]
Les quotidiens du 02 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une London. Raharaha Romy Andrianarisoa. Fijery avy amin'ny NCA sy CPS

London. Raharaha Romy Andrianarisoa. Fijery avy amin'ny NCA sy CPS

Rehefa niaiky fa meloka i Philippe Tabuteau, dia tsy nilainy intsony ny niatrika fitsarana. Azo antoka anefa fa hihena ny saziny noho ny an’i Romy Andrianarisoa izay niziriziry tamin’ny filazana fa tsy manan-tsiny.

Eo am-piandrasana ny didim-pitsarana havoakan’ny Mpitsara momban’ny sazy (« Juge des peines »), ny 18 Marsa 2024, dia ireto misy fanambarana roa avy amina olona ambony britanika nahazo alĂ lana ny hiteny, taorian’ny didim-pitsarana navoaka, tamin’ny 20 Febroary 2024, tao amin’ny fitsarana SCC (« Southwark Crown Court ») -Jereo eto-.

Misy azy indray ny Mpanjakavavin’ny mpanoratra tantara valamaty ao amin'ny facebook, noho ny fankahalany hatrany amin’ny tsinay maintiny ny Filoha Rajoelina. Tsy ilaina ny manoratra ny anarany eto fa izy ihany no hahafantatra ny tenany.


Fanambarana avy amin'i Andy Kelly, Lehiben'ny Sampana Iraisam-pirenena momba ny kolikoly ao amin'ny NCA (« National Crime Agency » na Sampan-draharaham-pirenena momba ny heloka bevava) :

« Ity fanadihadiana ity dia mampiseho ny fahaizan'ny ICU (« International Corruption Unit » na Sampanana iraisam-pirenena miady amin’ny kolikoly) amin'ny fampiasam-bola amin'ny fiaraha-miasa amin'ny sehatry ny Indostria sy ny ady amin’ny tsy fanajĂ na ny Fanjakana tan-dalĂ na. Tena mankasitraka manokana ny orinasa Gemfields izahay noho ny fampilazany anay ny tranga nahazo azy tamin’ity raharaha ity sy ny finiavany nanohy hatrany ny fiara-miasa miaraka aminay nandritra ny fanadihadiana mba nahazoana vokatra tsara sy mazava tsy azo kianina ».

Fanambarana avy amin'i Thomas Short, mpampanoa lalàna manokana momba ny hosoka ao amin'ny CPS (« Crown Prosecution Service »), dia nilaza hoe:

« Mpiasam-panjakana mpanao kolikoly i Romy Andrianarisoa izay nisafidy ny hanankarena amin’ny alalan’ny toerana ambony nisy azy teo amin’ny asam-panjakana. Ny CPS dia nanome torohevitra ara-dalĂ na ho an'ny NCA nandritra ny fanadiadiana sy ny fanenjehana mba nafahana nanolotra dosie feno sy mavetsara teo anoloan’ny fitsarana. Ny fanomezan’ny orinasa Gemfields vaovao mari-pototra tany amin’ny manam-pahefana, mikasika ireo olona roa tonta ireo tamin'ny manam-pahefana, dia fiarovana ny orinasany sy orinasa hafa ihany koa, eo anatrehin’ny nafitsok’ireto olona roa tia vola loatra sy tsy misy tranon-kenatra ireto ».

Tsiahivina etoana fa voaray horonam-peo daholo ny fomba nangatahin’i Romy Andrianarisoa vola be tamin’ny Tale jeneralin’ny orinasa Gemfields.

Nadikan'i Jeannot Ramambazafy avy amin'ny teny anglisy

Mis Ă  jour ( Jeudi, 22 FĂ©vrier 2024 06:11 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...