]
Les quotidiens du 03 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara. Aza manofy atoandro ry mpahay miresaka isany a !

Madagasikara. Aza manofy atoandro ry mpahay miresaka isany a !

Mahamasina, 25 Janoary 2014. Vao naomboka dia "karatra mena" ("carton rouge") no nisy taoriany. Tsy fambĂ ra ratsy ve izany ?Ankoatr'ilay faka tahaka ny kabarin'ny filoha Nicolas Sarkozy. Sa mamorona indray ny mpanao gazety ?

Niniako tsy nasiako sary mihitsy ity lahatsoratra ity (ankoatra io ambony io) satria mila mamaky tsara ianao sy mifantoka tsara koa ny sainao. Misaotra mialoha.

Mazàna ny olona be resaka dia sady tsy mahataka-davitra no tsy mahavita n’inona n’inona na eo amin’ny fiainany manokana aza. Any sisa andanian’izy ireo ny androny andalovany eto an-tany dia ny mitsikera fahatany ary, indrisy, mamita-tena tanteraka ka maro ireo marivo salosana tarihiny ao anatina antsana makadiry mankany amin’ny aizana tanteraka. Eto dia ny hoe tany tan-dalàna no tiako tsindrina mafy.

Na ny mpianatra eny amin’ny EPP aza dia tokony mahalala fa ny dikan’izany tany tan-dalàna izany dia EO AMBAN’NY LALANA DAHOLO NY OLOM-PIRENENA TSY AN-KANAVAKA. Ary manomboka amin’ny mpitondra ka ny filoham-pirenena voafidy no tokony manome ohatra tsara indrindra. Izy koa moa tsy maintsy manao fianianana fa hanaja an-tsakany sy an-davany izany lalàna izany, ka ny Lalam-panorenana no voalohany.

Saingy indrisy : vao nanomboka ingahy kandida laharana faha telo, minisitry ny Vola tao amin’ny tetezamita, nandritra ny dimy taona be izao, dia nanondrana toa ireo filoha nialoha azy ihany. Nandaniany telo volana be izao ny namolahany ny andininy faha-54 mikasika ny fanendrena ny Praiministra. Nanampy azy tamin’izany ireo mpahay lalĂ na mivadika ondana, ka anisan’izany Ingahy Jean Eric Rakotoarisoa, izay, indrisy, mpampianatra momba io Lalam-panorenena io indrindra (« professeur de droit constitutionnel »). Ary dia mampalahelo tokoa ireo mpianany satria nianatra ary nampianariny ny fomba rehetra hanodidana io lalĂ na fototra io.

Misy fiteny hoe: “nul n’est censĂ© ignorer la loi”. Izany hoe: tsy misy tokony tsy ahay, ahafantatra ny lalĂ na. Ary manana ny lalĂ nany daholo ny sehatra misy eo amin’ny fiaraha-monina, raha tsy izany lasa fanjakan’i Baroa (“anarchie”). Iza anefa no tena manitsaka io lalĂ na io ? Ny mpanao azy sy ireo tokony hampiatra azy ihany. Dia lasa ny saiko mankany amin’ilay tonon-kira hoe: « Mais je n'peux pas, je n'sais pas, et je reste plantĂ© lĂ . Les lois ne font plus les hommes mais quelques hommes font la loi » (« La vie ne m’apprend rien », 1980, an’i Daniel Balavoine efa nodimandry). Raha fintinina dia tsy ny lalĂ na intsony no mandrindra ny fiainan’ny zanak’olombelona fa olom-bitsy no manao sy mampiatra ny lalĂ nany.

Dia io no misy eto Madagasikara. Io ny toe-tsaina ratsy nolovain’ity fitondrana Rajaonarimapianina ity sy ny antoko HVM. Satria voafidim-bahoaka, hono e ! Kanefa dia misy olona avara-pianarana be izao mamita-tena sy manabado olona maro tsy mahataka-davitra amin’ny hoe : ovao io Lalam-panorenana io ! Maninona koa no tsy ovana ny Baiboly raha izany ? Tsy ny lalàna, tompoko, no ratsy na tsara fa maro loatra ny olom-pirenena no tsy manaraka sy tsy manaja azy, manomboka amin’ireo mpitondra izay mihevi-tena fa ambony no ianao mpamaky io, na amin’inona na amin’inona.

Izany lalàna izany dia tsy natao ho azy ireo. Mila ohatra ve e ? Jereo ry zalahy eny amin’ny arabe rehetra eny, ao anatina fiara 4X4 tsy ho takatry ny volanao io velively. Fa firy koa moa ireo mpamily taxibe no tsy manaraka ny fitsipiky ny fifamoizana (“code la route”), tazanin’ireo tokony hampiatra lalàna fotsiny izao (polisy, zandry) ? Fa inona marina no fiheveran-dry zareo maha ratsy io Lalampanorenana io ? Tsotra: tsy mifanaraka amin’ny tombontsoan’ny mpanao politika tohanany, sitrany ahay mahazo ampahan’io fahefana mandalo io.

