]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Mialy R. Rajoelina. Kabariny tao amin’ny Jaipur Foot Camp Andraharo, ny 12 Novambra 2024

Mialy R. Rajoelina. Kabariny tao amin’ny Jaipur Foot Camp Andraharo, ny 12 Novambra 2024

V I D E O

" Amin-kafaliana no hiarahabako anareo rehetra androany feno fankasitrahana ihany koa amin’ny maha-Reny mpiahy ahy ny « Jaipur Foot Camp » voalohany eto Madagasikara.

Mino aho fa ny hetsika hataon-tsika eto amin'ny Galaxy Andraharo, ato anatin'ny 42 andro, dia hamelona ny Fanantenana ho an’ireo mpiray Tanindrazana amintsika izay maniry ny hiverenan’ny fahafahan’izy ireo mamindra ary hananany fahaleovantena.

Ny fahasalamana tokoa no voalohan-karena ary manana tombony lehibe ny olona salama sy tomady. Izay no antony hijoroko ary manohana hatrany ireo tetikasa mitondra Fanantenana ho an’ireo izay tsy manana fahafahana hisitraka izany. Noho ny ezaka nataon’ny BMVSS (Bhagwan Mahaveer Viklang Sahayata Samiti) amin’ny alalan’ny « Jaipur Foot », izay modely iraisam-pirenena amin’ny fifanampiana sy fitsinjovana ny maha-olona, dia maherin’ny 500 izay manana fahasembanana sy takaitra no hisitraka maimaipoana ireo ratsam-batana artifisialy na « prothèses ».

Fanampin’izany dia hisy fampiofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ireo mpitsabo sy teknisianina ao amin’ny Centre d’Appareillage de Madagascar, ao Befelatànana, mba hafahan’izy ireo mifehy ny dingana fanarenana na « rééducation ».

Ny fampiofanana ho an'ireo mpitsabo ireo no hampaharitra ny tetikasa sy hanatsara ny rafi- pahasalamana eto amintsika. Iainanareo tanteraka ny teny filamatra napetrakareo izay manao hoe « Fianakaviana iray ihany izao tontolo izao », satria hita taratra fa ny asa soa ataonareo malala tànana, dia tsy mifidy toerana na aiza na aiza.

Koa amin'ny anaran'ireo nahazo tombontsoa dia maneho fisaorana eram-po eran-tsaina tamin'ny nisafidiananareo an'i Madagasikara. Miraikitra eo amin'ny tantaram-piainan'izy ireo ny fandalovanareo eto. Ny « Jaipur Foot » dia tsy fitaovana ara-pitsaboana fotsiny fa antoky ny Fahaleovantena sy ny Fahafahana.


Olona maro avy amin'ny lafivalon'ny Nosy no mahazo « prothèses » :

• Ao ireo izay tsy mbola nahatsapa izany fahafahana mihetsika izany mihitsy. Saingy ankehitriny dia afaka milalao sy mandeha mianatra ankahalalahana ;

• Ao ihany koa ireo izay mety niharan'ny lozam-pifamoivoizana na sendra aretina, ka noho ireto « prothèses » ireto dia afaka mahaleo tena indray ary afaka mandray anjara feno amin’ny Fampandrosoana ny Firenena. Eto aho dia maneho fisaorana ireo rehetra izay nandray anjara tamin’ny fanomanana sy ny fanatanterahana ity fanamby lehibe ity.

Izany no tontosa dia noho ny fanohanana, ny filofosana ary ny fanolora-tenanareo. Nampiseho modely ianareo fa ny firahalahiana sy ny fifampitsimbinana dia harena sarobidy ho an'ny Firenentsika ; ary izany dia mitondra avo ny toe-tsain'ny fifampizarana. Ny fanolorana fanampiana na « dons » dia misy akony tokoa, nefa tsy tokony hijanona amin'izany isika.

Ny fanomezana dia varavarana manokatra làlana entina manatanteraka vina vaovao, mitarika antsika amin’ny tetikasa maharitra sy fandrosoana azo tsapain-tànana. Ka tsy tokony hionona amin’ny fandraisana fanomezana fotsiny isika, fa tokony hampiroborobo ny finiavan’ny tsirairay handray andraikitra.

Zava-dehibe loatra ohatra ny fandraisana ny fepetra fanafahan-ketra amin’ny fadin-tseranana izay nanomboka nihatra ny janoary 2011 sy ny fanafahan-ketra amin’ny TVA nanomboka ny volana Aogositra 2021, amin’ny fitaovana ara-medikaly ho an’ny olona manana fahasembanana.

Safidy tsara sy voahevitra ary manaporofo ny fahavononantsika hananganana fiarahamonina mampiaty izany. Koa andao isika hanamafy ny Firaisankina ka ny Fahasalamana no ataontsika fototra sy voalohan-daharana amin’izany.

Mirary soa ho antsika rehetra ! "./.

Ramatoa Mialy R. RAJAOELINA

Vadin’ny Filoham-pirenena malagasy

Filoha Mpanorina ny Association FITIA

Mis à jour ( Mercredi, 13 Novembre 2024 09:19 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30