]
Les quotidiens du 27 Sep 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Genève. Hanatrika ny faha-60 taonan’ny UNCTAD ny Filoha Andry Rajoelina mivady

Genève. Hanatrika ny faha-60 taonan’ny UNCTAD ny Filoha Andry Rajoelina mivady

 

 

* * * * * * *

Ny « Conférence des Nations unies sur le Commerce et le Développement » (CNUCED) na Konferansin’ny Firenena Mikambana momban’ny Varotra sy ny Fampandrosoana, dia sampana iray ao amin’ny Fivoriam-ben’ny Firenena Mikambana nitsangana ny 30 Desambra 1964. Ny antom-pisiana dia ny hampiditra ireo firenena an-dàlam-pandrosoana mba andray anjara ao anatin’ny tontolo ekonomika maneran-tany. Izany dia mba hafahan’ireo firenena ireo hanatsara ny fivoarany.


Madagasikara moa dia ny 20 septambra 1960 no niditra mpikambana ao amin’ny Firenena Mikambana. Izany hoe mpikambana tanteraka ao amin’ny CNUCED izy efa tamin’ny andron’ny Filoha Philibert Tsiranana.

Fiaraha-miasa ara-teknika no tena sahanin’ny CNUCED tam-boalohany mba hanampiana ireo firenena an-dalam-pandrosoana hiditra amin'ny toekarena manerantany amin'ny fanamorana ny fandraisan'izy ireo anjara mahomby amin'ity farany, indrindra amin'ny resaka varotra, fitantanam-bola ary fampahalalam-baovao.


Ity taona 2024 ity izany dia manamarika ny faha-60 taonan’ny CNUCED (1964-2024). Ao anatin’izany fankalazana izany no nanovana ny « logo »-ny UNCTAD (« United Nations Conference on Trade and Development » na « Conférence des Nations Unies pour le Commerce et le Développement » amin’ny teny frantsay, izay lasa « ONU Commerce et Développement », ny 09 Avrily 2024. Ny Sekretera jeneraliny, Ramatoa Rebeca Gryspan no nampiseho izany « logo » vaovao izany, tao Genève, Suisse, Foiben’ny UNCTAD sy toerana hankalazana ny faha-60 taonany ny 12 hatramin’ny 14 Jona 2024.

Isan’ireo Filoham-pirenena telo nahazo fanasana manokana, ny filoha Andry Rajoelina sy Ramatoa vadiny. Ny Filohan'ny Comores, Azali Assoumani, sy Togo, Faure Gnassingbé, no Filoham-pirenena roa hafa voaasa.

Tsiahivina fa Ramatoa Rebeca Grynspan Mayufis dia teratany avy ao Costa Rica, ao Amerika afovoany, ary ny 13 Septambra 2021 izy no voatendry ho Sekretera jeneralin’ny UNCTAD. Izy no vehivavy voalohany, ao amin’ny Tantara io sampanan’ny Firenena Mikambana io, no misahana izany toerana Sekretera jeneraly izany.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Mercredi, 12 Juin 2024 07:35 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024

 

« LA TRAVERSEE DES VALLEES MA.FA.NA », UN PROJET DE MA.FA.NA ANTANANARIVO POUR LES VALLEES MANAGNANO – FAROGNY - NAMOROGNA

 

ALAIN DELON. DECEDE CE 18 AOUT 2024 A L'AGE DE 88 ANS

 

ROMI VOOS ANDRIANARISOA. LA VERITE VRAIE ET OFFICIELLE SUR LE CAS DE CETTE FRANCO-MALGACHE

 

Toamasina, 26 juillet 2024. Journée mondiale contre le travail des enfants à Madagascar

 

Madagascar : Application des lois. Un jour viendra le Développement, si…, par Jeannot Ramambazafy

 

Madagascar. Justin Tokely, élu Président de l’Assemblée nationale