]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara. RSF: manameloka ny lalàn-tserasera manono ny fahafahana

Madagasikara. RSF: manameloka ny lalàn-tserasera manono ny fahafahana

Tena mamono ny fahafahana tanteraka io lalàn-tserasera tiana ho laniana ao Madagasikara ao

Ny minisitry ny Serasera, Vonison Andrianjato Razafindambo -mpanao gazety ihany koa- sy Gérard Rakotonirina. Tena "collé-serré" ara-baki-teny

Raha tsy re teny mihitsy i Gérard Rakotonirina (ATO NY ANTONY), filohan'ny OJM (Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara) izay tokony hiaro sy ho sarotiny amin'ity asa fanaovan-gazety ity -toa ny nataon-dry Ralaiarijaona, Mompera Rémi Ralibera, Anicet Andriantsalama sy James Ramarosaona sy Ruffin Rakotomaharo nodimbiasany- dia ny any ivelany indray no nitsangana nanameloka io resaka fanampenam-bava ny mpanao gazety malagasy, eny ny vahoaka malagasy iray manontolo mihitsy. Eo anatrehin’ny zava-doza haterak’ity « Code de la communication médiatisée » na lalàna-tserasera raha tsorina, dia nampiaka-peo ny « Reporters Sans Frontières » (RSF). Izao ny fijeriny azy io:


Christophe Deloire, Sekretera jeneralin’ny « Reporters Sans Frontières »

Ny andininy sasany ao anatin’io volavolan-dalàna mikasika ny serasera io dia tena manitsaka tanteraka ny zo fototry ny fahalalahana mahazo vaovao. Ny mpanao gazety dia tsy natao ho mpiambina ny fandriampahalemana eo amin’ny lafiny sosialy. Ny anjaran’ny mpanao gazety dia ny manome vaovao, eny na dia manenligelina io vaovao io. Ny vesatry ny sazy dia tsy mifanentana amin’ny fanaovan-gazety mihitsy. Fandrahonana ho an’ny mpanao gazety izany ka hanery azy ireo hanao sivana ny tenany (« autocensure »). Manjavona ihany koa ny fomba namaritana ny tokony mahavoasazy na tsia, eo amin’ny vaovao avoaka.

Tena tsy tokony amaivanàna mihitsy izany rehetra izany ka ho lanian’ny depiote amin’izao fotsiny. Mila averina dinihina io volavolan-dalàna io ary ny tena sosokevitry ny mpanao gazety tamin’ny nandrafetana azy io dia tokony henoin’ny parlemantera voafidy.

Reporters Sans Frontières – 16 Jona 2016

Nandika : Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Samedi, 18 Juin 2016 06:04 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30