Dia andininy sasantsasany ihany no kianina fa tsy mijery ny ankapobeny, ary indrindra indrindra ny fanovana ny tsy nety ho an’ny fitondrana ny firenena ankapobeny, raha oharina amin’ireo Lalampanorenana telo nisy teo aloha. Tsy nanakana ny vahoaka nandroaka ireo mpitondra rehetra voafidy -tsy ankanavaka- teo alohan’i Hery Rajaonarimampianina anefa ny fanamboarany sy ny fanitsakitahiny io lalàna fototra io, na dia navaozina foana aza.

Ireto misy ohatra vitsy vitsy tokony fantatrao mpamaky io. Nisy fotoana dia ny Antenimieram-pirenena no mifidy izay ho Praiminisitra. Rehefa tsy nifankahazo imasombahoaka ny filoha Zafy Albert sy ny Praiminisitra Francsique Ravony (efa niala ihany koa tamina vondrona solombavambahoaka vitsy dia vitsy noho ny resa-bola) dia novany ny Lalam-panorenana taminy alàlan’ny referendum (fitsapahan-kevim-bahoaka). Lany moa ny “eny” ary nanomboka teo dia ny filoham-pirenena no nanendry izay ho Praiminisitra.

Nety tamin’ny filoha Marc Ravalomanana moa ilay izy ka dia navelany io fomba io ary dia nanendry izay olona tiany tokoa izy. Ao anatin’ny lalam-panorenan’ny Repoblika faha IV anefa dia mazava ny andininy faha-54 : ny antoko na vondrona’antoko manana depiote maro an’isa ao amin’ny Antenimierampirenena taorian’ny fifidianana no manolotra ny anaranan’izay tokony ho Praiminisitra, ary ny filoham-pirenena voafidy no manendry fotsiny ihany. Anao no mandinika ny zava-nitranga rehetra fa mila mba mianatra mamakafaka koa ianao mpamaky io. Tsy vitanao ? Izao ary : naneho izay fomba fijeriny io andininy faha-54 io daholo ireo izay miseho ho spesialista. Fa namoaka ny heviny ny HCC (Fitsarana Avo momban’ny Lalampanorenena) notarihin’i Jean Michel Randrianarivony, ka io voalazako io ambony io no izy ary tsy maintsy harahina.

F’inona moa no nataon’ingahy filoha voafidim-bahoaka? Nosoloiny ny mpikambana telo ao amin’io HCC io (izay zon’ny tanteraka) ary niafara tamin’ny fanilihina an’i Jean Michel Rajaonarivony. Ary sahiny avy eo no nilaza fa efa tapitra ny fe-potoana niasan’io HCC io. Kanefa anie, raha mikasika izany dia mazava ihany koa ny andininy faha-166 ao anatin’io Lalampanorenenan’ny Repoblika faha-IV io e !

Mandrapahatafapetr’ireo andrim-panjakana rehetran’ny Repoblika faha-IV, dia ireo andrim-panjakana voatondro tao anatin’ny Tetezamita no manohy ny asany: HCC, CT, CST. Ary mbola tsy tafatsangana ny Antenimieran-doholona (“SĂ©nat”) amin’izao volana Janoary 2015 izao.

Inona moa no nahatonga an’ingahy Jean Eric Rakotoarisoa “voafidy” Filohan’ny HCC tao afara tao? Satria dia nampiasainy mihitsy ny talentany ka ilay hevitra natolotry ny HCC Rajaonarivony dia nolaviny ka nosoloiny tamina resaka “majoritĂ© relative”. Izany resaka “majoritĂ©â€ izany anefa resaka isa matematika ankapobeny fa tsy hoe izany “majoritĂ© relative” izany na koa “majoritĂ© absolue”. Dia io koa fa teraka ny PMP (Vondrona maro an’isa manohana ny filoha, raha adika tsotsotra) ka tsy voaaja ihany koa ny andininy faha-72 mikasika ny hoe “mandat impĂ©ratif”. Izao no voalazan’io andiny io : « Durant son mandat, le dĂ©putĂ© ne peut, sous peine de dĂ©chĂ©ance, changer de groupe politique pour adhĂ©rer Ă  un nouveau groupe, autre que celui au nom duquel il s'est fait Ă©lire ». Ataoko fa tsy mila adika io. Tsy mazava aminao ? Dia zatra hatolotra foana ve ry Malagasy havana a ? Mandritra ny fotoam-piasany, ny depiote dia tsy mahazo miova antoko na vondron’antoko nahavoafidy azy, raha tsy izany dia azo roahina.

