Tamin'ny taona 1959 no nahazo ny zo feno hifidy ny vehivavy malagasy
Aleho torahana voninkazo mihitsy ny CENI («Commission Ă©lectorale nationale indĂ©pendante» na Komisiona nasionaly mahaleotena mombanâny fifidianana) satria efa manao ezaka lehibe hampidirana ireo mizaka zom-pirenena malagasy, feno taona (18 taona miakatra) ka manan-jo handray anjara aminâireo fifidiana ho avy aminâny taona 2018 sy 2019. Raha efa taminâny volana oktobra 2017 no nametrahana ny lisi-pifidianana any anivon'ny fokontany tsirairay avy, dia efa misy izao ny fomba iray afahanao mijery ny momba anao anatinâizany lisitra izany, amin'ny alalĂ n'ny aminâny tambazotra Internet. Ity ny rohy afahanao miditra ao: https://liste.ceni-madagascar.mg/elect/rech
Io aminâny sary ambony io no tokony hitanao. Fenoinao ny toerana ho anâny anaranao, ny fanampiananaranao (tsy voatery atao) ary indrindra indrindra ny laharanâny karapanondrom-pirenenao. Raha toa ka tsy mivoaka ny mombamombanao dia mankanesa aingana any aminâny biraonâny fokontany misy anao.
Ny fe-potoana farany moa dia ny 31 Janoary 2018 fa mety hialava izy io satria mbola maro tokoa ireo Malagasy tokony hifidy mbola tsy voasoratra.
Ny anay eto aminy madagate.org moa dia tsotra: aza ariana ny zonao ary efao ny adidinao izay tsy anâolon-dratsy velively. Marina fa mbola tsy voalaza, hatreto aloha, ny daty hanatontosaina ireo fifidianana Filoham-pirenena, Solombavambahoaka, sns... fa mila vonona daholo izay mahatsapa tena fa Malagasy e!
Tsy milaza koa izahay hoe i Rahanona na i Rahanona no tokony ho fidianao, fa MANDEHANA MIJERY SY MANAMARINA NY ANARANAO SY NY MOMBA ANAO AO ANATY LISI-PIFIDIANANA ALOHA AFAHANAO MIFIDY! Izay ihany ny maha-Malagasy feno anao.
Jeannot Ramambazafy