]
Les quotidiens du 15 Oct 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Hajo Andrianainarivelo. Mamita-bahoaka amin’izato teny frantsay ve sisa no fomba fiady ?

Hajo Andrianainarivelo. Mamita-bahoaka amin’izato teny frantsay ve sisa no fomba fiady ?

Ry mpamaky hajaina : aza miahiahy fa na afaka 25, 50, 100 taona dia hisy hamaky foana ny soratro rehetra satria tahiry na arsivan’ny Tantaran’i Madagasikara. Lavitry ny IA (« Intelligence artificielle ») izay fitaovana noforonin’olona maro manambatra asan’olona nisy ary misy ka lasa mamorona tantara hafa mihitsy. Fa fantatra foana ireo mampiasa sy hampiasa io IA io satria tsy hisy « feeling » mampiseho ny maha izy azy ny mpanoratra intsony, ary afaka hamarinina ao amin’ny tambazotra Internet ihany koa fa nangala-tahaka.

Izay no ela fa rehefa namaky ny lahatsoratra hita ao amin’ny gazety « Midi Madagasikara » nivoaka androany Sabotsy 28 septambra 2024 maraina aho, dia variana dia variana amin’ny « fahasahiana » asehon’ingahy Hajo Andrianainarivelo, mampiseho ny fahambanian’ny sainy sy ny fanaovany zinona ny vahoaka malagasy.

Voalohany : any amin’iza marina no miantefa ity tena frantsay tsy mifandray amin’ny tena dikany sy tsy ho azon’ny sarambabem-bahoaka ity mihitsy ?

Faharoa : fanabadoana ny vahoaka ny fampiasana azy satria na ireo Malagasy tsy mahafehy ny teny frantsay aza dia handika izay tiany adika.

Fahatelo : vokatr’ireo roa voalohany ireo dia fampiadiana ny Malagasy samy Malagasy tanteraka ilay izy fa tsy fampiadiana resaka velively intsony. Kapoka iray -tsy ilazako hoe kambana- izy sy ingahy Roland Ratsiraka amin’izay « fomba fiady » izay. Ny an’ity farany moa dia ny tsy nahazoany toerana minisitra intsony no mahatonga azy mamorom-porona. Mamorona satria tsy misy porofo arosony mihitsy.

Tadidinareo ve ilay hoe :" manana dossier momba anao aho", tamin'i Hery Rajaonarimampianina. Ary dia nataon'ity farany ministry ny Asa vaventy (2014-2016) dia avy eo minisitry ny Fizahan-tany (2016-2018), fony izy lany Filoham-pirenena. Nisy izany ilay dossier fa hatramin'izao taona 2024 izao, tsy hita izay tohiny... Tsy ho adinon'ny Tantara ny fiovany toa tandrimo...

Mbola mahasahy "manontany tena", amin'ny teny frantsay ihany izy hoe : "Inona no nataon-tsika vahoaka malagasy", eo anatrehin'ny fahatapahan'ny jiro sy ny rano

Raha iverenena ingahy Hajo, aleo aloha azavaiko ny dikan’izany « blocus » izany. Izao no voalazan’ny rakibolana Le Robert :

Blocus, nom masculin : Investissement (d'une ville ou d'un port, d'un littoral, d'un pays) pour isoler, couper les communications avec l'extérieur. Synonymes : Embargo, boycott

Izao no dikan’ireo amin’ny teny malagasy ofisialy :

Blocus : Sakana : Fanafiana (na tanàna, na seranan-tsambo, na morontsiraka, na firenena) amin’ny fomba rehetra hanapahana ny fifandraisana amin'ny any ivelany.

Teny mitovy dikany: Embargo, Boycott = fanaovana ankivy

Tsy naka sarotra mihitsy ingahy Hajo Andrianainarivelo fa aminy dia tena fanaovana ankivy ny vahoaka malagasy no ataon’ny fitondrana Rajoelina amin’izao jiro sy rano tapatapaka miseho izao. Mora tokoa no miteny fa ho vidiany lafo noho ilay GMC nozesitiavany tamin’ny propagandy nahafantaran-tsika fa tsy misy miraharaha azy ny vahoaka malagasy. Indrindra fa ny tanora ankehitriny. Io ambany io izany fiara mitentina 600 tapitrisa ariary ny vidiny. Sa « nindramina » ?...


