]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy PESTA ETO MADAGASIKARA: NY TOKONY ATAO MAHOMBY INDRINDRA

PESTA ETO MADAGASIKARA: NY TOKONY ATAO MAHOMBY INDRINDRA

TSINDRIO ETO HO AN'NY FIAROVANAO SY NY ANKOHONANAO

*****************************************

CLIQUEZ ICI POUR SAVOIR QUE FAIRE ET QUI CONTACTER

*****************************************

Raha teny amin’ambanivohitra rehetra teny no nisehoan’io aretina pesta io hatramin’izay dia tonga eto amin’ny renivohitr’i Madagasikara io aretina io amin’izao taona 2017 izao.

Vanim-potoanan’ny fiparitahan’ny valan’aretina pesta (aretim-boalavo) isika amin’izao fotoana izao eto Madagasikara. Tsy afaka miandry izay fitondrana Hvm mbola variana manao fanambarana feno fandrahonana (indrindra fa ingahy minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tany Toamasina, sakaizan'ny Filoham-pirenena ao amin'ny Rotary Club. Efa nataon'ny minisitra Rivo Rakotovao izany, Tompoko ô! Ka sambory daholo fa izay no hahafaka io aretina io tanteraka. SSSsss.). Any ka adino ny hetsika tokony efa natao tamin’ny volana Aogositra isan-taona, hisoroana io pesta mandoza io.

Satria tokoa eo anelanelan’ny volana septambra sy aprily io pesta io no mirongatra eto Madagasikara, firenena fahatelo misy azy sisa maneran-tany aorian’ny RD Congo sy ny Tanzania (Manampahaizana avy ao amin'ny OMS no nanambara ireo firenena ireo).

Koa araho tsara ireto toro-hevitra manaraka ireto.

Azo sitranina tsara io aretina io. Ahoana ny fisehoany?

Raha « peste pulmonaire »:

-Fanaviana mahery vaika

-Kohaka arahina rehoka misy rĂ 

-Fanaintainan’ny tratra

-Faharerahana be.

Raha « peste bubonique »:

-Fanaviana mahery vaika

-Fisian’ny atoditarimo manaintaina ao ambany helika na eo am-potom-pe na eo amin’ny tenda.

Aretina mora mifindra amin'ny alalan'ny piti-drora, ny kaikitry ny parasy avy nanaikitra voalavo mitondra ny tsimok’aretina. Telo andro aorian’ny hahazoan’ny olona iray ny tsimok’aretina no tena miseho ny fambara fa voan’ny pesta ny olona iray.

Raha voatily haingana dia tsaboina amin’ny alalan’ny fihinanana antibiotika ny pesta. Tadidio fa MAIMPAIMPOANA ny fitsaboana ny aretina pesta ary izay nifanerasera tamin’ny marary rehetra dia tokony tsaboina sy atokana toerana («mise en quarantaine») mba tsy hamindra amin’ny hafa.

Aretina azo sorohina sy tsaboina tsara araka izany ity valan’aretina ity. Mila manatona toeram-pitsaboana haingana raha vao misy fisehoan-javatra hafahafa.

Fisorohana:

- Diovy foana ny trano, ny tanĂ na sy ny manodidina: ny fako, indrindra ny poti-kanina, dia tsy aparitaka fa dorana na ariana amina toerana sahaza azy mba tsy hampahazo aina ny voalavo.

- Sasàna matetika amin’ny rano sy savony ny tànana

- Fongorina ny voalavo amin'ny alĂ lan'ny famandrihana azy

- Asiana ody parasy ny ao an-trano.

AZA MANAO DOKOTERA TENA KA TONGA DIA HIHINANA COTRIMOXAZOLE FA ALEO MANATONA MPITSABO.

Raha olona salama no mihinana antibiotika avy hatrany dia ho sahirana amin’ny fitsaboana ny aretina raha sanatria tratra, satria lasa tsy mandaitra haingana aminy intsony ilay fanafody.

Ary ho sahirana koa izay marary mitady ny fanafody ilainy.

Ny olona nifanerasera tamin’ny olona voan’ny pesta ihany no tokony ho tsaboina sy hihinana fanafody fa tsy ny olon-drehetra.

Ireto ny LAHARANA MAITSO (antso maimaimpoana) raha mahita tranga mahakasika ny pesta:

Telma : 034 30 810 30 ; Airtel : 033 65 800 00 ; Orange : 032 32 038 00

Koa samia mandray ny fepetra tandrify azy ny olom-pirenena tsirairay.

www.madagate.org

Mis Ă  jour ( Dimanche, 22 Octobre 2017 17:29 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30