]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Antananarivo: tandremo fa misy loza mitatao avy amin'ingahy Ravalomanana !

Antananarivo: tandremo fa misy loza mitatao avy amin'ingahy Ravalomanana !

Marc Ravalomanana tsy manaiky ho resy mihitsy

**********************************

Ankolafy Ravalo: Hihantsy ny mpitandro ny filaminana ?
Alakamisy, 02 Janoary 2014
Na dia niezaka nanadino ny ady hevitra pôlitika aza ny maro tato anatin’ny andro vitsivitsy satria nikatsaka tontolo hafa tao anatin’iny vanim-potoanan’ny fety iny, dia tsy nitsahatra nametraka ny paika sy tetika hampahombiazana ny tanjona hatrany ny ankolafy Ravalomanana sy ny kandida Jean Louis Robinson. Ny tanjon’izy ireo moa dia ny hamerina ny raharaha tamin’ny taona 2002 toa izao, izay nananganana ny Kômity miaro ny safidim-bahoaka (Kmsb) tetsy amin’ny Tranom-pokonolona Analakely. Faha-4 janoary 2002 tamin’izay, ka i Olivier Rakotovazaha avy amin’ny Mfm no lohalaharana tamin’io. Niitatra tamin’ny fidinana teo amin’ny kianjan’ny 13 may izany ny faha-7 janoary, izay nisehoan’ny fampiasan’ny mpitandro ny filaminana etona mandatsa-dranomaso sy fanapoahana grenady fanafika mihitsy.

Ny re fa hataon’ny ankolafy Ravalomanana sy ny kandida Robinson ary ny mpiara-dia aminy indray amin’ito, raha ny loharanom-baovao fantatra, dia ny handefa olona hanao fihetsika feno fihantsiana ny mpitandro ny filaminana eny amin’ny faritr’Alarobia rahampitso zoma. Rahampitso mantsy no hamoaka ny vokatra feno vonjy maika ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena momba ny fifidianana (Cenit), ary eny amin’ny foiben-toerany eny Alarobia no hanaovana aazy io.

Handefa olona maro eny ny ankolafy Ravalomanana, raha ny re, ka ny endrika hisehoan’ny hetsika aloha dia ny hanelingelina ny fifamoivoizan’ny fiara mandalo eny, ary hanao fihetsika hafahafa amin’ny fiaran’ireo olo-manan-kaja voaasa hanatrika an’io lanonana io.

Ny fandraisan’ireo mpitandro ny filaminana ny fepetra mifanandrify amin’izany mihitsy no re fa tarigetran’ireto " mpikarama an’ady pôlitika " ka rehefa mitranga izay dia hotarihina hiakatra ny afovoan-tanànan’Antananarivo ireo olona sady hokatsahina amin’izay ny fanatevenan’ny eny amin’ny làlana lalovana ny laharan’izy ireo.

Somary nisy tsy fitoviam-pijery ihany anefa teo amin’ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ity ankolafy Ravalomanana ity tamin’ny fotoana niadian-kevitra momba izany, hoy ny loharanom-baovao, satria ny sasany dia nilaza fa " tsy tokony hiditra amin’ny vela-pandriky ny mpitandro ny filaminana ". Tao ny nanipika fa « tokony hiandry ny famoahan’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana (Ces) ny vokatra ofisialy dia arakarak’izay ho fisehony eny Ambohidahy no handraisana ny toro-marika mifanandrify amin’ny fihetsika hatao ".

Isan’ny re tao anivon’ity fihaonana ity koa anefa ny tsy dia mampafana loatra ny avy amin’ny Antoko Avana tarihin’i Robinson handray anjara amin’ny tranga toa izany satria andraikitra goavana eo amin’ny tantara no hozakaina raha izay no mitranga. Ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny antoko Avana rahateo, tsy dia tia gidragidra ary tsy zatra hetsika an-dalambe. Manahy ny fisamborana sy fampidirana am-ponja koa ny maro amin’izy ireo.

Ny olona sasany ao amin’ny Antoko Avana moa dia nisy ny nanipika fa “tsy dia resy lahatra 100% loatra amin’izao hetsika ho fanoherana ny voka-pifidianana tetehin’ny ankolafy Ravalomanana izao ange ny Dr Robinson fa voatery noho ny nanekeny ho kandidan-dRavalomanana, izay nanana anjara toerana goavana tamin’ny nahazoan’i Jean Louis Robinson ireny isam-bato ireny na tamin’ny fihodinana faharoa na tamin’ny fihodinana voalohany”. Eo koa ny tahony an’ireo mpomba an-dRavalomanana izay “te hanararaotra ny rano mikobana”, hoy ny hafa.

Ity ny zavatra adinon'ireo olona tsy matahotra an'Andriamanotra : FA POTRAKA IM-PITO NY MARINA NEFA TAFARINA IHANY (Ohabolana: 24:16).

ARY DIA IO OLONA AMBANY IO NO ANISAN'IREO HAMPISARA-BAZANA NY SAMY MALAGASY SATRIA AFA NY FANDRAISANY IZANY HOE DEMOKRASIA IZANY. FA AIZA NY ADIDIN'NY TSIRAIRAY AMINY ? MATOA MISY ZO, NISY ARY MISY NY ADIDY

Mis Ă  jour ( Jeudi, 02 Janvier 2014 16:27 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30