Fa izao kosa aloha : aleo aho mba hanazava ny tena anton’ireo fanapahana ireo. Avy mamaky ity ry manampahaizana eny an-dapa, dia hiazakazaka hiteny INDRAY fa lasa mpanohitra sy mpamadika i Pappy Jeannot. Aleo mihomehy… Haveriko : sady tsy mpikambana amina antoko n’iza n’iza aho hatramin’izay niaikako (70 taona aho izao) no tsy miasa ho an’ny fanjakana, ny minisitera izany na ny prezidansy.

Mahatonga ny olona toa an’i Hajo Andrianainarivelo mirediredy sy mamita-bahoaka hatrany dia noho ny tsy fahaizan’ny tomponandraikitra misahana ny Angovo ankapobeny manao Serasera (« Communication »). Izay no marina. Ary io Serasera io tsy vita amina « Communiqués de presse » aorian’ny tranga fa tena manazava antsipirihiny ny zava-nisy, misy ary hisy ka mila fotoanany ny famahana ny olana. Atao matetika io resaka Serasera io. Saingy...

Satria efa simba tsy mba nasian’ireo nifandimby tao amin’ny Jirama sira mihitsy ny fikojakojana ny fitaovana any ka ara-fesina tsy mandeha intsony. Ampy ny rano, tapaka ny jiro ; tsy ampy ny rano, tapaka ny jiro. Izay foana no mba fialana bala ao Andekaleka ao.


Fa mba mandalova ianareo etsy Ambodivona, eto Antananarivo, dia jereo tsara. Izao, amin’ity Tale jeneraly vaovao ity izao vao manomboka manao izany fanamboarana sy fanarenana izany, ka tsy maintsy soloina ireo fitaovana simba. Ny dikany dia tsy maintsy tapahina ny herinatra amin’ireo toby rehetra misy fahasimbana mila amboarina na misy lo tanteraka ka mila soloina. Tsy ny toby rehetra anefa no miaraka amboarina na anoloana fitaovana fa misy praograma arahina.

Ireo fanamboarana ireo no mahatonga ny fanatapahana ny herinaratra miodina fa tsy ny resak’adalan’ingahy Hajo akory eo « ny Fanjakana no manao ankivy ny vahoaka malagasy ». Ao anatin’izany anefa, tsy mirindra tsara ilay fomba fiasa ary minoa ahy ianareo fa misy mpiasan’ny Jirama tena « fotsifotsy fanahy », tsy ho lazaiko zavatra hafa, minia manapipiaka ny herinatra. Tsapanareo rehetra mpamaky fa alohan’ny fahatapahana na hiverenan’ny jiro dia mipipiaka indroa intelo vao miverina tanteraka. Izany anefa harahina fahatapahana kely. Eny, kely fa manimba fitaovana. Tsy afaka manala «prises » akory ianao dia miverina ny jiro. Izany no tena sabôtazy, Tompoko.

Ny tanjona ? Ho tezitra ny vahoaka dia hidina an-dalambe dia « hirodana ny fitondran’i Rajoelina ». Dia hanao « fiaraha-mitantana » indray. Tsy fitiavana tanindrazana izany fa fitiavan-tena. Ny olona toa an-dry Hajo Andrianainarivelo tsy hivaky loha izay vahoaka raha tratra izany tanjona masiso izany. Mbola ho avy ny fotoana hamoahana ny « fananany » nangoniny nandritra izy ministry ny Fanajariana ny tany ka ny soniany dia efa nahazoana vola amina miliara ariary… Mamorona aho ? O ry ireito a : ny mpamosavy mandeha alina aza misy mahita.


Ny vahaolana ? Efa ela aho no nanoratra fa tokony manao lava-drano, raha mikasika an’Antananarivo. Efa ela koa aho no nanoratra, nilaza fa ny vahaolana aingana sy maharitra dia ny fametrahana « parcs solaires » (angovo azo avy amin’ny masoandro) sy/na « parcs éoliens » (angovo avy amin’ny rivotra) manodidina an’ireo tanàn-dehibe misy eto Madagasikara toa Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa, Toliara, Taolagnâro. Inona marina ny sakana ? Misy lesoka ny Serasera any ka misokatra ho azy ny varavan'ny fanakianana na ho any na tsia.

