Ara-tantara. Tamin’ny 1993, taorian’ny tolo-kevitry ny Unesco tamin’ny 1991, no nanambaran’ny Firenena Mikambana ny 3 May ho « Andron’ny Fahalalahan’ny Asa Fanaovana Gazety ». Tsiahivina fa tamin’ny taona 1991 ihany koa no nanambaran’ny mpanao gazety avy amin’ny kaontinanta Afrikana ny Fanambaranan’i Windhoek (« Déclaration de Windhoek ») momba ny « pluralisme » (sarotra adika io voambolana io) sy ny fahaleovantenan’ny Haino aman-jery. Nanomboka teo, isan-taona, ity datin'ny 03 Mey ity, dia andro natokana kokoa ho amin'ny fisaintsainana lalina fa tsy hoe hanaovana lanonam-pifalifaliana. Ireo zoro efatra fototra tsy tokony hiova mihitsy dia:
• Fahatsiarovana ireo fitsipika fototry ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety;
• Fitombanana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety maneran-tany;
• Fiarovana ny fahaleovantenan'ny haino aman-jery; ary indrindra
• Fanomezana voninahitra ireo mpanao gazety namoy ny ainy teo amin’ny fanatanterahany ny asany.
Tsy adinon’ny mpanao gazety eto Madagasikara ny andron’ny 03 mey fa rehefa mandeha ny fotoana, dia nankalazaina ao anatin’ny filaharana miely patrana, eto sy any amin’ny firenena sasany, ary miseho mian-dalà na ny fisaratsarahana, mpitoetra eo ambonin’ny hoe : zarazarao hanjakana, ka izay tena manana ny fahefan’ny filazam-baovao sy ny manodidina ny vaovao no manana ny tena fahefana (« qui détient l’information détient le pouvoir »).
Izany, dia amin'ny alalan'ny fandikana izay tiana ny tena zava-nisy sy niseho, tsy misy aro-fanina sy fampiarana ny lalà na any ka tao anatin'ny fotoana fohy lavitry ny lalà na manan-kery, dia nitsangana etsy sy eroa ny sehatra fampahalalam-baovao (gazety, radio ary fahitalavitra, sns…) mba « hanohitra » bontolo fotsiny ihany, na ho any na tsia, ary tsy misy izany fanamariana (« recoupement ») izany mihitsy fa laizaina marina ny voateny na voasoratra rehetra. Ny sary moa dia ao ilay hoe « Photoshop » hahavitana zava-doza tokoa. Ohatra : olona tsy mba nisotro toaka hatramin’izay niainana no hita misotro toaka anaty « bar » ! Dia mino ny rehetra satria toa izy mihitsy ilay manainga tavoahangy misy marika ana whisky.
Fa nanomboka oviana ny asa fanaovan-gazety no niborioka teto Madagasikara ? Oviana no nirodanany ara-bakiteny ka lasa ny fikaramana an’ady no manjaka ? Mila tsaroan’ny rehetra izany, indrindra amin’ny firongatry ny onjam-peo « manohitra » mahavita mamorona vaovao satria tsy misy bedy… Raha ny marina, amin'izao fotoana izao dia mahatsapa ho toy ny « mpanao gazety » daholo ny ao amin'ny Facebook, izay afaka mividy « crédit » sa « méga » moa ? Misy anie ny lalà na fa maro no tsy mahalala, ary ditsoky ny kolikoly izay mba mahafantatra.
Ny olana iray koa dia tsy tena nianatra io asa io ny ankamaroan’ny tanora amin’izao fa karazana asa hidikidirana fotsiny. Ny manangana orinasa haino aman-jery koa moa tsy dia mijery izay lafiny izay. Rehefa ao izy ireo dia tratry ny « fakam-panahy » satria misy mamporisika milaza fa hoe « fahefana faha-4 ianareo ». Miampy vola atsipy etsy sy eroa dia tsy fanaovan-gazety intsony no misy fa fitadiavam-bola sadasada kanefa mampigadra.
Eto dia tsipihiko fa tsy ny asa fanaovan-gazety no mampigadra fa ny ompa, lainga, fanalam-baraka olona ary fanelezana tsaho no enjehin’ny lalà na. Tadidio ilay hoe nirodanana ny tonelinan’Ambanidia nampiana sary… Misy « vaovao » loza noho iny ao amin’ny Facebook ao, ary, indrisy, maro no mino. Ny farany teo moa dia hoe nodimandry i Rajao mpanao hatsikana. F’inona marina moa ny tombontsoa azo amin’izany « vaovao » izany ?
Io ambany io misy ampahany betsaka mikasika lalà na 2020 - 006 mifehy ny tontolon’ny haino aman-jery sy ny fanaovan-gazety izany. Ary amin’ny teny malagasy.
Tsiahy mikasika ny Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara na OJM (« Ordre des Journalistes de Madagascar »). Eto amin’ity Nosy Lehibe aty amin’ny Ranomasimbe Indianina ity, dia fehezin’ny OJM ny asa fanaovan-gazety, nanomboka ny taona 1975, ary ara-dalà na izany. Azo atao hoe vao aingana ihany io OJM manao aro fanina io rehefa fantatsika fa ny gazety voalohany nisy teto Madagasikara ary amin’ny teny malagasy dia ny gazety “Teny Soa Hanalan’ Andro”, nanomboka nivoaka ny taona 1866.
