]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Madagasikara. Raharaham-pirenena. Fanambarana avy amin'ny FFKM

Madagasikara. Raharaham-pirenena. Fanambarana avy amin'ny FFKM

FANAMBARANA AVY AMIN'NY FFKM -

Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara

Mikasika ny toe-draharaham-pirenena

Ry vahoaka Malagasy, ry Kristianina havana,

Ho aminareo anie ny fahasoavana ombam-piadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo ary ny fiombonana amin’ny Fanahy Masina.

Eo anatrehan’ny zava-mitranga eto amin’ny firenena, ny FFKM dia manao izao fanambarana manaraka izao:

1- Miombona fahoriana amin’ireo fianakaviana namoy havan-tiana, ireo naratra; ireo rava fananana rehetra, very asa sy fihariana noho ny fandrobàna sy ny fandoroana amin’ny toerana maro; ao anatin’izany ny Fikambanana Mampiely Baiboly Malagasy.

2- Misaotra ireo mpamonjy aina; ireo mpiasan’ny fahasalamana mitsabo ireo maratra; ary koa ireo rehetra mikendry mandrakariva ny hisian’ny fitoniana sy ny filaminana. Isaorana ihany koa ireo mpiasan’ny haino, vaky, jery miezaka mampita sy mampahalala ny zava-misy amin’ny mpiara-belona.

3- Antso ho an’ny Fiangonana ny miaraka amin’ireo iharan’ny tsy rariny ary ijoroany izany. Mitaona ny rehetra ny FFKM mba hampitsahatra ny fifandatsahan-drà, ny fifandrafiana, ny fanimbana fotodrafitrasa sy ny fandrobana fananan’olona amin’ny endriny maro samihafa ; ny fifampihantsiana amin’ny teny aloaky ny vava sy ny fihetsika atao, ka samy hifanatona, hifamela heloka hirosoana amin’ny fitoniana sy fifampiresahana ho fitadiavam-bahaolana maharitra sy haingana, hitondra amin’ny fihavanana sy ny fandrosoana hisitrahan’ny vahoaka rehetra ny zo fototra tokony ho azy, toy ny jiro, rano, fitoniana, fihariana, filaminana,fandriampahalemana,… « Iza amin’ny raim-pianakaviana angatahan-janany trondro ka tsy hanome azy trondro fa bibilava » Lioka 11,11.

4- Aoka samy hitandro ny fandriam-pahalemana; hahay hifampihaino ao anaty fifanajana ny mpitondra sy ny vahoaka ,ny Ray aman-dReny sy ny tanora ary ao anatin’ny fahatahorana an’Andriamanitra no hanaovana izany.

5- Entanina isika mianakavy hanohy ny fandinihan-tena sy hampitombo ny vavaka, entanina ihany koa ny isam-pianakaviana mba hanandratra vavaka isan’andro ho an’ny firenentsika satria hoy ny Soratra Masina « Ka raha amin’izay no avy hanetry tena ny vahoakako izay iantsoana ny anarako, ka hivavaka sy hitady Ahy ary hiala amin’ny toe-dratsy, dia hihaino avy any an-danitra Aho ka hamela ny fahotany ary hahasitrana ny taniny» 2 Tantara 7:14

6- Ireo izay nandroba, aoka hamerina ireo fananana azo tamin’ny halatra fa tsy mahasoa anareo izany. Aoka isika haneho firaisankina, hikajy mandrakariva ny soa iombonana ary hanana fo antra sy onena tahaka an’i Jesoa, manoloana ny fahoriana sy ny fijaliana mianjady amin’ny hafa.

7- Ny fanekena hiverina amin’Andriamanitra ihany no hany vahaolana tokana ho an’ny firenentsika ao anatin’ny FIEKEN-KELOKA sy FIBEBAHANA izay hitondra any amin’ny FAHAMARINANA sy ny FIHAVANANA(4F) satria ny « Ny fahamarinana manandratra avo ny firenena» Oh 14:34

Ny FFKM , dia mijoro mandrakariva ho Raiamandrenin’ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka; noho izany dia mitandro hatrany ny toetsaina mifampihaino sy mifanaja.

« Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina amin’ireo Fiangonana» (Ap. 3:6)

Homba antsika mandrakariva anie Jesoa Kristy Tompo.


Natao teto Antananarivo anio Zoma 26 Septambra 2025

Ny Filoham-piangonana efatra mirahalahy

Monseigneur RAOELISON Jean de Dieu

Solontenan’ny EKAR Filohan’ny FFKM

Monseigneur RANARIVELO Samoela Jaona

Filohan'ny EEM

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina

Filohan'ny FJKM

Pastora Dr RAKOTOZAFY Denis

Filohan'ny FLM

Mis Ă  jour ( Samedi, 27 Septembre 2025 09:41 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30