]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara : nifoha tamin’ny torimasony ny Praiministra Omer Beriziky

Madagasikara : nifoha tamin’ny torimasony ny Praiministra Omer Beriziky

Ny Praiministra Jean Omer Beriziky

Raharaha mikasika ny samy Malagasy monina eto Madagasikara no misy ka dia ninia tsy nadika ity manaraka ity. Tsy mampaninona mihitsy raha tsy ho voavakin’ireo miseho gasy (tia tanindrazana hono) nefa vazaha tataratsy tsy mahay mamaky teny gasy. Nolazaina fa malemy “diplomate” loatra ny Praiministra Beriziky, mba tsy lazaina hoe malemy. Ity ary ny fanambarany, mikasika indrindra ny trangan-javatra niseho tamin’ny Alahady fah-2 Jolay 2012 teo.

Jeannot Ramambazafy

FANAMBARANA

Ny voalohan-teny dia maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakaviana mana-manjo rehetra noho ny zava-nitranga ny alahady 22 jolay lasa teo.

Manoloana ireny zava nitranga teny amin’ny 1er RFI Ivato ireny ary eo hanatrehan’ny resaka mifamaofao sy tsaho samihafa miely ombieny ombieny dia tsy hainay ny hangina na dia efa nanome fanazavana mivantana aza ny tompon’andraikitra miaramila.

Koa manao antso avo amin’ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo manerana ny Nosy ny tenako amin’ny anaran’ny Fitondram-panjakana iray manontolo mba samy ho tony hatrany ary tsy ho voarebirebin’ny mpampiely vaovao tsy mari-pototra.

Eto aho dia mitodika aminareo mpanao gazety, amin’ny andraikitra lehibe sahaninareo amin’ny fampitàm-baovao.

Manentana anareo hatrany izahay mba hanamarina tsara ny vaovao eo am-pelatananareo mialohan’ny hamoahanareo azy ; satria ny vaovao diso sy tsy mari-pototra tokoa mantsy no anisan’ny fototry ny honohono sy ny tsaho isan-karazany mampikorontana ny saim-bahoka. Ka aoka samy hanaja ny fitsipika mifehy ny asanareo ianareo, azahoanareo ny fitokisan’ny mpijery, mpihaino sy mpamaky anareo.

Ho anareo mpitandro ny filaminana rehetra : zandary, polisy sy tafika, aoka hampivondrona ny herinareo ianareo ka hiray hina eo am-panatanterahana ny adidy mankadiry napetraky ny Tanindrazana aminareo, dia ny fitandroana ny filaminam-bahoaka ao anatin’ny fanajana ny ambaratongam-pahefana rehetra mifehy anareo.

Ianareo no tandroka aron’ny vozona sy kitro ifaharan’ny fiandrianam-pirenena ka tokony hotandrovanareo lalandava ny hasin’ny andraikitrareo.

Mampitandrina ireo izay mitady hampisara-bazana amin’ny endriny rehetra ny mpitandro filaminana izahay, fa tsy misy tombon-tsoa ho an’ny Tanindrazana iombonana izany.

Dia mirary soa hatrany ho antsika mianakavy.

Filan-kevitry ny Governemanta, Mahazoarivo, faha-24 Jolay 2012

Mis Ă  jour ( Mardi, 24 Juillet 2012 11:15 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30