]
Les quotidiens du 22 Nov 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Mgr Odon Razanakolona: «Aza mangalatra, manaova ny marina»

Mgr Odon Razanakolona: «Aza mangalatra, manaova ny marina»

Toriteny nataon’ny Monsenera Odon Marie Arsène Razakanolona, ny Alahady 13 Desambra 2015.

Ry havana,

Fety maro sosona no atrehin-tsika amin’ity Alahady 13 Desambra ity. Teo moa, vao nankalaza ny fetin’i Masin’i Maria tsy azon-keloka izay Diary voalohany an’i Madagasikara ary ihany koa, natokan’ny Diosezan’Antananarivo ho mpiaro manokana an’ity katedraly izay iarahan-tsika mivavaka ity. Milaza zavatra lehibe izay eo amin’ny fitantan’Andriamanitra ity firenen-tsika ity. Satria ireo misionera niezaka andeha hiakatra aty Antananarivo, nandalo hatrany avaratra, hatrany Nosy Be izy fa tsy nahita làlana. Farany izy niverina ka nanao hoe: andeha atokana an’i Masin’i Maria ity firenen-tsika ity.

Ary dia nandeha tany Parisy izy, tao amin’ny La chapelle tao amin’ny hoe La chapelle-ny medaly mahagaga (« Chapelle de la médaille miraculeuse »). Tao izy nanolotra ary nanokana an’i Madagasikara ho an’i Masin’i Maria. Avy eo izy niakatra tety Antananarivo. Nanomboka teony fitoriana teto amintsika. Efa nisy ny teo alohan’izay fa toa tsy nisy nahomby, fa nanomboka teo niakatra teto afovoan-tany izy. Nahazo tombony manokana tamin’izay famonjena izay isika ry havana ary anisan’ny azo atao hoe zanany lahimatoa raha ny eto amin’ity firenen-tsika ity ny eto Antananarivo. Fidian-kaja, fidiam-boninahitra ry havako. Ipetrahana adidy isika hanome ohatra, oham-piainana, oham-pinoana amin’ireo manodidina antsika fa tsy irehareha be fahatany fotsiny amin’izao.

Isika no jeren’ny olona. Manao ahoana marina ity finoana ity? Mivavaka ve isika? Mandalà ny finoan-tsika ve isika? Asa… Eo isika no samy andinika fa fotoan’ny fandinihina izao. Fa na eo azy izay, mbola mitohy ny fanomanan-tsika ny fiavian’ny Tompo, dia ny fetin’ny Noely hatongavan’i Jesoa eo anivon-tsika. Dia eo isika no mbola entanin’ny fiangonana handinika ireo vaky teny telo niarahan-tsika nihaino teo, izay everiko fa mifanojo amin’izao fotoana namoahantsika ny varavarana io, varavran’ny famindra-pon’Andriamanitra. Tian’Andriamanitra isika, tsy nariany fa nodiaviny ary nanirahiny ny zanany ho Mpamonjy. Io zanany io tonga tety anivon-tsika, namonjy antsika ary nanoro ny làlana izay tokony hizoran-tsika amin’izay làlam-pamonjena tokony atongavan-tsika izay.

Dia ireo izay nihaino moa dia samy manao arak’izay azo atao. Tamin’ny heriny isika nahita an’i Joany Batista nitory hoe: amboary ny làlan’ny Tompo; ahitsio ny alehany. Inona moa no ahitsy? Ny toetr’antsika izay. Nitodika tamin’ny tenan-tsika ny fiangonana tamin’ny eriny; nampandini-tena antsika hoe: inona moa ity avoana toky hahetry ity? Ny avoana sy ny fiavonavonan-tsika ve izay? Tsy ny fitiavan-tenan-tsika ve izay Aohana ary isika tamin’izany? Niezaka tamin’izay ve isika, satria androany efa dingana vaovao no apetrak’i Joany Batista amin’ireo izay naniraka azy. Dingana vaovao inona moa izay? Dia io fanontaniana mipetraka hoe: inona no ataonay? Nametra-panontaniana hoe: inona no ataonay? Fa tsy faly mandray batemy dia misaotra Mompera, afaka amin’ny batemy manaraka koa isika mifankahita.

