
Misy dia tena mirediredy mihitsy ao aminâny facebook ao, ka heverin-dry zareo fa mitovy aminâilay âsĂ©rie FBI Internationalâ ny FBI, ka mampidi-kizo ny fahalalana ho anâny maro anâisa ny tsy fahampiany fahalalany mifototra aminâny fankahalana ny Filoha Andry Rajoelina. Ho avy ny Karma ry zareo fa tohizo foana aloha ny rediredinareo ! Izaho kosa hanazava ny marina mombanâio FBI io.
Ny FBI, izay midika hoe Birao Federaly misahana ny Fanadihadiana aminâny teny malagasy, dia Foibem-panadihadiana fototra an'ny governemantan'i Etazonia. Izy io dia azo atao hoe âzanakyâ ny BOI (âBureau of investigationâ na Biraon'ny Fanadihadiana) izay nahorinâi Charles Joseph Bonaparte (izay Tonia mpampanoa lalĂ na tany Etazonia ary zafikelin'ny Emperaora Napoleon Bonaparte, tao Frantsa), taminâny taona 1908.
Ny taona 1935, ny BOI dia novana ho FBI fanta-tsika aminâizao fotoana izao. Ny teny filamatry ny FBI dia Fidelity (Tsy fivadihana), Bravery (Fananana herim-po), Integrity (Fahitsim-po sy saina).
Ny "FBI" dia Foibem-panadihadiana fototra an'ny governemanta federalinâny Etazonia. Ny FBI dia sady sampana iray anâny polisy ara-pitsarana (âPolice judiciaireâ) amerikana no sampana fitsikilovana anatiny (mitovy aminâny CIS -âCentral Intelligence Serviceâ nisolo ny DGID eto Madagasikara- sy ny DGIS -â Direction gĂ©nĂ©rale de la SĂ©curitĂ© intĂ©rieureâ- ao Frantsa) natao hiady aminâny heloka bevava voarindra, fampihorohoroana, fitsikilovana ary fandikan-dalĂ na federaly hafa.
Izany hoe any Etazonia ny FBI no tena âmiasaâ. Saingy nohonâny resaka fampihorohoroana (âterrorismeâ) indrindra tao aorianâny fandaroana ny tranobe kambana roa ("Tours jumelles") âWorld Trade Centerâ tao New-York, ny 11 septambra 2001. Io taona io ihany dia nivoaka ny LalĂ na atao hoe âUSA PATRIOT Actâ. Izy io dia manamafy ny fahefana mpampihatra lalĂ na amin'ny fanaraha-maso sy ny ady amin'ny fampihorohoroana IVELANâNY Etazonia. Izany hoe io âUSA PATRIOT Actâ dia manitatra be ny fahefana manara-maso sy manadihady ny fampiharana ny lalĂ na, ka mitily, mikaroka ary manakana sy manasazy ny fampihorohoroana aminâny endriny rehetra.
IRAN SY ETAZONIA
Ny fifandraisana misy eo amin'i Etazonia sy Iran dia tsy nitsahatra niaratsy, indrindra hatramin'ny Revolisiona Iraniana tamin'ny taona 1979, izay nanaisotra an'i Shah Mohammad Reza Pahlavi, mpanjaka izay mpiara-miasa akaiky tamin'ny Etazonia. Taorianâizay revolisiona notarihan'ny Ayatollah Khomeini izay no nananganana ny Iran ho Repoblika Islamika teokratika, fantatra amin'izao fotoana izao amin'ny hoe Repoblika Islamikanâ Iran.
Nanomboka io taona 1979 io dia nosazianâny Etazonia ny Iran. Ny antony ? Nisy ny natao hoe « krizin'ny takalon'aina Iraniana » nanjary fifanolanana iraisam-pirenena teo amin'ny fifandraisan'i Etazonia sy Iran. Izy io dia niseho nanomboka ny 4 Novambra 1979 ka hatramin'ny 20 Janoary 1981. Inona no nitranga ?
Ny 4 Novambra 1979 hatramin'ny 20 Janoary 1981, izany hoe nandritranâny 444 andro, nisy diplaomaty sy sivily amerikana roa amby dimampolo no natao takalon'aina tao amin'ny Masoivohon'i Etazonia tao Teheran. Mpianatra Iraniana no nanao izany fakan'ankeriny ("prise d'otages") izany.