Fa ireto avy ny Filohan’ity OJM ity, hatramin’ny namoronana azy ka hatramin’izao:
+Ralaiarijaona, gazety “Maresaka”, (1975-1977);
+ Mompera Rémy Ralibera, gazety “Lumière” sy “Lakroan’i Madagasikara” (1977-1991);
Anicet Andriantsalama, Radiom-pirenena Malagasy - RNM (1991-1993);
James Ramarosaona, gazety “Madagascar Tribune”, (1993-2004), avy eo “La Gazette de la Grand Île” talohan’ny naha-freelance azy;
Ruffin Rakotomaharo, fahitalavitra Tvm-Rnm (2004-2014) ;
Gérard Rakotonirina, gazety “Basy Vava” (2014-2021) ;
Monica H. Rasoloarison, mpanao gazety tao amin’ny Radiom-pirenena Malagasy (2021 ka hatramin’izao 03 mey 2024 izao).
Io 03 Mey 1999 io no vita sy notokanana ny tsangambato ao Soaroano Antananarivo
Raha jerena ireo daty eo ambony ireo dia teo ambany fahefan’i James Ramarosaona, Filohan’ny Ojm, ny andro nankatoavan’ny Firenena Mikambana ny Andro maneran-tany ho an’ny Fahalalahan’ny Asa Fanaovan-gazety.
Tamin’izany fotoana izany dia « ara-dalà na » ny zava-drehetra, izany hoe tena niasa tamim-pahatsorana tokoa i James mba hanatsarana ny Tontolon’ny asan’ny mpanao gazety malagasy. Tadidiko fa nataon’ingahy Rahaga Ramaholimihaso (nodimandry ny 10 desambra 2013) « mise à pied » (izany hoe natsahatra tamin’ny asany) i James satria niaro ny tombontsoan’ny mpanao gazety tao amin’ny « Madagascar Tribune » izay anisany aho…. Fa rehefa voafidy Filohan’ny OJM i James dia naverina niasa ary niady mafy izy ka nahazo tombontsoa tsy nananany teo aloha izahay mpanao gazety tamin’izany vaninandro izany. Ary lazaiko marina aminareo fa ny OJM teo ambanin’ny fiahin’i James Ramarosaona no nanampy tena nanampy ahy tamin’izaho saika tapaka lalan-drà ny volana desambra 1999.
I James Ramarosaona sy Daniel Rakotoseheno, antsoina hoe Dany Be, mpanao gazety mpaka sary (« photojournaliste »), (nodimandry ny 02 Septambra 2021) no nanome alà lana ny fananganà na ny Media Resource Center (« Centre de Ressources des Media » na CRM) izay hita tao amin’ny CITE (« Centre d'Information Technique et Economique ») Ambatonakanga teo aloha. Mbola tany am-piandohany ny Internet eto Madagasikara. Tsy nisy izany facebook izany. Araka izany, maro ireo mpanao gazety no tonga tao amin’ny CRM noho ny fandraisana sy ny fifandraisana ary ny rivo-piainana am-pirahalahiana nanjaka tao.
Dany Be sy Jeannot Ramambazafy. Sary nalain'i Rado Rakotoseheno, zanak'i Dany
Â
Tao amin'ny CRM CITE no nahatsiarovana ny andron’ny 3 mey ofisialy rehetra, teo amin’ny samy mpanao gazety. Tsy nisy fanaraha-maso avy amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana izay nipetraka ho vahiny nasaina ihany ireo solontenany, tsy nanana fahefana manokana ireo solontena ireo. Araka ny sary ao ambony, tamin’ny andron’i James Ramarosaona no namboarina, ny taona 1999, ny tsangambaton’ny OJM eo anoloan’ny garan’i Soarana, eto Antananarivo. Nohavaozina ho fahatsiarovana ny 3 mey 2011 izany, ka i Harry Laurent Rahajason na i Rolly Mercia no Minisitra tompon’andraikitra tamin’izany fotoana izany.
Aiza ho aiza isika izao amin’ity 03 Mey 2024 ity ?
Tetsy amin’ny tranombakoky ny Haina aman-jery Havoria etsy Anosy, no notanterahana ny hetsika nitondra ny lohahevitra hoe: « Ny asa fanaovan-gazety manompo ny planeta: krizy ara-tontolo iainana sy fahamehan’ny asa fanaovan-gazety ».
Araka ny nambaran’ny Filohan’ny OJM, Ramatoa Monica Rasoloarison dia hamafisin’ny Holafitra ny maha zava-dehibe ny fampandrosoana maharitra ao anatin’ny drafitra stratejikany. Hoy indrindra izy : « Ny Holafitra dia manohana am-pahavitrihana ihany koa ireo hetsika mikendry ny fiarovana ny tontolo iainana, indrindra ao anatin’ny firenentsika izay iharan'ny fiovaovan'ny toetr'andro ihany koa ».
Hoy kosa, ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana, Ramatoa Rafaravavitafika Rasata : « Miantso ny feon'ny fieritreretan’ny mpanao gazety aho satria manana andraikitra lehibe ianareo amin’ny fampahafantarana ny olom-pirenena izao fiovà na ara-tontolo iainana mivoatra miantraika eto amintsika izao. Ny gazety dia manana fahefana hanasongadina ireo tantara tsy dia fantatra loatra momba ny fiarahamonina miasa amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ». Noho izany dia nanao antso avo amin’ny mpanao gazety izy mba ho tonga saina amin’ny fitaomana ny olom-pirenena sy ny andraikitra amin’ny fitandroana ny ho avin’ny tontolo iainana eto Madagasikara. Nanentana ny haino aman-jery ny minisitra Rafaravavitafika mba ho mailo sy hanome fifandanjana amin’ny vaovao diso ho fanamafisana ny fitokisan’ny vahoaka.
Arahabaina isika mpanao gazety rehetra ao amin’ny Faritra miisa 23 misy eto Madagasikara !
Jeannot RAMAMBAZAFY – 03 Mey 2024