]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une MADAGASKARA 29 MARSA 1947- 29 MARSA 2024 : 77 TAONA LASA NY TOLOM-PANAFAHANA

MADAGASKARA 29 MARSA 1947- 29 MARSA 2024 : 77 TAONA LASA NY TOLOM-PANAFAHANA

« FITIAVAN-TANINDRAZANA NO FOTOTRY NY FAMPANDROSOANA ». Io no lohahevitra hatsiarovana ny faha-77 taonan’ny tolom-panafahana nataon’ireo mahery fo tia tanindrazana tamin’ireo mpananim-bohitra ny taona 194-1948, fa ny 29 Marsa 1947 no niantomobohiny tao Moramanga.

Hoy indrindra ny Filoha Andry Rajoelina, Filohan'ny Repoblikan’i Madagasikara, sady Filoha faratampon'ny Foloalindahy :

« Tsy afaka ao am-pontsika ary tsy ho adinontsika ny tolona nisy teto amin’ny firenena. Izany no hanamariantsika ny faha-77 taonan'ny tolom-panafahan'ny 29 martsa 1947, ka hanotrona anareo eny amin'ny Mausolée Avaratr'ambohitsaina sy any Moramanga ny tenako. Isika vahoaka malagasy rehetra manerana ny Nosy koa dia samy hahatsiaro ireo maherifontsika sy ny fitiavan-tanindrazana nampitain'izy ireo ho antsika amin’io andro manan-tantara io ».


Toa izao ny fizotran’izany fahatsiarovana izany :

22 marsa 2024 : fanokafana amin’ny fomba ofisialy fampirantiana eo amin'ny zaridainan’ny Anosy ary fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny mpiady Tia Tanindrazana sy ireo Zokiolona 70 taona miakatra.

25 marsa 2024 : fanamarihana isakin’ny sekoly manodidina eto Andrenivohitra, Tanjona amin’ny fanaovana ity hetsika ity ny fameloma-maso ny tantara, sy ny fampitana ny fitiavan-tanindrazana nananan'ireo mpitolona tamin'izany fotoana izany, amin'ireo taranaka aty aoriana.

23 marsa 2024 : Fotoam-pivavahana hitondrana am-bavaka ny Firenena Fiangonana Advantista Soamanandrariny

24 marsa 2024 : Fotoam-pivavahana hitondrana am-bavaka ny Firenena FLM 67Ha

29 marsa 2024 MAUSOLÉE AVARATR’AMBOHITSAONA : IVON’NY FAHATSIAROVANA ho marihana amin’ny fametrahana fehezam-boninkazo sy ny fanehoana ny afo tsy maty izany. Hisy ihany koa ny fanoloran'Andriamatoa Andry Rajoelina, Filohan'ny Repoblikan’i Madagasikara, sady Filoha faratampon'ny Foloalindahy, ny Faneva ho an'ny « Taniketsan'ny Fanilo ».

29 marsa 2024 any MORAMANGA : ny fitokanana ny trano ho an’ireo «Mpiady tia tanindrazana», na ny «AKANY FIADANANTSOA».

Hisy ihany koa, araka ny voalaza eo ambony, ny fizahana ara-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny Mpiady Tia Tanindrazana sy ny Zokiolona 70 taona miakatra, ny 25 marsa hatramin'ny 06 aprily 2024, mba ho fanohanana azy ireo. Hitohy isam-bolana izany fitsaboana maimaimpoana ho azy ireo.

Jeannot Ramambazafy

Mis Ă  jour ( Vendredi, 29 Mars 2024 15:33 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30