]
Les quotidiens du 21 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara : nifoha tamin’ny torimasony ny Praiministra Omer Beriziky

Madagasikara : nifoha tamin’ny torimasony ny Praiministra Omer Beriziky

Ny Praiministra Jean Omer Beriziky

Raharaha mikasika ny samy Malagasy monina eto Madagasikara no misy ka dia ninia tsy nadika ity manaraka ity. Tsy mampaninona mihitsy raha tsy ho voavakin’ireo miseho gasy (tia tanindrazana hono) nefa vazaha tataratsy tsy mahay mamaky teny gasy. Nolazaina fa malemy “diplomate” loatra ny Praiministra Beriziky, mba tsy lazaina hoe malemy. Ity ary ny fanambarany, mikasika indrindra ny trangan-javatra niseho tamin’ny Alahady fah-2 Jolay 2012 teo.

Jeannot Ramambazafy

FANAMBARANA

Ny voalohan-teny dia maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakaviana mana-manjo rehetra noho ny zava-nitranga ny alahady 22 jolay lasa teo.

Manoloana ireny zava nitranga teny amin’ny 1er RFI Ivato ireny ary eo hanatrehan’ny resaka mifamaofao sy tsaho samihafa miely ombieny ombieny dia tsy hainay ny hangina na dia efa nanome fanazavana mivantana aza ny tompon’andraikitra miaramila.

Koa manao antso avo amin’ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo manerana ny Nosy ny tenako amin’ny anaran’ny Fitondram-panjakana iray manontolo mba samy ho tony hatrany ary tsy ho voarebirebin’ny mpampiely vaovao tsy mari-pototra.

Eto aho dia mitodika aminareo mpanao gazety, amin’ny andraikitra lehibe sahaninareo amin’ny fampitàm-baovao.

Manentana anareo hatrany izahay mba hanamarina tsara ny vaovao eo am-pelatananareo mialohan’ny hamoahanareo azy ; satria ny vaovao diso sy tsy mari-pototra tokoa mantsy no anisan’ny fototry ny honohono sy ny tsaho isan-karazany mampikorontana ny saim-bahoka. Ka aoka samy hanaja ny fitsipika mifehy ny asanareo ianareo, azahoanareo ny fitokisan’ny mpijery, mpihaino sy mpamaky anareo.

Ho anareo mpitandro ny filaminana rehetra : zandary, polisy sy tafika, aoka hampivondrona ny herinareo ianareo ka hiray hina eo am-panatanterahana ny adidy mankadiry napetraky ny Tanindrazana aminareo, dia ny fitandroana ny filaminam-bahoaka ao anatin’ny fanajana ny ambaratongam-pahefana rehetra mifehy anareo.

Ianareo no tandroka aron’ny vozona sy kitro ifaharan’ny fiandrianam-pirenena ka tokony hotandrovanareo lalandava ny hasin’ny andraikitrareo.

Mampitandrina ireo izay mitady hampisara-bazana amin’ny endriny rehetra ny mpitandro filaminana izahay, fa tsy misy tombon-tsoa ho an’ny Tanindrazana iombonana izany.

Dia mirary soa hatrany ho antsika mianakavy.

Filan-kevitry ny Governemanta, Mahazoarivo, faha-24 Jolay 2012

Mis à jour ( Mardi, 24 Juillet 2012 11:15 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul