]
Les quotidiens du 02 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Praiminisitra Christian Ntsay sy Antananarivo dibo-drano: «misy ny rindran-damina tsy maintsy hohatevenina»

Praiminisitra Christian Ntsay sy Antananarivo dibo-drano: «misy ny rindran-damina tsy maintsy hohatevenina»

Niteraka fahavoazana ho an’ny mponina maro eto an-drenivohitra ny fahasimbana toeram-ponenana sy fihotsahana tany vokatry ny rotsak’orana nisesy tao anatin’ny andro vitsivitsy ka misy ireo tena tsy manan-kialofana amin’izao fotoana izao.

Manoloana izany dia nanapa-kevitra hametraka rafitra hanaovana vonjy aina ny fitondram-panjakana. Isan’izany ny toby maromaro handraisana ireo traboina (« sites d’hébergement ») eto Antananarivo ka nidina ifotony nijery izany ny alin'ny 19 janoary 2022 ny Praiminisitra Ntsay Christian, ary ny teny Ankorondrano no nanombohana ny fitsidihana.

Nomarihin’ny Praiminisitra fa ifarimbonan’ny avy amin’ny ministera, ny Tafika, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ary ireo rantsamangaika toy ny BNGRC, ny fandaminana ny fandraisana ireo traboina. Azo lazaina fa efa milamina raha ny ao Ankorondrano manokana, saingy « misy ny rindran-damina tsy maintsy hohatevenina », hoy ihany ny Praiminisitra, satria hojerena akaiky avokoa na ny fomba hiainan’ireo mponina eo anivon’ny toby, na ny sakafon’izy ireo, indrindra ny lafiny ara-pahasalamàna.

Notsiahivin’ny Praiminisitra fa mbola ao anatin’ny vanim-potoana ipariahan’ny valanaretina covid-19 isika ka noraisina manokana ny fepetra hametrahana toeram-pitsaboana isaky ny toby fandraisana traboina, ary ny mbola hametrahana toby vaovao hafa, mba hahafahana mandray izay mety ho traboina rehetra, ary izany dia ao anaty fanajàna tanteraka ny fenitra ara-pahasalamàna.

Mahazoarivo, 19 janoary 2022

Seraseran’ny Primatiora sy Madagate.org

Mis à jour ( Jeudi, 20 Janvier 2022 02:05 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...