]
Les quotidiens du 02 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Shina. Iza no tompon’antoka amin’ny fampijaliana ny mpianatra malagasy any?

Shina. Iza no tompon’antoka amin’ny fampijaliana ny mpianatra malagasy any?

Tsy izy, hono, ny tompon’antoka. Ianao aloha no eo r’ingahy ity a! Ary nandritra ny tetezamita izay kianinao toa olona ho faty rahampitso dia minisitry ny Vola nandritra ny 5 taona ianao. Tsy izany ny hoe mandrora mitsilany? Raha tety ivelany ianao dia tena marina daholo ny voalazanao. Saingy indrisy. Sady mbola Filohan’ny Filan-kevitry ny fitantanàna tao aminy Air Madagascar koa anie ianao e! Aza mihevitra ny vahoaka malagasy ho dondrona sy kentrina daholo, aza fady


Mba manandratra avo ny kolontsaina Malagasy anie ireto ankizy ireto, na dia mafy aza ny manjo azy e!

Fitarainana avy aminy mpianatra Malagasy hiantohan’ny fanjakana Malagasy aty Shina.

Taminy taona lasa 2015 dia nandefa vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra aty Shina ny fanajakana Malagasy. Vola mitentina 5,252,734,960.04 Ariary (izay hazavain’ny mailaka nalefan’ny Masoivoho Malagasy tamin’ny mpianatra) no nalefa mba handohavan’ny mpianatra ny ampahan’ny trosany manoloana ny Oniversite misy azy avy. Nomena ny mpianatra nandritra ny fotoana samihafa io vola io arakaraka ny ampaham-bola voarain’ny masoivoho Malagasy aty Shina. Toy izao manaraka izao ny fitsinjarany.

Tamin’ny volana:

- Novambra: 1,382,237,864.54 ariary;

- Decembra: 1,382,237,864.54 ariary;

- Martsa: 1,086,044,036.4242 ariary

Fitambaran’izay efa voaray = 3,850,519,765.5052 ariary

Ambiny tsy mbola voaray = 5,252,734,960.04 ꟷ 3,850,519,765.5052

= 1,402,215,194.5358 ariary (izay tsy hita )

Efa hifarana ity ny taom-pianarana 2015-2016, ka dia nanontany ny tompon’andraikitra tao amin’ny masoivoho izahay mpianatra momba anio ambim-bola io ary nilaza izy fa tsy mbola tonga aty amin’ny Masoivoho io vola io.

Mailaka nalefan'ny Masoivoho ho an'ireo mpianatra any Shina

Nanontany ny tompon’andraikitra tao aminy ministeran’ny Fampianarana ambony ihany koa izahay ary nilaza ny ministera fa tsy mahafantatra momba anio ambim-bola io. Nilaza anefa ny CONABEX izay misahana ny mpianatra mianatra aty ivelany fa efa tokony any aminy Masoivoho Malagasy any Shina io vola io. Ny Masoivoho Malagasy aty Shina anefa milaza fa tsisy an’izany vola izany aty.

Gaga sady sahirana izahay mpianatra aty manoloana ny zava-misy. Lasa aiza ary ilay ambim-bola 1,402,215,194.5358 ariary?? Sahirana mafy izahay manoloana ny trosanay aminy Oniversite Sinoa ka dia manao antso avo aminy mpitondra fanjakana mahefa izahay mba hijery an’izao toe-java-misy izao.

Mankasitra indrindra tompoko!

Talata faha 31 May 2016

Mpianatra Malagasy aty Shina

Ka raha 90% ny tahan'ny fahantrana tamin'ny fotoan'ny nandraisanao ny fitondrana dia firy izy izao roa taona aty aoriana? Vola sy antontam-taratasim-bola no nikirakirainao mivantana nandritra ny dimy taona be izao, nafahanao nividy io trano be ao Tsimbazaza io e! Tsy misy dikany io volan'ny mpianatra malagasy any Shina raha oharina amin'ny vidin'io trano be io. Be karama kosa ianao tamin'izany ô? Ka asa: Andry Rajoelina daholo no nahatonga izao fanaovana an-kilabao ny tanora malagasy mpianatra any Shina ary manan-jo amina vatsim-pianaram-panjakana, amin'izao taona 2016?


Ekena fa lehilahy mahasaky tokoa ianao fa dia jamba koa izany Andriamanitra an-tampin-doha io. Rehefa tsy andrinao intsony, handrasan'ny vahoaka maro an'isa maha firenena ny firenena foana rangaha ity a! Misy farany ny zava-drehetra eto amin'ity tany fandalovana ity. Ary filoha mandalo fotsiny ihany ianao ka tsy hitondra anao mankaiza io volabenao io (ETO mamisavisa)

Jeannot Ramambazafy - 05 Jona 2016

Mis à jour ( Dimanche, 05 Juin 2016 11:12 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...