]
Les quotidiens du 15 Oct 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Parisy, Grand Palais, 05 oktobra 2024. "Ny tanora sy ny olona miasa sy mamokatra no mampitoetra maharitra ny fandrosoana", hoy ny Filoha Andry Rajoelina

Parisy, Grand Palais, 05 oktobra 2024. "Ny tanora sy ny olona miasa sy mamokatra no mampitoetra maharitra ny fandrosoana", hoy ny Filoha Andry Rajoelina

SARY TENA LEHIBE ETO

Nifarana ny sabotsy 05 oktobra 2024 ny Fivoriana an-tampony andiany faha-19 ny Frankôfônia izay natao tany Frantsa, tany Villers-Cotterêts (Aisne) sy tao Parisy (Renivohitr'i Frantsa). Nizara roa mazava io andro farany io. Teo ny hoe « séance plénière », ny maraina, izay fivoriana afaka natrehin’ny mpandray anjara rehetra, ary teo ny « séance à huis clos », ny tolakandro, izay natrehin’ny mpitondra sy mpitarika ihany. Tao amin’ny Grand Palais, ao Parisy, no nanaovana ireo fivoriana roa samihafa ireo fa ao anatina andro sy toerana iray ihany.


Raha mikasika ny « séance plénière » dia nandray ny asany avy hatrany ny Filohan'ny Repoblika frantsay, Emmanuel Macron, izay lasa Filohan’ny Fivoriana an-tampon'ny Frankôfônia.

Teo koa no nanao tatitra ny asany teo anivon’ireo Firenena mpikambana, Ramatoa Louise Mushikiwabo, Sekretera Jeneralin'ny Fikambanana Iraisam-pirenenan’ny Frankofônia na ny OIF (« Organisation Internationale de la Francophonie »). Fa jereo kely io tabilao ambany io.


Io andro io no tapaka fa i Cambodge no handray ny Fivoriana an-tampony faha-20 ny FrankĂ´fĂ´nia, amin'ny taona 2026. Nekena ihany koa ny maha-mpikambana vaovao an'i Ghana sy Chypre ao anatin'ny fianakaviamben'ny FrankĂ´fĂ´nia.


Nandritra ny adihevitra nandraisan'ny Filoha Andry Rajoelina anjara, dia nankasitraka tanteraka izy ny faneken’ny rehetra an'i Ghana sy Chypre ho mpikambana vaovao ao anatin'ny Frankôfônia. Noho izany dia lasa 93 ny isan’ny mpikambana eo anivon'ny Frankofonia raha 88 teo aloha. Niarahaba ihany koa an'i Angola, Chili, Nouvelle-Écosse, Polynésie française ary Land de Sarre, ao Allemagne, ny Filoham-pirenena malagasy, noho ny fangatahan’ireo firenena voatanisa ireo ho mpikambana mpanara-maso eo anivon'ny Frankôfônia.


Fa ankoatra ireo fiarahabana ireo dia ny ady amin’ny fanajarian-tsakafo no hevi-dehibe nentiny tamin’ny anjara fitenenany : « Tena ilaina ny ady amin'ny tsy fanajarin-tsakafo », hoy indrindra izy, ka niantsoany an'ireo Firenena mpikambana eo anivon'ny Frankôfônia hifanohana amin'izany. « Tsy ny ady ihany mantsy no miteraka fahafatesan’olona fa ao dia ao koa ny tsy fanjarian-tsakafo. Mahatratra 3.100.000 ny zaza iharan'ny tsy fanajarin-tsakafo ao amin'ny kaontinanta Afrikana izay ahitana firenena mpikambana ato amin’ny Frankôfônia ».

Mazava fa na eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena aza dia tsy mitsahatra manamafy ny fahavononany hiady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo ny Filoha Andry Rajoelina. Tsy adino nefa fa ny lohahevitry ny latabatra boribory dia : « Mamorona, manavao ary manatanteraka amin'ny teny frantsay eo amin'ny asa ho an'ny tanora » («Créer, innover et entreprendre en français pour l’emploi des jeunes»)


Hoy indrindra ny Filoha Andry Rajoelina mikasika ireo Tanora :

« Ny tanora sy ny olona miasa sy mamokatra no mampitoetra maharitra ny fandrosoana. Ity fifanakalozan-kevitra an-databatra boribory ity dia nahafahana namaritra mazava kokoa ny ho fiainam-piarahamonin'ny tsirairay rahampitso. Ary manana toerana lehibe anatin'ny fandrafetana izany fiarahamonina izany ny tanora. Miampy ny fifanakaikezan'izy ireo noho ny fampiasana teny iombonana, ny teny frantsay, dia azo antoka fa izy ireo no hampihatra tanteraka ny fivoarana mirindra ilain'ny firenena iaviany ».

HUIS CLOS


Tsiahivina fa i Madagasikara dia anisan'ny mpikambana mpanorina ny Frankôfônia tamin'ny taona 1970, 54 taona izay. Nohamafisin'ny Filoha Rajoelina ary ny maha-zava-dehiben’ny « multilatéralisme renouvelé » izay fiaraha-mientana an-tsoroka, ao anaty fanavaozana, ny fitadiavana vahaolana amin'ny fomba tsy mitanila ireo olana isan-karazany mianjady eto amin'izao tontolo izao.

Ho avy tsy ho ela ny Tantaran’ny Frankôfônia amin’ny teny malagasy. Mahareta ry mpamaky hajaina.

Jeannot Ramambazafy

Mis Ă  jour ( Dimanche, 06 Octobre 2024 09:07 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024

 

« LA TRAVERSEE DES VALLEES MA.FA.NA », UN PROJET DE MA.FA.NA ANTANANARIVO POUR LES VALLEES MANAGNANO – FAROGNY - NAMOROGNA

 

ALAIN DELON. DECEDE CE 18 AOUT 2024 A L'AGE DE 88 ANS