fanampiana sy famporisiana ny mpandraharaha na avy eto an-toerana io na avy any ivelany.

3- Tsy maintsy hatsaraina ny fomba fiasa eny anivon’ny biraom-panjakana rehetra. Hatao izay fomba rehetra ho fanafainganana ny antotan-taratasy ilain’ny vahoaka ao anatin’ny fanajana ny maha-olona ary hiaraka hiady amin’ny kolikoly isika. Hitoroka sy hanasazy izay minia mbola manao izany ka zatra ny làlan-dririnina. Fantrareo fa maha sarotiny ahy loatra ny fitantanana ny volam-panjakana ary tsy ekeko ny tsy fanaovana gaboraraka, ary takiko ny fitsinjovana ny vahoaka Malagasy amin’ny fampiasana ny volam-panjakana. Ny fampandrosoana ara-ekonomika tiantsika hapetraka dia miankina amin’ny fanatsarana ny famokarana ny herinaratra, koa mba ialana ny fantiatoka lavareny amin’ny orinasam-panjakana JIRAMA, dia ho tohizantsika sy hamafisintsika ary hafainganintsika ny fametrahana famokarana herinatra azo avy amin’ny angovo azo havaozina.

Koa ao anatin’ny enim-bolana dia distrika 47 amin’ny 119 no hametrahantsika tobi-pamokarana avy amin’ny masoandro. Tsy maintsy atombontsika ihany koa ny asa fananganana ireo toby famokarana herinaratra azo avy amin’ny alalan’ny toho-drano. Izany dia hampihenana ny fandaniana sy fampiasana ny solika.

Ny 95% Malagasy dia mbola miaina ao anatin’ny haizina ary mbola mampiasa labozia sy jiro kapoaka azo avy amin’ny solika avokoa. Koa fanamby lehibe no hapetrako dia hitondra hazavana isan-tokantrano ny Malagasy rehetra manerana ny Nosy ; hitondra hazavana eto Madagasikara ; hitondra hazavana ho an’ny Malagasy. Ka ny fanamby hapetrantsika dia tsy hampiasa labozia sy solika intsony ny tokantrano rehetra eto Madagasikara. Ao anatin’ny herintaona dia tsy maintsy hitondra hazavana isa-tokantrano isika.

Ho tohizantsika ny fananganana ireo fotodrafitrasa afahantsika mamokatra ny vokatra ilaina eto an-toerana fa indrindra tsy maintsy vitaina ireo asa rehetra goavana natomboka, izay hanova tanteraka ny fiainan’ny vahoaka. Toy ny pipeline izay mamatsy rano any atsimo.

Rehefa miresaka ny any Atsimo mantsy isika dia ny fanjarian-tsakafo sy ny hai-tany no miraikitra ao an-tsaina. Izany indrindra no hanaovantsika ary hanovantsika ny Tantaran’ny Faritra Atsimo rehetra, satria rehefa vita tanteraka ilay fantsona lehibe izay mirefy 97 km, dia hamokatra ary ho lavitry ny kere iny faritra Atsimo iny.

Toy izany ihany koa ny lalam-be migodàna izay mampifandray an’Antananarivo renivohitr’i Madagasikara sy Toamasina, izay misy serana-tsambo lehibe indrindra. Ao mantsy no mamatsy ny 75% -ny entana hafarantsika rehetra avy any ivelany ilain’ny Malagasy. Koa raha adiny folo no anaovana io làlana io ankehitriny dia ho vita ao anatin’ny adiny roa sy sasany izany rehefa vita ny asa.

Ho tohizantsika ihany koa ny fanamboarana ny lalam-pirenena rehetra hatreny anivon’ny Faritra sy ny Distrika rehetra manerana ny Nosy.

Dingana vaovao indray izao no hirosoantsika amin’izao dingana manaraka izao. Koa ho Filoham-pirenena mendriky ny fitokisana izay hapetrakareo amiko aho ; hanakaiky bebe kokoa hatrany anareo vahoaka Malagasy. Ny fanapahan-kevitra rehetra izay ho raisiko dia hifototra amin’ny fikatsana hatrany ny tombontsoan’ny be sy ny maro sy ny tombontsoa iombonanana. Ny fampandrosoana an’i Madagasikara dia mila olona manana fitiavan-tanindrazana, mahafohy ny tenany ho an’ny tanindrazana, mahitsy, madio fo ary tsara sitrapo. tsapako fa maro ny Malagasy mpiray tanindrazana izay maniry ny hanolo-tànana hanompo ny Tanindrazana hiaraka amiko. Koa tsy asiantsika intsony ny sakana sy ny elanelana amintsika, koa misokatra amin’izay rehetra vonona hiasa ho an’ny vahoaka sy hanasoa ny vahoaka ny tenako, na ianao olo-tsotra na ireo herivelona rehetra, na ianareo mpiara-dia amiko, na ireo mpiasam-panjakana, na ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina.

Izaho dia tsy manavaka ary tsy manilika na inona fiaviany na inona finoany.

Ndaho ary hiara-dàlana, iray hina, iray fo, ho an’ny tombontsoa ambon’ny Firenena.


Ry vahoaka Malagasy !

Miantso antsika rehetra lafy valon’ny Nosy aho hifanome tànana hampandroso ity Madagasikara malalantsika ity. Ny firaisankina dia nafahantsika nibata fandresena ary hoetintsika mamakivaky ny dimy taona manaraka indray.

Koa ny fitiava-tanindrazana no fototra hanorenantsika ny fampandrosoana. Izay no antony nisafidianako manokana ny teny filamatra ny Repoblikan’i Madagasika tamintsika nanova ny Lalam-panorenana ny taona 2010 dia ny hoe : « FITIAVANA, TANINDRAZANA, FANDROSOANA ».

Tsy teny faneva fotsiny izany fa nataoko iainana sy ampiainana amin’ny fiainan’ny Malagasy andavanandro sy ny fiainam-pirenena. Resy lahatra tanteraka aho fa ny Fitiavan-tanindrazana no mitondra Fampandrosoana.

Tsy maintsy ho tratrantsika ny tanjona dia « I MADAGASIKARA TSY MAINTSY MANDROSO ».

Andry Rajoelina

Filoham-pirenenan’i Madagasikara voafidy fanindroany

Mis à jour ( Lundi, 18 Décembre 2023 16:42 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024