Hita eto fa 90 kilao tokoa ny lehilahy. Fa mahatsapa ve izy fa ho mpitari-pôsin-dry Lalao sy Marc Ravalomanana ihany ? Mamy Rakotoarivelo (Filohan’ny CT, ery aoriana ery eo amin'ny sary) moa dia mpanampy tosika eny ihany
Tsy nasian’ingahy Ravalomanana resaka mihitsy ilay kandida tohanany mafy dia mafy (tsindrio eto). Ka indro ary ny mikasika an’io kandida faha-33 io, dia ny Dokotera Jean Louis Richard Robinson.
« Ny hazo no vanona ho lakana, ny tany naniriany no tsara » ! Asa re fa inona loatra no nitranga no dia ninia nikipy ny mason’ireo 23% mahery kely ny mpifidy Malagasy manerana ny Nosy, ka nanome ny fitokisany an’i Dr Jean Louis Robinson tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany teo ? Sanatria ve ka niatsampy tamin’ny hazo tsy fantatra ? Fantaro ary ny Tantara marina nisy teto amin’ny firenena, mikasika io kandida laharana faha-33 io. Anjaran’ny tsirairay ny mandinika tsara ka havoaka eto ny porofo rehetra raha ilaina izany. Io lahatsoratra manaraka io dia niala avy tamina fanadiadian’olona maro tany amin’iny faritra Alaotra sy Moramanga iny.
Jeannot Ramambazafy
Â
Tantara afa io ambony io fa manaporofo tokoa fa ny anarany dia tanim-boanjo e !
Metisy sinoa sy Sihanaka avy ao Ampasikely Ambatondrazaka ny lehilahy. Mizaka ny zom-pirenena frantsay ihany ko izy, ary mpikambana mavitrika ao amin’ny antoko PS (Parti Socialiste) frantsay, izay vao tsy ela akory no nanavao indray ny maha-mpikambana azy ao amin’io antoko io. Izay firehana noheverin’ny maro fa tsy ankasitrahan’i Marc Ravalomanana velively.
Io ilay "silo". Lavitra dia efa tazana manodidina an'iny faritr'i Vohidiala iny
Tsy kisendrasendra akory no nahatonga an’i Marc Ravalomanana hanohana azy tamin’ity fifidianana ity. Efa ela no nisy ny fiarahan’izy mirahalahy niketrika ny fananam-bahoaka ho azy ireo samy irery teto. Santionany amin’izany ny raharaha Vohidiala, toro-marika manokana avy amin’i Dr Jean Louis Robinson tamin’i Marc Ravalomanana teo amin’ny fitondrana ny tokony hakana ireo tanibe miisa roa midadasika eo Vohidiala, satria i Dr Jean Louis Robinson no nanaraka sy namotika ny taratasy rehetra mikasika ireo tany ireo tany Ambatondrazaka. Nalain-dRavalomanana tokoa io tany io ka nanorenany « Silo » (fitahirizam-bokatra) goavana sy lehibe ao Vohidiala ao. Ankoatr’izany nogiazana ihany koa ny tanimbarin’olona aman-hekatarany maro manodidina ity « Silo » ity. Noravana tsy nasiana andrasoandraso ny fasan’olona teo. Tsy nasiana « Hasiny » ny razan’olona nilevina teo.
Vokany, novidiana mora tamin’ny vidiny mahontsa ny fo ny voka-barin’olona tamin’iny faritr’Ambatondrazaka ampita andrefana rehetra iny. Nikaikaika ny vahoaka ka antony nahatonga azy ireo navitrika tamin’ny fikatsaham-panovà na tamin’ny taona 2009. Ny tantara tsy fanadino !
Raha eo amin’ny lafiny fahasalamana indray, dia vao tsy ela akory i Dokotera no nodidiana ny fony (“opération à cœur ouvert”), izay misy fiatraikany betsaka amin’ny toe-pahasalamany. Hita tsy takona nafenina toy ny « tafika andrefan-tanà na » nandritra ny fampielezan-kevitra ireny ny endriny zary nivaroraka vokatry ny havizanana. Olona manana toe-pahasalamana toy izany ve no hanakinana ny asa mafy ho fanarenana ny firenena ?
Ity Dr Jean Louis Robinson ity ihany koa no mbola namindra an-tsokosoko ny razan’ireo Andriana tao Anatirova ho eny Ambohimanga. Ny anton’izany moa hatramin’izao dia tsy fantatra mazava fa ny tenany sy Ingahy Marc Ravalomanana teo amin’ny fitondrana tamin’ny fotoan’androny no mahalala izany !
Ny fitondran-tena moa dia tsy maro ireo olona niara-niasa akaiky taminy, indrindra fa ny vehivavy no velon-taraina amin’ny fihetsiny tsy sahala fa mitovy amin’Ingahy DSK (Dominique Strauss-Kahn).
Tahaka izany ve no mendrika hitondra anao ao anatin’ny dimy taona ?
« Mbola tsy teraka aho tamin’ny taona 1947, ka tsy afaka hitsara ny tantaran’ny 29 mars 1947 ».
Isan’ireo teny nataon’i Marc Ravalomanana nandritra ny fitsidihin’i Jacques Chirac, Filoha teo aloha frantsay tany Mahajanga ireo tamin’ny taona 2004 (sary eo ambony).
Iza no tena vazaha gasy frantsay na vazaha gasy amerikana amin’ireo mpanao politika Malagasy e ?
Nolazaina nanomboka tamin’ny taona 2009 nitakian’ny Malagasy fanovà na teto amin’ny firenena, noho ny ampihimamba sy ny fanamparam-pahefana natao taminy, ka niheveran’ny mpitondra tamin’izany fotoana izany ny tenany ho toa mpanjaka, fa i Lafrantsa no ao an-damosin’iny fihetseham-bahoaka nitaky fanovà na iny.