Raha ny marina dia tsy azonâny vavonâny mpitondra amerikana ity resaka « Repoblika islamika » ity. Any ka efa taminâio taona 1979 io no nanomboka ny sazy amerikana momba ny fivezivezan'ny fiaramanidina sivily Iraniana, ary nohamafisina hatramin'izay. Ireo sazy ireo dia mikendry ny hamerana ny fidirana any Iran ireo kojakoja sy ny teknolojia ilaina amin'ny fikojakojana sy fanavaozana ny fiaramanidina sivily any. Tafiditra amin'izany ny fividianana raoplanina toa ny Boeing sy ny Airbus.
Nisy moa iny resaka Boeing 777-200 ER tonga tao Iran niala tany Shina iny, taminâny alalanâny laharana malagasy (ER) vonjimaika nomenâny ACM (âAviation Civile de Madagascarâ). Nibitaka ry mpahay tantara valamaty fa âhanasazy anâi Madagasikara ny Filoha Donald Trump !â. Tena tsy mahalala marina ny tena antonâasanâny FBI. Rediredy re izao !
Matoa ny Praiministra Ntsay Christian nanambara fâefa misy mpanao âenquĂȘteâ avy ao aminâny FBI tonga eto Madagasikara dia satria nanaraka ny lamina izy. Izany hoe, tsy miditra fahatany amina firenena ivelanâny Etazonia olonâny FBI fa tsy maintsy manao izao manaraka izao :
Mila -ary tsy maintsy- manao fangatahana ara-pomba ofisialy amin'ny governemanta federaly amerikana, ny governemanta ana firenena ivelanâny Etazonia. Rehefa ekeny dia fiaraha-miasa aminâny sampana mifandray aminâny âenquĂȘtesâ (fanadihadiana) ataonâny FBI no asa atao.
Izao no voalaza mazava, ataoko aminâny teny frantsay vao hadikako teny malagasy :
Le FBI peut mener des enquĂȘtes dans des pays Ă©trangers, mais gĂ©nĂ©ralement, cela se fait en coordination avec les autoritĂ©s locales et sur invitation du pays hĂŽte. Le FBI a des pouvoirs et des lois qui lui permettent d'enquĂȘter sur des activitĂ©s criminelles et terroristes extraterritoriales, mais son action Ă l'Ă©tranger est limitĂ©e par des considĂ©rations diplomatiques et la souverainetĂ© des autres nations. (Source : FBI).
Dikan-teny : Ny FBI dia afaka hanao fanadihadiana any amina firenena vahiny, saingy amin'ny ankapobeny, izany fanadihadiana izany dia atao miaraka amin'ny manampahefana eo an-toerana sy aorian'ny fanasan'ny firenena mpampiantrano. Ny FBI dia manana fahefana sy lalà na mamela azy hanao fanadihadiana momba ny heloka bevava sy ny asa fampihorohoroana ivelan'ny Etazonia, saingy ny hetsika any ivelany dia voafetra amin'ny fiheverana ara-diplaomatika sy ny fiandrianam-pirenen'ny firenena hafa.
Ary ny CIA ?
Ny CIA (Central Intelligence Agency), izay naorin'ny âNATIONAL SECURITY Actâ, tamin'ny 18 septembra 1947, dia SAMPAM-PITSIKILOVANA amerikana, misahana ny fanangonana vaovao sy famakafakana momba ny firenena vahiny amin'ny anaran'ny governemanta amerikana. Ny CIA dia tomponantoka aminâny ankamaroan'ny hetsika an-tsokosoko atao any ivelan'i Etazonia.
Raha tsorina : fantatry ny CIA daholo ny tranga rehetra misy maneran-tany satria raitra dia raitra ny fitaovany... Raha marina daholo ny rediredy navoakanâireo mpankahala na ho any na tsia, efa ela ny Filoha Trump no ânanasazy" anâi Madagasikara.
Miandry ny vokatrâireo fanadihaniana mbola ataonâny FBI sy ny fanjakana Malagasy isika rehetra. Avelao hanoranoram-poana sy hirediredy hatrany ireo izay miseho lalin-tsaina. Fa mamorona, mandainga sy manompa olona ihany no tena kapaokanâizy ireo, tsy vavy tsy lahy. Avy eo miady an-trano...
Jeannot RAMAMBAZAFY
Antananarivo, 12 Aogositra 2025



