]
Les quotidiens du 02 Jul 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Fanirisoa Ernaivo. F’inona ity nahazo ity kandida ho filoham-pirenena ity ?

Fanirisoa Ernaivo. F’inona ity nahazo ity kandida ho filoham-pirenena ity ?

Asa ry ireito fa toa maha lasa adala tokoa va re ny fanaovana politika ka tsy mahalala mifehy tena intsony na dia olona heverina fa mba nianatra sy manana ny maha-izy azy. Tsy mba tamin’ny alalan’ny MP (« Message privé ») fa tena « publication publique », azon’ny rehetra jerena sy vakiana no nandrahonan’i ramatoa Fanirisoa Ernaivo ny tenako. Mba lalina ihany izany. Tsy vitan’izany fa mbola sorabe mampiseho fa tsy mahalala fomba mihitsy kay izy rehefa tsy zaka io resaka politika io. Io avoakako ho vakinareo ny asa-soran’ity Filohan’ny SMM (« Syndicat des magistrats de Madagascar ») teo aloha, nanana ny naha izy azy ity. Indrindra tamin’ny raharaha Claudine Razaimamonjy.

Ka raha izao ny toetra naseho masoandro omaly alina, iza no hifidy anao ramatoa ? Mikasika ahy manokana dia aleho hitory izay hitory tsy olana. Fa aoka kosa ho fantatrao sy ny mpamakiko hoe avy aiza ireo sary tianao « esorina miaraka amin’ny vava » ireo. Tao aminy Facebook io, tompoko ka tsy aiko firy ny olona ho toriana ary firy no higadra ?

Mbola misy porofo an-tsoratra hafa izay haseho eny amin’ny tribonaly raha toa ka ilaina. Izay iray afa-baraka e ! Izaho anie mpanao gazety mandra-maty fa ianareo miseho ho zavatra ireo, ahoana marina ? Dia io mbola manambany an’i Madagasikara koa i ramatoa Fanirisoa Ernaivo amin’ny hoe « fantatro fa tany tan-dalàna ny any Frantsa fa tsy ohatry ny Madagasikara ». Mpitsara ve ianao dia mahasahy manoratra izany ho hitan'ny Malagasy maneran-tany? Sa « stratégie » araka ny nolazain'ny kandida Tabera Randriamanantsoa izay...



Farany : mba adikao amin’ny teny malagasy io taratasin’ny filohan’ny ASPA (« Association Sciences Po pour l'Afrique ») io ambony io, ary mba mandinihy tena fa tsy mendrika ho filoham-pirenena na iray segondra aza ny olona tsy mahay manaja tena toa i Farinisoa Ernaivo izay tena lasa akosom-bolamena fotsiny ihany… Diso fanantenana daholo ny ankizy aminao izay mba nataony « idole », tsy ho lazaina hoe « idéal ». Mahavariana satria ny zokiny Tsilavy anie niresaka tamiko tamin’ny alalan’ny MP ary tsy nidigin-drambo toa io e ! Nilamina rehefa nolazaiko hoe : samia maka ny andraikiny ny tsirairay. Fa jereo sy vakio ity nataon’ny zandriny…

Tsy izaho no hitomany na hiseho manana ny rariny fa ny marina tokana sy iray ihany. Toa adinonareo miana-kendry f’efa tamin’ny taona 1984 anie aho no nanao ity asa fanaovan-gazety ity e ! Folo taona izany Andry Rajoelina teniteneninareo tamin’ny izany fotoana izany. Ary ianareo miseho miaro fahatany ireo taiza ho aiza ? Indrindra ireo hoe mpianatra sy nianatra « Sciences politiques » ireo ?

Farany dia farany :  asehohy hitam-bahoaka ny porofo fa izaho, nandritra ny 30 taona mahery nanaovako gazety, dia nomen-dry Ratsiraka, Zafy, Ravalomanana, Rajoelina ary Rajaonarimampianina vola hiaro azy ireo. « Mpikaraman’ady », hoy ireo fanatika tsy mahalala ny Tantara politikan’i Madagasikara. Tsy Rolly mercia akory no anarako, aza fady, ka mahaiza mipetraka.

Jeannot Ramambazafy – Zoma 14 Septambra 2018

Farany tena farany : misy mahasahy mandrahona mivantana toa hita amin’ny « capture d’écran » io ambany io.


Mihevitra io Hevitra Rabe kanosa be io fa tsy ho hita ny misy azy. Efa an-dalàna ho an’ny amin’ny manampahefana aho hametraka « plainte de réserve ». Asa raha mahay manova ny adress IP io Hevitra Rabe io na dia hita fa compte fake aza? Dia ho tany tsy tan-dalàna tokoa ve ity Madagasikara ity sanatria ?

Mis à jour ( Vendredi, 14 Septembre 2018 10:05 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

WMG-Inner Wheel Madagascar. Un partenariat efficace pour la promotion de la formation professionnelle des femmes

 

Christophe Deloire. Brusque décès du SG de RSF International, le 08 juin 2024

 

WMG Madagascar. Des serviettes périodiques lavables pour les élèves du CEG d’Ambohidrabiby

 

HAJASOA - Raoeliarivelo Hajasoa Pauline, nodimandry ny 28 May 2024

 

Grâce Marie-Jeanne Ramambazafy teraka Rasoarivony, renin'i Jeannot Ramambazafy. Toa marina fa ny tsara saina sy tsara fanahy no matetika lasa mialoha

 

Mialy R. RAJOELINA. Hommage pour la Fête des Mères 2024

 

Pentekôsta 2024. FANAHY hoe ?

 

TSIMITOVIAMINIANDRIANDEHIBE GUY RAJAOFETRA (XHI). Fisaorana avy amin’ny vady aman-janany, zafikeliny ary ny fianakaviana iray manontolo

 

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...