Fa ny famaliana izany fanontaniana izany dia tsy anjarako velively, fa anjaran’ny fitondram-panjakana. Fa iza marina aloha no tsy manatontosa ny asany ? Inona no tena sakana ? Efa manakaiky ny fotoam-pahavaratra…

Mbola hahare foana ve isika ny hoe « araka ny baikon’ny Filoha » ? Izany hoe ity farany ity mihitsy no tomponandraikitry ny tsy fahombiazana ? Hatreto. Raha mbola samy hifanilika andraikitra ka atsipy any amin’ny Filoha Rajoelina daholo aloha ny asam-pampandrosoana rehetra dia ity farany mihitsy izany no olana ? Ekena fa misy minisitra tena miasa. Saingy misy no tsy tazana, hatreto. Ho tapitra ny volana septambra 2024.

Ny fanaovan-gazety dia sehatry ny Fanabeazana ihany koa. Misy no manaraka izany fa misy dia izay lazain’ireo mpanao « pôlifika » hatrany no adika an-tsoratra…

Isan'ny mponina teto Madagasikara, ny taona 1970 : 6 639 751

*****

Isan'ny mponina teto Madagasikara, ny taona 1923 : 30 325 732

Isan'ny Banky Iraisam-pirenena tamin'ny androany faha-28 Septambra 2024 ireo ambony ireo. Mbola tsy tapitra ny taona 2024. Tsy hihemotra mihitsy ny isan'ny Malagasy na hisy tsunami, na fipoahan'ny volcans (ao Vakinankaratra na any amin'ny faritr'Itasy), na rivo-doza mahery vaika, na tondra-drano, na horohoron-tany.

Isika miaina amin’izao vaninandro izao dia efa 30 tapitrisa isa mahery izany. Raha eto Antananarivo dia tafakatra 3 tapitrisa mahery ny mponina, raha 363.000 tamin’ny taona 1970. Tamin’izany, tadidiko fa ariary roa (10 fmg) ny frais-ny fitateram-bahoaka (« bus »).

Ny tiako ambara eto dia izao : hatsaharo ny resaka « tamin’ny fitondran’i Anona sy i Anona dia izao ny vidin’izatsy sy eroa ». Lanja miakatra ny fiainana maneran-tany. N’iza n’iza mitondra eo na hatramin’ny taona 2100 (efa maty daholo isika amin’izany fa aza manantena inona) dia hiakatra hatrany ny vidin-javatra. Aza fahanana lainga ny vahoaka ny mpanao politika mandrendrika ny firenena a !


Ny tanjon’izay mpitondra sy hitondra dia izao ihany : amin’ny fomba ahoana no hampifanarahana ny fidiram-bolan’ny maro an’isa sy ny vidin’entana ? Amin’ny fomba ahoana no tsy hanafarana vary avy ivelany intsony ? Vitan’ny Shina izany. Matoa tsy vitan-tsika dia sakana ara-politika hatrany.

Farany, ry mpamaky hajaina : hatreto, dia mbola Malagasy toa azy ihany ny fahavalon’ny Malagasy. Satria Nosy isika ary tsy avy ivelany hanafika. Dia io ingahy Hajo Andrianainarivelo manamarina izany soratako izany. Malagasy mampiasa teny frantsay avily mba hampiadiana ny samy Malagasy. Tsy ho afa-bela ianao satria Masina ity Tanindrazan’ny Malagasy ity, manan-jiny… Fa dia mbola mitoetra hatrany ny fanaovan'ny "mpanao politika" fitaovana ny vahoaka malagasy. Hatramin'ny oviana?

Satria tsy mitovy -ary tsy hitovy na oviana na oviana- ny tanora tamin'ny taon-jato nifandimby sy ireo maro an'isa amin'izao taona 2024 izao. Manana vina ireo, manana fanantenana, tsy mora rebireben'ny mpamadika palitao sy ny mpitarika vilam-bava. Inona moa no mba nataon'izany Hajo Andrianainarivelo ho azy ireo teo anelan'ny taona 2009 sy 2022 naha minisitry ny Fanajariana ny Tany ? Toa ny fanatotofana tany ("remblayage") no nafotaka ?

Jeannot RAMAMBAZAFY – 28 Septambra 2024

Mis à jour ( Samedi, 28 Septembre 2024 16:56 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024

 

« LA TRAVERSEE DES VALLEES MA.FA.NA », UN PROJET DE MA.FA.NA ANTANANARIVO POUR LES VALLEES MANAGNANO – FAROGNY - NAMOROGNA

 

ALAIN DELON. DECEDE CE 18 AOUT 2024 A L'AGE DE 88 ANS