]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Mialy R. Rajoelina : « Ny fanaovana vaksiny dia fanehoana fitiavana no sady fiarovana ny sombin’ny ain-tsika »

Mialy R. Rajoelina : « Ny fanaovana vaksiny dia fanehoana fitiavana no sady fiarovana ny sombin’ny ain-tsika »

Inona no antony tokony -ary tsy maintsy- hanaovana vaksiny ny zaza malagasy ? Fanazavana nomen’ny vadin’ny Filoham-pirenena, Mialy R. Rajoelina, ny zoma 26 avrily 2024 tao Antanimenabe Ankorondrano Antananarivo. Tsiahiviny fa izy dia reny mpiahy ny fanaovana vaksiny nanomboka ny taona 2019, eo ambanin'ny fiahian'ny OMS (Fikambanana maneran-tany momban'ny Fahasalamana) ary mbola notohizin'ity farany io andraikitra io noho ny fitokisany an'ny Première Dame Mialy Rajoelina.


Raha tsiahivina kely dia natokana ho herinandron'ny fanaovam-baksiny aty Afrika ny herinandro faranin'ny volana Avrily isan-taona.

Eto dia tsipihina fa ireo vaksiny resahina eto dia tsy misy hifandraisana mihitsy amin’ny vaksiny mikasika ny covid izay miteraka resa-be amin’izao fotoana izao. Ka aoka hazava ny resaka ara-baki-teny.

**********

Première Dame Mialy R. Rajoelina, Antanimenabe Ankorondrano

Antananarivo, Zoma 26 Avrily 2024


« Raha manaraka ny praograma fanaovana vaksiny isika, dia ireto avy no tokony hatao amin’ny zana-tsika. Henohy tsara ary :

Ho an’ireo zaza vao teraka, dia ny BCG sy ny POLIO. Rehefa feno iray volana sy tapany ny zaza dia manao ny DTCOQ, POLIO, PCV izay « vaccins cocciques conjugués » (izany hoe vaksiny miasa miaraka ho fiarovana amin’ireo aretina mahazo ny zaza) ary « rotavirus » (viriosy mitondra ny areti-kibo sy ny fivalanàna). Ny famerenana ireo na « rappel » dia eo amin’ny faha-roa volana sy tapany.

Telo volana tsy tapany kosa ny zaza no mamerina ireo indray miampy ny VPI na « Vaccin anti-poliomyelite inactivé ». Ary eo amin’ny faha-sivy volana no anaovana ny vaksiny miady amin’ny kotrotro (« rougeole »).

Ary rehefa manatanteraka ireo vaksiny ireo ny zana-tsika dia hotolorana ny diplaoma voalohany izay hanamarika ny fiainany tokoa.

Ny fanaovana vaksiny dia fanehoana fitiavana no sady fiarovana ny sombin’ny ain-tsika sy ny fitsinjovana ny fahasalaman’ny mpiara-belona.


Koa manao antso avo aho amin’ity andro ity : vitao mialohan’ny fara-heritaonany ny vaksiny rehetra mba ho fiarovana ny zaza sy ny fitsinjovana ny hafa ihany koa. Ary ny faniriako dia ho vita vaksiny ara-dalàna toa ireo zanako telo mianadahy ihany koa ny ankizy malagasy rehetra, satria zon’ny zana-tsika izany.

Maniry aho mba ho salama sy ho tomady ny ankizy manerana ny Nosy, ary afaka mifantoka amin’ny fianarana sy mianoka ny fahazazany izy ireo.

Mampirisika antsika reny, ny raim-pianakaviana ary isika raiamandreny rehetra mba hanao laharam-pahamehana ny fanaovana vaksiny ny zana-tsika.

Tongava manatona tobim-pahasalamana fa MAIMAIM-POANA NY FANAOVAM-BAKSINY ho antsika eto Madagasikara »./.

Mialy Razakandisa RAJOELINA

Antanimenabe Ankorondrano Antananarivo, Zoma 26 Avrily 2024

Nandika an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy

**********

Ny dikan’ny fanafohizan-teny sasany sy fanazavana tsotsotra


BCG : avy amin’ny hoe Bacille de Calmette-Guérin, anaran’ireo dokotera roa mpikaroka nahita ny vaksiny miaro amin’ny toberkilaozy (« Tuberculose ») na TB. Dia ny Dokotera Albert Calmette (1863-1933) sy Camille Guérin (1872-1963).


POLIO : fanafohizanten’ny « poliomyélite » na lefakozatra izay aretina mifindra avy amin’ny hoe « poliovirus » misy amin’ny loto misy eo amin’ny mivalanan-drano (« urine ») sy ny fivoahana (« matières fécales »).


DTCOQ. Midika hoe « Diphtérie, Tétanos, Coqueluche » (Difteria, Tetanosy sy Kohadavareny amin’ny teny malagasy) io vaksiny io. Izany hoe miaro amin’ireo aretina telo ireo.


PCV na « Vaccin pneumocoque conjugué » dia vaksiny mitambatra miaro amina aretina miaraka amin'ny ny «pneumonie» (pnemônia na tevika amin'ny teny malagasy).

Farany izay tsy azo adino : tokony manana karinem-baksiny ny zaza tsirairay ary mila tehirizina tsara hafahana manara-maso azy mandritra ny fahazazany manontolo.

Nanao ny fikaroana : Jeannot Ramambazafy - 27.04.2024

Mis à jour ( Samedi, 27 Avril 2024 12:45 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30