Tsy mba mahalala hoe: ity batemy noraisanay ity anie mitaky andraikitra, mitaky adidy amin’izay nandray azy, fa tsy raisiraisim-poana! Batemim-pibebahana no ataon’i Joany Batista. Azon’ny olona izay, nandray ny batemy izy: inona, hoy izy, no ataonay rehefa avy eo, inona no tokony atao? Batemy noraisin-tsika tsy mampi-petrapetrak’antsika fa tsy maintsy mampandehan-tsika amin’ny lalin-dalina kokoa. Fanontaniana mipetraka koa tamin’ny fotoana lehibe teo amin’ireo Apostôly raha nitory taty aoriana. Ny mpihiran’ny alahady Pentekôty raha efa nitory tamin’ny olona dia hoe: inona moa no hataonay? Izany hoe: ilay tenin’Andriamanitra niasa ao am-pon-tsika mitondra antsika hibebaka. Rehefa mibebaka isika, mahatsiaro tena manana adidy, manana andraikitra. Inona no ataonay? Tsapa-tsika ve izany ry havana?

I Paôly ihany koa, raha tao an-tranomaizina, nafahan’ny Tompo, ary saika hamono-tena ny mpiambina vao hoe: lasa ny gadra. Tsia, hoy i Paoly dia teo ireo nilaza hoe: inona moa no ataonay? Rehefa mahakasika antsika sy ny fiainan-tsika ry havana ny fahasoavan’Andriamanitra eo no mipetraka ny hoe: inona no ataonay? Nametra-panontaniana ireo olona ireo, ary nametra-panontaniana tamin’i Joany tamin’izay: inona ary no ataonay? Dia azo tsokajina zavatra roa ilay izy. Ny voalohany: MAHAIZA MIZARA, MAHAIZA MIFAMPITSINJO. Manana akanjo anankiroa ve ianao? Zarao ny iray, ny iray dia efa ampy anao; manan-kohanina ve ianao? Mba zarao fa maro ireo olona tsy manan-kohanina. MAHAIZA MIZARA.

Io notantaraina tamintsika tamin’ny dian’ny Papa Ray Masina taty Afrika, dia nisy fotoana niatrika ny mpanao gazety izy, dia hoy ny mpanao gazety anankiray izay: dia mba ahoana moa ny hevitry ny fiangonana amin’ny Sida? Dia hoy ny Papa : tsy mandà aho, hoy izy, fa zava-dehibe io. Fa amin’izao zavatra hitanao izao ve, ny fahoriana mahazo ny vahoaka izao: ao ny tsy manan-kohanina, firifiry ireo mandeha mitsoaka ny tany misy azy, tsy mahita aleha. Na zaza na vehivavy na lehilahy. Dia tsy mampanahy anao ve izay? Izay ve ny zavatra everinao voaloha-laharana amin’izao fotoana izao? Ny iray tam-po aminao, ny iray aina aminao matimaty foana. MAHAIZA MIFAMPITSINJO. MAHAIZA MIFAMPIZARA. Manana ve ianao? Mizarà. Izay ny fiomanana raha mitady hoe: inona ny atao ? Isika eto izao koa ry havana, dia tsy miova amin’izay Teny Masina izay : manana ianao, mahaiza mizara fa nahazo maimaim-poana tamin’Andriamanitra.