Fa e e e ! Tadidio ny nanjo an’i Ramatoa Christine Razanamahasoa. Ny mpifaninana taminy izay resy ara-pomba demokratika indray no lasa « lany » 100% (tsy nisy mpifanandrina) tamin’ny anaran’io PMP io. Kanefa anie Ingahy Jean Max Rakotomamonjy dia depiote voafidy tamin’ny anaran’ny Leader Fanilo tao Andapa e ! Fa lasa ara-dalĂ na tampoka teo. Isaorana izany i Jean Eric Rakotoarisoa e ! Tamin’izany fotoana izany, vao tamin’iny taona 2014 lasa iny, dia tsy nisy niteny fa tehaka aza no nitsenaina izany tsy fanarahan-dalĂ na izany.

Raha mikasika ilay « Haute Cour de Justice » (HCJ - Fitsarana Avo natao hitsara ireo mpitondra mandika ny Lalampanorenana : filoham-pirenena, filohana andrim-panjakana) dia ity no tokony ho fantatrao mpamaky io : efa tao anatin’ny Lalam-panorenana tamin’ny taona 1992 anie izy io e ! Izany hoe 23 taona lasa izay. Ary ny andininy-126 no nisy azy. Fa lasa haingo fotsiny satria tsy nety natsangan’izay mpitondra rehetra nifandimby, nanomboka tamin’i Zafy ka hatramin’i Ravalomanana, nandalo an’i Ratsiraka faharoa. Fa amin’ny Lalam-panorenan’ny Repoblika faha-IV ity kosa dia teren’ny andininy faha-167 ilay filoha voafidy hametraka azy io, ao anatin’ny 12 volana aorian’ny nanaovany fianianana. Dia nifaly avanja tokoa Ingahy ministry ny Vola teo aloha, ny 09 Janoary teo, tao Iaovoloha satria hoe : voahajany, hono, ny fampanantenany nametraka ny lalĂ na mikasika io HCJ io alohan’ny iray taona taorian’ny fianianany. Hoy izy, tamin’ny teny frantsay : « Le texte de la mise en place de la HCJ que j’ai promis de mettre en place avant le premier anniversaire de mon investiture sera bel et bien fait ». Fa raha mamaky io lalĂ na io ianao dia ho sarotra na azo atao mihitsy hoe tsy azo kitihina mandrakizay ireo olona ambony rehetra ireo. Ohatra : raha hitory azy ianao, aiza no hahitanao ben’ny tanĂ na miisa 500 anao sonia ny fitarainanao e ? ATO ny fanazavan’i Sahondra Rabenarivo amin’ny teny frantsay.

Ny anton’ity lahatsoratra ity izany dia tsotra, ary averiko : tsy ny lalĂ na no ratsy na tsara fa ny mpitondra no mianihy mandika azy ho an’ny tombontsoany manokana, hifikirany mafy n’io sezany io. Ka aza manofy fa na ao anatina 50 taona aza dia tsy handroso ity tanindrazana malala iombonan-tsika ity raha mbola io fomba tohizin’i Hery Rajaonarimampianina io no manjaka. Nianatra lalĂ na ihany koa aho ary izao no mijanona ao an-tsaiko : DURA LE SED LEX. Teny latina io ary midika hoe “la loi est dure mais c’est la loi”. Izany hoe : mafy tokoa ny lalĂ na fa tsy maintsy hajain’ny rehetra tsy an-kanavaka tanteraka, ary an-tsakany sy an-dĂ vana fa tsy asiana « interprĂ©tation » tsy mitombona.

Raha mbola i Jean Eric Rakotoarisoa foana no filohan’ny HCC dia lasa ara-dalàna hatrany ny tsy ara-dalàna rehetra iarovana ny sezan’io filoha Hery tonta (hoy i Roland Ratsiraka) io. Misy fetrany daholo anefa ny eto an-tany ka asa raha ho tantin-dry zalahy ny atezeram-bahoaka atsy ho atsy.

Koa ho ianareo miseho avara-pianarana ireo: mifohaza fa aza mamita-bahoaka noho ny tombontsoa manokana toa ny fanomezana “strapontin” ao anatin’ity fahefana mandalo fotsiny ihany ity. Marihiko fa ny ankamaroan’ireo rehetra voalaza ireo dia ao anatin’ilay bokiko : “Hery Rajaonarimampianina: les 100 jours d’un homme de pouvoirs”, izay tohizina hatonta any ivelany
 Satria tsy mitsahatra mitady fomba hisamborana ahy ireo manodidina ny filoha Rajaonarimampianina ireo. Aza misalasala ary. "Atteinte Ă  l'insĂ©curitĂ© de l'Etat" hatao antony, fa izaho aloha dia Charlie mandrakizay. F’iza aloha no tokony hatahotra e ?

Jeannot Ramambazafy – 11 Janoary 2015

Mis Ă  jour ( Mercredi, 14 Janvier 2015 22:18 )  
BanniĂšre

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décÚs du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes pĂ©riodiques lavables pour les Ă©lĂšves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

GrĂące Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la FĂȘte des MĂšres 2024

 

PentekĂŽsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay


 

«La Passion du Christ». Concert de PĂąques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 Ă  15 heures en la CathĂ©drale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de PĂąques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...