Anisan'ireo kandida ho filoham-pirenena teny amin'ny "RĂ©sidence de France" i Jean Louis Robinson, ny 14 Jolay 2013. Tsy mahagaga fa mizaka zom-pirenena frantsay tokoa izy. Fa tsy hita teny Mahamasina ny 26 Jona 2013. Safidy mazava ny azy ka ny saina frantsay no mandeha aloha
Fa inona moa izay rehetra tsimbadika tsy araka ny lojikam-piainana nataon’Ingahy Ravalomanana teo amin’ny tantarany, ny tantaram-pirenena, ny kolontsaina mampiavaka antsika Malagasy no tsy hiheverantsika fa omaly ianao fahavalony, anio ianao sakaizany, rahampitso ianao… tsy tsaroany satria maro ireo kihon-dalà na nolalovany nampanantenainy izao sy zaroa antsika mianakavy tao anatin’ilay minoa fotsiny ihany ka tsy zakan’ilay tamberin’ny sainy intsony!
Ry Antananarivo, sao hadinonao fa nandritra ny fotoana maha-minisitry ny kolontsaina an’i Dr Jean Louis Robinson anie, no namindrana an-tsokosoko tamin’ny andro misasakalina mahery ireo taolambalon’Andriana nandry fahizay tao Anatirova ho eny Ambohimanga (fiara 3CV miloko manga no nitondrana ireo taolambalo). F’inona no tanjon’izany ? Hatramin’izao mbola mifono misitery !
Tsy tia frantsay marina ve Ravalomanana Marc ? Lainga, fitaka, toy ny filazana fa hody an-tanindrazana saika isan-kerinandro izao. Ka tsy nahagaga raha nifidy an-jambany an’i Dr Jean Louis Robinson ireo mpinia mikipy sy mpino fotsiny ihany ka nihinana am-bolony.
Ny marina, niniana nafenina ? I Dr Jean Louis anie ka zanak’i Mr Louis, vazaha sinoa teratany frantsay, izay niaraka tamin’ny tafika frantsay sy sonegaly ary masombika nandoro ny tanà nan’i Andranomainga, kominina Andreba, disitrikan’Amparafaravola ankehitriny, tamin’ny taona 1947 nohon’ny nanoheran’ny mponina tao ny fanjanahan-tany e ! F’angaha vitan’izany, io rainy io niaraka tamina vazaha iray, Mr Roche, nonina teo Ambahiboa no nanery ireo Malagasy niady ho an’ny tanindrazany nivarina an-dranon’i Sahabe ! Ary ny tena voaraikitry ny tantara, Mr Louis, rain’i Dr Jean Louis Robinson sy Mr Roche no tompon’ny tetika rehetra nahatonga ny tifitra variraraka ireo Malagasy nasesika tao anaty lamasinina tao Moramanga nahatonga ilay tantara nampahonena indrindra tamin’ny hetsika 1947 dia ny raharaha « Wagon Moramanga ».
Tsy ela akory ny farany, fa ny tenan’i Dr Jean Louis Robinson no ambaran’ny mponina ao Ampasikely, Ambodifarihy, Ambolefonkazo sy ny manodidina ho nibodo ny tanin’Ingahy Besa kilemaina an’hekatarany maro, izay nanagadrana ny zanany lahy nambara ho manohitra olon-dehibe ka niteraka ny fahafatesany !
Dia ho sahin’ny taranak’Ampasikely, Ambodifarihy, Ambolefonkazo sy ampita andrefana iray manontolo ve ny hilaza any aoriana fa mbola tsy teraka izy ireo ka tsy afaka hitsara ny tantara nahafatesan’Ingahy Besa kilemaina nohon’ny fibodoana ny taniny sy ny nanagadrana ny zanany lahy fa mbola tsy teraka izy ireo ? Aoka ireo ray aman-dreny ankehitriny no hanome ohatra tsara ny taranaka fa ny tantara tsy fanadino velively!
Tsy ho afaka am-pon’ny Malagasy ny fikatsaham-panovà na…
Ambodia mitafy hodi-janak’ondry
Dia ho “tahaka ny ny kibon’omby ririnina, ka mitondra tapany lava” izao ve ny vahoaka Malagasy amin’ny fikatsahana fanovà na lehibe eo amin’ny fitantanana ny fianam-pirenena?
Rahoviana no ho foana tanteraka ny filalaovana ny ho avin’izy ireo amin’ny fanerena azy ireo ankolaka hisafidy izay efa naloany? Saribakoly tsy hahatapak’ahitra ve no olona mendrika ny safidiny, noho ilay fandemen-tsaina zary fanesoana hoe minoa fotsiny ihany?
Efa nino sy nanaiky noentina an-jambany… Soa ihany fa taitra tao anatin’ilay nofy mitondra 4L isan-tokan-trano anaty lalana migodana tsy nisy fiafarana! Fito taona vao nahatsapa fa hay “sasa-lamba hariva ity natao, tsy sitrakin’ny fo fa tery”, ka nihazakazaka nitady fanovà na.
“Ny firavaka no azo hovaina, fa ny tarehy tsy azo atentina”, ka zovy indray no ho voafitaka fa “ambodia mitafy hodi-janak’ondry” ity ambadik’ilay milaza fa hitsabo ny firenena?
Ny fahendrena ho an’ny mpanao politika amin’izao sapanan-dà lana lalovan’ny firenena izao dia ny fiverenana amin’ny vahoaka hanazava sy hanoro azy ireo fa ny fasahiana mametraka fanovà na marina sy olom-baovao hitondra fitoniana maharitra eto amin’ny firenena no là lan-tokana hisian’ny fampandrosoana ny firenena.