Eo ihany koa hoy izy, tonga ny poblikana, ireo mpamori-ketra izay fantatra fa mangalatra ary ailikiliky ny fiaraha-monina. Fa inona moa ny ataonay? Mba nanontany ihany koa ireo satria voatohina tamin’ny tenin’ny Soratra Masina, tamin’ny tenin’i Joany: ianareo ihany koa, hoy izy, ataovy ny asanareo. Ilaina ny asanareo fa kosa aza maka mihoatra noho ny takian’ny lalàja ianareo: AZA MANGALATRA, MANAOVA NY MARINA. Hatramin’izao andron-tsika izao mbola mipetraka izay. Firifiry isika kristianina katolika, ry havana, any amin’ny birao any: mangataka. Tsy maintsy mametraka an’izao, tsy maintsy an’izao. Isay ve mba rariny? Mandray ny karamanareo ianareo, mbola sahy ve ianareo hangalatra? Tenin’Andriamanitra io, ry havana, ianareo ry mpamori-ketra, hoy izy, izay ilaina izay no alao fa aza maka mihoatra.

Sahirana ny olona, mivarotra omby, mivaro-tanim-bary, MIVARO-TANINDRAZANA mba hanafahana ny ampy! Ataovy am-pamarinana ny asanao. Izay ny takian’ny Tompo antsika, ry havana. Dia nanaraka izany koa ireo miaramila. Ary izahay ? Olom-pirenena ireo, olon’ny fiangonana ireo. Inona ny tokony ataonay ? Ianareo, hoy izy, ilaina ny asanareo, tsy hoe elao ny asanareo fa manaova am-pamarinana, aza mangalatra ihany koa, manery ny olona hanome zavatra rehetra izao. Io ilay kolikoly lazain-tsika ry havana. Efa tamin’andron’i Joany kay ity no efa nisy dia eo isika. Nangatahiny dia ny andraikitra raisinao atovy am-pamarinana, izay no takiana. Zavatra tsotra izay, ry havana. Fa isika ihany kosa, mipetraka eo amin-tsika koa ny hoe : inona no tokony ataon-tsika? Ianareo manana tokan-trano milamina -maro isika manana tokan-trano milamina-, ao ianareo mianakavy. Nahoana moa raha mba zarainareo izay asambaranareo izay.

Firy ny tsy manana izay? Ny any am-pigadrana any, ny marary, ny kamboty, inona no tsy izaranareo ny hafa ny anareo io ? Mba mandray andraikitra ianareo, mandeha mamangy any. Nahoana no tsy atao moa izay? Taloha teto, nisy fotoana natoka-tsika namangiana ny boka. Aiza izay? Tantara very… Fa miedinedina isika manam-pinoana. Io toerana, io finoana ananan-tsika io iaino, zarao. Firy mba mitady an’izany; firy ny manampy ireo tsy manam-pinoana ? Ireo izay mitady an’Andriamanitra. Isika ihany koa, ry havana. Lalam-pamonjena izay, lalam-pamonjena namoahana ity varavarana ity hisehoan’ny famindra-pon’Andriamanitra. Isika no haneho an’izay.

Eo ihany koa isika : izay zavatra madinika indrindra, na ianareo tompon’andraikitra any amin’ny APV any aza: aza ny asosoranareo any an-trano any no entinareo mivory any, dia molotra mototra be iray kilometatra no hentina amoahana fivoriana, hitarihina fivoriana! ASOSORANAREO NO ENTINAREO ATY. IZAY VE NO ILAIN’NY OLONA? Aiza ianareo izay havory olona amin’izay fotoana izay? Mba zarao fa misy hafaliana ao.

Nandray an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy

 

Mis à jour ( Mardi, 12 Janvier 2016 15:48 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)

 

Hira malagasy. Fa iza marina i Therack, namorona ireo hira malagasy tsy lefy hatramin’izao ?

 

Pr Serge Henri RODIN. Le compteur de sa vie terrestre s’est arrêté à 75 ans. Son cœur a cessé de battre le 18 septembre 2024

 

Marc Ravalomanana. Ny tena vontoatin’ny resaka tsy fandoavana hetra : nanao taratasy fanekena fa handoa izy, ny 4 septambra 2023. Indrisy…

...

 

RAMANAMBITANA Richard Barjohn. Ny Ferapara fodiany mandry, ny 12 Septambra 2024

 

Beijing. Intervention du Président Andry Rajoelina, lors de la Table ronde sur le Développement économique Madagascar-Chine 2024