]
Les quotidiens du 02 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une MADAGASKARA 29 MARSA 1947- 29 MARSA 2024 : 77 TAONA LASA NY TOLOM-PANAFAHANA

MADAGASKARA 29 MARSA 1947- 29 MARSA 2024 : 77 TAONA LASA NY TOLOM-PANAFAHANA

« FITIAVAN-TANINDRAZANA NO FOTOTRY NY FAMPANDROSOANA ». Io no lohahevitra hatsiarovana ny faha-77 taonan’ny tolom-panafahana nataon’ireo mahery fo tia tanindrazana tamin’ireo mpananim-bohitra ny taona 194-1948, fa ny 29 Marsa 1947 no niantomobohiny tao Moramanga.

Hoy indrindra ny Filoha Andry Rajoelina, Filohan'ny Repoblikan’i Madagasikara, sady Filoha faratampon'ny Foloalindahy :

« Tsy afaka ao am-pontsika ary tsy ho adinontsika ny tolona nisy teto amin’ny firenena. Izany no hanamariantsika ny faha-77 taonan'ny tolom-panafahan'ny 29 martsa 1947, ka hanotrona anareo eny amin'ny MausolĂ©e Avaratr'ambohitsaina sy any Moramanga ny tenako. Isika vahoaka malagasy rehetra manerana ny Nosy koa dia samy hahatsiaro ireo maherifontsika sy ny fitiavan-tanindrazana nampitain'izy ireo ho antsika amin’io andro manan-tantara io ».


Toa izao ny fizotran’izany fahatsiarovana izany :

22 marsa 2024 : fanokafana amin’ny fomba ofisialy fampirantiana eo amin'ny zaridainan’ny Anosy ary fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny mpiady Tia Tanindrazana sy ireo Zokiolona 70 taona miakatra.

25 marsa 2024 : fanamarihana isakin’ny sekoly manodidina eto Andrenivohitra, Tanjona amin’ny fanaovana ity hetsika ity ny fameloma-maso ny tantara, sy ny fampitana ny fitiavan-tanindrazana nananan'ireo mpitolona tamin'izany fotoana izany, amin'ireo taranaka aty aoriana.

23 marsa 2024 : Fotoam-pivavahana hitondrana am-bavaka ny Firenena Fiangonana Advantista Soamanandrariny

24 marsa 2024 : Fotoam-pivavahana hitondrana am-bavaka ny Firenena FLM 67Ha

29 marsa 2024 MAUSOLÉE AVARATR’AMBOHITSAONA : IVON’NY FAHATSIAROVANA ho marihana amin’ny fametrahana fehezam-boninkazo sy ny fanehoana ny afo tsy maty izany. Hisy ihany koa ny fanoloran'Andriamatoa Andry Rajoelina, Filohan'ny Repoblikan’i Madagasikara, sady Filoha faratampon'ny Foloalindahy, ny Faneva ho an'ny « Taniketsan'ny Fanilo ».

29 marsa 2024 any MORAMANGA : ny fitokanana ny trano ho an’ireo «Mpiady tia tanindrazana», na ny «AKANY FIADANANTSOA».

Hisy ihany koa, araka ny voalaza eo ambony, ny fizahana ara-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny Mpiady Tia Tanindrazana sy ny Zokiolona 70 taona miakatra, ny 25 marsa hatramin'ny 06 aprily 2024, mba ho fanohanana azy ireo. Hitohy isam-bolana izany fitsaboana maimaimpoana ho azy ireo.

Jeannot Ramambazafy

Mis Ă  jour ( Vendredi, 29 Mars 2024 15:33 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...