Efa nisy izany Pasitora Zaka Andriamampianina sy ny akamany ao amin’ny Fjkm, tena mampiditra politika isak’izay « mitory teny ». Dia asa naninona tampoka teo koa ilay noheveriko fa mba olom-pinoana sy olon’ny fifanakalozan-kevitra tena mahalala izany hoe asa ana Pasitora -na Mpitandrina- izany (tambolohany), fa tena nanondrana tanteraka ka vao mainka mahatonga ny mpivavaka kristianina hiala ao amin’io Fjkm io.
Fa inona marina aloha izany hoe Pasitora na Mpitandrina izany ?
Ny Mpitandrina dia olona manao ny asa fitantĂ nana sy fampianarana ao amin'ny fiangonana kristianina. Io teny io dia manondro minisitra protestanta na evanjelika momba ny fivavahana.
Izao no ho tsaroan’ny Tantara : Ny Pasitora Irako Andriamahazosoa Ammi, izay tsy nitandrina ny teny navoakan’ny vavany, no nampirongatra ny fiangonana zandriny eto Madagasikara satria norakofany politika hatrany ny toriteny natao sy mbola hatao ao amin’io Fjkm io. Satria tsy hahazo soa izany mihitsy ny mpivavaka ao amin’io fiangonana very fanahy masina tanteraka io.
Pasitora Lala Rasendrahasina, zanaky ny Pasitora Titus, ratsy fiafarana...
Tena tsy hiala am-boninahitra tokoa ny Pasitora Ammi fa hanara-dia an’ny zanak’i Pasitora Titus, izay any amin’ny « salon de massage » tao amin’ny « Gamma Hôtel » Antanimena, no tratra. Efa tamin’ny taona 2012 izy io no mandeha ao, na dia nandà sy nandrahona mpanao gazety aza. Izy koa ilay sahy nilaza fa nampisotroana maloto tamin'ny taona 2009...
Mahery ny sazin’Andriamanitra. Io resaka "massage" io no atao hoe « Justice immanente » ho an’izay tsy mahalala. Na ela na aingana tsy maintsy hiatrà aminao ny zavatra nataonao. Na tsara io na ratsy. « Karma » hoy ry zareo Tatsinanana (« Orientaux »).
Ny Fiangonan’ny Jesosy Kristy eto Madagasikara na FJKM dia niorina tamin’ny taona 1968.
Ireto avy ny foto-pinoana nisy tao amin’io Fiangonana io :
- Mino an’Andriamanitra Mpamorona ny Tany sy ny Lanitra
- Mino an’Andriamanitra izay tonga nofo ao amin’i Jesosy Kristy
- Mino fa ny Fanahy Masina dia Andriamanitra
- Mino an'Andriamanitra tokana izay mampahafantatra ny tenany amin'ny alalan'ny Ray-Zanaka-Fanahy Masina (Trinité)
- Mino ny Tenin'ny Tompo araka ny Baiboly sy ny tsindrimandrin'ny Fanahy Masina
- Mino ny sakramenta roa, dia ny Batisa sy ny Fanasan’ny Tompo
Tsy misy mihitsy izany hoe hasiana resaka politika raha tsy nanomboka ny taona 2002, fony ingahy Marc Ravalomanana nahazo fitondrana. Ny vokany ? Nandritra izay 20 taona mahery lasa izay dia maro ny mpino no niala tao amin’io Fjkm io ary nitombo kosa ireo fiangonana « zandriny » kristianina, sy ny isan’ireo nanaraka ny finoana silamo. Raha tsy mazava aminareo ny antony dia mihevera-tena…
Handeha hisotro ronono ny Pasitora Ammi, fa tsy navelan’ny devoly tsy hanara-dia an-dry Pasitora Lala Rasendrahasina sy ny Pasitora Zaka Andriamampianina izy (« jamais 2 sans 3 », hoy ny Frantsay), amin’ny familiana ny Tantara sy ny voasoratra ao anaty Baiboly iombonan’ny Kristiana maneran-tany.
Izao no ampahan’ny « HAFATRA KRISMASY 2024 » tena nahatsiravina ny mpino maro dia maro manerana an’i Madagasikara naheno, fa nampibitaka ireo olona manozon-tena nanomboka tamin’ny nampidiran’ingahy Ravalomanana resaka politika ao amin’io Fjkm natanjaka talohan’izay. Niady sisika hatrany ho « Filoha laika »…
« Aza manao Krisimasin’i Heroda, Krisimasin’ny maty eritreritra, jamban’ny fifikirana amin’ny sezany ka nitady ny fomba rehetra hamonoana ilay Fahamarinana !
Aza manao Krisimasin’i Heroda, Krisimasin’ny maty fanahy ka sahy mandainga ankitsirano, mihatsara ivelan-tsihy mahatsiravina, mba tsy hamelana ilay Marina hiseho !
Aza manao Krisimasin’i Heroda, mihorohoro sao misy manongana, dia mampiasa ireo miaramilany hamono ireo zaza menavava !
Aza manao Krisimasin’i Heroda, mpanjaka adala nomem-pahefana ka aleony ny vahoakany no naripaka hiarovana mafy ny sezany, raha vao reny fa nisy Mpanjaka vao teraka tany Betlehema ».
