Araka ny fandaminana efa narafitry ny tomponandraikitra ao aminâny Firenena Mikambana ao New York, manodidina ny Fivoriana faratampony faha-77 -20-26 Septambra 2022- dia ny 21 Septambra 2022 no handray ny anjaram-pitenenany ny Filoha Malagasy, Andry Rajoelina.
Raha tsiahivina, dia nisokatra ny 13 septambra 2022 ny Fivoriana ankapobeny na âAssemblĂ©e gĂ©nĂ©raleâ faha-77-ny Firenena Mikambana izay nampitondraina ny lohahevitry hoe: Kihon-dalana iray: Fotoana fitadiavana vahaolana hanovana ireo tranga isan-karazany mampifamatotra ny zanakolombelona. Anisanâizany ny aretina Covid-19; ny ady any Okraina; ny fiovanâny toetrandro mbola tsy fahita hatraminâizay ary ny tahotra mombanâny loza mitatao eo aminâny lafiny ara-ekonomika maneran-tany mihitsy.
Arakâizany dia ilaina tokoa ny mikaroka sy mifantoka amin'ny vahaolana iraisana, eo anatrehin'ireo krizy ireo hananganana tontolom-piainana milamina sy sy maharitra kokoa ho an'ny rehetra sy ho an'ny taranaky ny zanakâolombelona ho avy.
Jeannot RAMAMBAZAFY