Ny Filoha Barack Obama
Ny soa, hono, fianatra ary ny maha firenen-dehibe ny firenen-dehibe dia ny mpitondra mahay manazava ny ataony aminâireo vahoaka izay tompoiny. Ny an-dRamalagasy moa dia toa mifototra aminâizany aminâizao taona 2015 ifarana izao: ry zalahy nampindramina fahefana indray no miseho ho eo mandrakizay ka tsy raharahiany mihitsy izany vahoaka izany. Na ela na ainga anefa dia tsy maintsy hialan-dry zareo ireo io toerana fandalovana io. Ary ho adinonâny Tantara hatraminâny anarany. Raha tsy hoe hampifandraisanâireo taranaka fara aman-dimby amina zava-dozaâŠ
Vao nigadona tao Parisy ny Filoha Barack Obama, androany 30 Novambra 2015 maraina, avy hatrany dia niazo ny toerana misy ny "Bataclan". Niara-niondrika tamin'ny Filoha François Hollande sy ny Ben'ny Tanà nan'i Parisy, Anne Hidalgo, izy
ETAZONIA!
Iza no tsy mahalala fa ry zareo Bekintana ny firenena matanjaka indrindra eran-tany ? Efa hadiva ny fotoam-piasanâi Barack Obama satria tsy mahazo mihoatra ny roa ny « mandat » any Etazonia. Fa tsy manakana azy tsy hanazava aminâny vahoaka amerikana ny anton-diany ao Parisy, manomboka androany. Ary aminy alalĂ nâny facebook ny nanaovany izany. Ireto adikako malalaka aminâny teny malagasy ny fanambarany. Dia mba mahalalĂ menatra ry mpitondra malagasy be fisehoana tsy mamokatra, mpanome fampanantenana poakaty sy mampiesona lava reny a!
DC Central Kitchen Wasington D.C., 20 Janoary 2014. Ny Filoha Obama efa-mianaka manomana sakafo homena ireo tsy manan-kialofana ("Homeless"). Ie: misy 4'mis koa any Etazonia fa aza diso fihevitra. Dia haka tahaka indray izao ny sasany... (Sary Pete Souza - White House)
« Ho any Parisy aho anio hanatevina ireo firenena manakaiky ny isa 200 hiatrika ny fivoriana eran-tany momba ny fiovaovanâny toetrandro. Fotoana fampisehoana ny firaisan-kina aminâireo namana mpiara-dia ara-tantara. Roa herinandro hamafana ireo fanafiana barbarianina nisy tao, ary hanamafisina ny fanambarana fiarovana ny vahoan-tsika sy ny fomba fiainan-tsika eo anatrehanâny abibianâireo terorista. Fa fotoana fanararaotana ho anâizao tontolo izao koa fa mijoro toa olona iray isika ary hampiseho fa tsy nalevina velively ny fandrafetana ho avy tsara kokoa ho anâny zana-tsika.
Ny maha samihafa anâity indray mitoraka ity dia firenena mihoatra ny 180 no efa manana drafitra sy planina efa vonona hanakelezana faranâizay tratra ny fandefasana ireo entona (« gaz Ă effet de serre ») izay mahatonga ny fiovaovanâny toetrandro. Ary Amerika dia hipetraka ho mpitarika hanampy izany dingana izany. Raha ny marina, nasehonâireo orinasa sy ny mpikaraman-tsika fa azo atao tsara ny mampandroso eo aminâny lafinâny fampihenana ny fandefasana entona karbona izay hafahana mamorona asa sy mampitombo ny harin-karena ara-ekonomoka. Hatraminâizay aloha dia ny vokatra ara-ekonomika-tsika no avo indrindra, fa eo aminâny lafinâny fandefasana entona dia nia-niakatra tao anatiny 20 taona.
Ny zavatra ezahina apatraka ao Parisy dia rafitra lavitrâezaka hampienana ireo fandefasana entona ao aminâny firenena tsirairay ao anatinâny magarahara ka hafahanâny firenena rehetra hafa mahita sy mitsara. Ao anatinâizany vina izany dia hiasa isika hanetsika ireo fomba fanampiana rehetra ho anâireo firenena marefo te-hanitatra ny fampiasana ireo angovo madio, ary vonona koa isika hampifandray ny fomba fiainan-tsika manoloana ny fiovaovanâny toetrandro tsy azo iodiviran-tsika intsony. Fa velom-panantenĂ na aho raha ny zavatra efa vitantsika âsatria tokoa dingana goavana feno fahagagana no efa vitanâi Amerika tao anatinâizay fito taona lasa izay-. Dia any Parisy ny fotoana e ! ». Filoha Barack Obama Ny azy moa dia io manga (toa ny antoko Hvm) foana io ny lanitra ary hanao izao sy izao nefa ny tanindrazana mihitsy no ho lasa taningazana atsy ho atsy... Andrasana fatratra indray ny kabariny miezinezina
Â
Izany ny anâny mpitondra firenena mandray andraikitra : manome lanja ny vahoakany fa tsy ho variana hikajikajy hevitra voretra hanolanĂ na ny lalampanorenany hafahany manao « mandat » fahatelony toa aty Afrika. i Barack Obama ve moa tsy manana « magic suitcases »? Fa matoa izy nanao fianianana teo ambony Baiboly fa hanĂ ja ny Lalampanorenana amerikana dia tsy ho lasa devoly velively. Kâaiza ianareo ry Rajao mianakavy aminâizany a? Lavitry ny afonâny fampandrosoana tokoa ny kitainâny kitoatoa anâŠ
Nadikanâi Jeannot Ramambazafy â 30 Novambra 2015
Â