Tsy niandry ela ity mpitsara voaraoka noho ny vavabeny ihany, mpiangona nahafatram-po tao amin'ny Fjkm Ankadifotsy Fitandremana. 45 taona izy izao mpitsaom-ponenana any Andafy izao. Ho mafy ny "Karma" hahazo azy amin'ny ora sy fotoana tsy ampoiziny. Aleho hanohy hatrany dieny mbola mazoto... (Hivoaka tsy ho ela ny boky momban'ny "talentany")...
Fa iza moa ity Heroda resahiny ity ?
Manomboka ny asany amin'ny maha mahery fo (« héros ») azy izy
I Heroda dia nalaza tamin’ny fahatanorany ho feno hery sy tia voninahitra. Mbola tanora izy dia nanaporofo izany tamin’ny fandroahany jiolahy iray niaraka tamina miaramila maro be nampihorohoro an’i Syria.
« Tany an-tanà n-dehibe maro dia nankalaza an’i Heroda ho ilay miantoka ny fandriampahalemana sy ny fiarovana ny fananan’ny olona, ny hira re sy ventesina ». (Josèphe, Guerre des Juifs 1.10.5)
Be loatra anefa ny zotom-po ara-politika sy ara-tafika nananan’i Heroda. Any ka nitondra azy teo anatrehin’ny tribonaly noho ny isan'ny famonoan’olona tsy nisy fitsarana, ny Mpanjaka Hyrcanus 2. (G. 1.10.6).
I Heroda no mpanjakan’ny Jiosy
Nalain’i Heroda ny fahefana teo anivon’ny ady an-trano tany Israely. Raha nankany Roma izy mba hitory ny raharahany, dia nambaran’ny Antenimierandoholona romana ho « Mpanjakan’ny Jiosy » izy. « Izany satria nangoraka azy ny Empeorora romana Marc Antoine ». (G.1.14.4). Fa tetika ara-politika fotsiny ihany io tamin’izany vaninandro izany satria mila olona itokisana ny Romana hisolo azy eo anivon’ny Jiosy.
Ireo ambony ireo dia nadikako avy tamin’ny asa fikaroana nataon’ny Pasitora Philippe Viguier avy ao amin’ny EPEVC (« Eglise Protestante Evangélique de Villeurbanne-Cusset »). Tsy adikako teny malagasy kosa ny fianarana noratovany. Le Pasteur Viguier est diplômé d’un B.A en théologie de Master’s College et d’un MDiv de Master’s Seminary, en Californie.
Somary lava ny tantaran’i Heroda fa tsy maintsy hampahafantarina anareo koa ny lafiny iray hafa, satria misy fiteny frantsay milaza hoe : « Entre ce qu’on pense et ce qu’on peut prouver, il y a un monde », midika hoe : samihafa ny zavatra eritreretina fotsiny ihany sy ny zavatra azo porofoina.
Andao ary, ry kristiana tena kristiana namako : fantaro izany Heroda izany amin’ny fintina nataoko, niala avy amin’ny namakiko ilay boky hoe : « Herod the Great: Jewish King in a Roman World (« Hérode le Grand : Un roi juif dans un monde romain ») nosoratan’ny Professeur émérite de l’Université d’Oxford, Martin Goodman.
Araka ny Filazantsaran’i Matio, dia nanome baiko i Heroda hamono ny zazalahy roa taona no midina, tao Betlehema, rehefa avy nilaza taminy ny Magy fa teraka ny mpanjakan’ny Jiosy.
Dia tsy azo nihodivirana ve fa rehefa maty io mpanjaka mpandatsa-dra io, tamin’ny taona 4 talohan’ny nahaterahan’i Jesosy Kristy, dia nilentika tao anatina ady saritaka makadiry ny fanjakany ? Ady izay nifanaovan’ny zanany telo lahy amin’ny manam-pahefana romanina sy ireo mpikaraman’ady maromaro, ka nahafaty olona an’arivony maro? Nampifandraisina tamin’ny habibiana nisy tamin’izany ny anaran’i Heroda, indrindra fa noho ny famonoana ny tsy manan-tsiny.
Ary manontany tena ny Profesora Goodman raha tena nisy tokoa ny fandripahana ny tsy manan-tsiny. Satria i Matio no hany Filazantsara mitatitra azy io. Ny sarin'i Heroda, mpanjaka masiaka, dia mitoetra ao amin'ny Kristianisma, eo amin'ny asa zavakanto, tantara an-tsehatra, fihirana ary hira Krismasy, nandritra ny taonjato maro.
In-4 ny Pasitora Ammi no niteny hoe : « Aza manao Krisimasin’i Heroda… ». Ary dia mazava be ny tohiny. Niampy, niampy, niampy, niampy.
Tsy maintsy noteneninao ve ireo ambony ireo, ilay tsy "ami"-ko intsony ? Tsotra ny valin-teniko ho anao :
« Fantatro fa izay rehetra ataon'Andriamanitra dia haharitra mandrakizay; tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany; ka dia ataon'Andriamanitra matahotra eo imasony ny olona ».(Mpitoriteny 1:2)
Dia samia ho tratry ny taom-baovao 2025 efa mitsidika e !
Jeannot RAMAMBAZAFY
29 Desambra 2024