]
Les quotidiens du 26 Sep 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Lapan’ny Tanànan’Antananarivo, 16 septambra 2024. Lahatenin’ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, tamin’ny fanaovam-beloma farany an’Itompokolahy Ramanambitana Richard Barjohn

Lapan’ny Tanànan’Antananarivo, 16 septambra 2024. Lahatenin’ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, tamin’ny fanaovam-beloma farany an’Itompokolahy Ramanambitana Richard Barjohn

* * * * * * *

* * * * * * *

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ianareo rehetra izay manotrona izao fanaovam-beloma farany ny namantsika, ray aman-drenintsika izao, indrindra ianareo fianakaviana, ny vady aman-janany.

Ao anatin'ny alahelo, tomany sy fo torotoro no hanaovantsika veloma farany an'i Richard Ramanambitana eto amin'ity Lapan'ny tanànan'Antananarivo ity, izay toerana nanamarika ny fanarenana nataontsika teto amin’ny Firenena dia izao Lapan'ny Tanàna izao. Fa tao amin'ity Lapan'ny Tanàna ity ihany koa no toerana niasan’Itompokolahy farany.

I Richard Ramanambitana moa dia olona tena manana ny fanoloran-tena tamin'ny asa rehetra izay nataony. Olona nanana ny finiavana izy. Nisy ny fotoana manokana nanamarika antsika tsirairay avy tamin'ny fiarahana taminy.


Izy moa dia namana, mpiara-dia hatrizay na teto an-toerana, eny na hatrany ivelany aza. Ary izay indrindra ny antony, tamin’ny vao voatendry Filohan'ny Delegasiona manokan'ny Tanàn'Antananarivo izy, dia rehefa nisy fitsidihina nataoko tany Rwanda, tany Kigali, dia nentiko nanaraka ahy Itompokolahy. Tany Kigali dia niaraka nandinika izahay ny fanovana ho entina eto amin'ity Tanànan'Antananarivo ity mba ho maodely amin'ny filaminana sy ny fahadiovana ny Renivohitra.


Izy dia olona nametrahako ny fitokisana manokana, notendrena ho Loholon'i Madagasikara ary noho izay fitokisana sy fahavononany sy ny fitiavan-tanindrazana sy ny fitiavana ny asa izay nampanaovany azy izay dia tsy nisalasala ihany koa aho nametraka azy hisahana ny andraikitra hitantana ity Tanànan'Antananarivo ity.


Nanana vina izy dia ny hoe « Antananarivo Madio, Mirindra sy Mandroso ». Nofy sy fanamby ary vina nifampazaranay izany asa rehetra izany. Natao ny tetikasa, vita ny lamina rehetra. Eto anefa dia mifarana ny diany na dia ny fanariantsika aza ny hanohizany an'izany andraikitra nampanaovina an'azy izany.

Betsaka tokoa ny fikasana, fa Andriamanitra no manapaka ny zava-drehetra ary isaorantsika Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra ihany koa. Na dia ny tao an-tsaiko sy tao amin’ny faniriany aza dia hanohy izany asa izany.


Raha ny hitsiny sy ny rariny dia izy no tokony natolo-tsika ho kandidà ho Ben'ny tanànan’Antananarivo.

Nefa moa Andriamanitra no manapaka ny zavatra rehetra, Andriamanitra no mandahatra, izy no manome izy ihany koa no maka, ka dia ekentsika izany làlana nosoratana sy napetrak'Andriamanitra izany.

Mpiara-dia, niriaria, niaraka niazakazaka, niaraka nilofo niaraka nandeha, nefa moa nifarana izay dia izay. Nandritra ny fotoana fifidianana aza dia mahatsiaro aho, satria tamin'ny fifidianana Filoham-pirenena tamin'ny 2018 dia Itompokolahy no nasaiko nisahana ny fikarakarana ny fikambanana sy ny associations rehetra. Ny olona rehetra efa nody tao amin'izany QG izany fa izy mbola tao niandry ahy hatramin’ny farany. Nanohana foana izy, ary am-pahavononana tanteraka no niandraiketany ireo andraikitra rehetra izay nampanaovina an'azy.


Misy ny velona fa maty ara-panahy, fa misy kosa ny maty fa velona eo akaikin'i Jesoa Kristy Tompo. Fantatro fa olon'ny finoana izy, nametraka ny fitokisany tanteraka tamin'Andriamanitra tamin'ny zava-drehetra, ary na dia tao anatin'ny tsy fahasalamana aza dia mbola miantso aho, mbola miresaka ary nanamafy an’izany finoana izany hatramin’ny ora farany.

Mino isika fa noho izany finoana ananany izany dia efa any amin'Andriamanitra izay amin'izao fotoana izao, eo akaikiny ao anatiny fahazavana sy ny fiadanana. Ny lalany teto an-tany no mitsahatra fa ny fanahiny kosa dia eo am-pela-tànan'i Jesoa Kristy Tompo.

Ho anareo fianakaviana : mirary fiononana tanteraka ho anareo izahay. Jesoa Kristy Tompo anie no hampitraka sy hampionona anareo ao anatin'izao fahoriana lalina izao.


Miray fo isika, mivavaka ho an'ny fialan-tsasatry ny fanahiny ary mba hijanonana mandrakizay ao am-pontsika tsirairay avy ny fahatsiarovana tsara ny fotoana rehetra niarahany tamintsika ary, indrindra indrindra, mifanome toky isika fa hanohy ny asa sy ny fikasana izay tao am-pony.

Mandria am-piadanana Richard Ramanambitana, namako, mon frère. Handray anao any amin'ny fanjakana mandrakizay anie Andriamanitra.

Mankahery antsika rehetra.

Andry RAJOELINA

Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara

Niaino sy nandray an-tsotratra (30 : 02’’ - 46 : 05’’) : Jeannot RAMAMBAZAFY

Sary : Harilala Randrianarison sy Andry Rakotonirainy

Mis à jour ( Mardi, 17 Septembre 2024 10:10 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024

 

« LA TRAVERSEE DES VALLEES MA.FA.NA », UN PROJET DE MA.FA.NA ANTANANARIVO POUR LES VALLEES MANAGNANO – FAROGNY - NAMOROGNA

 

ALAIN DELON. DECEDE CE 18 AOUT 2024 A L'AGE DE 88 ANS

 

ROMI VOOS ANDRIANARISOA. LA VERITE VRAIE ET OFFICIELLE SUR LE CAS DE CETTE FRANCO-MALGACHE

 

Toamasina, 26 juillet 2024. Journée mondiale contre le travail des enfants à Madagascar

 

Madagascar : Application des lois. Un jour viendra le Développement, si…, par Jeannot Ramambazafy

 

Madagascar. Justin Tokely, élu Président de l’Assemblée nationale